Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rano Manome Fiainana

Rano Manome Fiainana

Rano Manome Fiainana

Namakivaky an’i Samaria, any avaratr’i Jerosalema, i Jesosy, indray mandeha. Reraka izy sady nangetaheta. Nipetraka teo akaikin’ny lavadrano iray izy, ary nangataka rano tamin’ny vehivavy samaritanina iray tonga hantsaka. Gaga ilay vehivavy hoe Jiosy no nangataka rano taminy. Tsy nifankahazo mantsy ny Jiosy sy ny Samaritanina tamin’izany.

Nanontany an’i Jesosy ilay vehivavy hoe: “Jiosy ianao, koa nahoana no mangataka amiko rano hosotroina, nefa izaho vehivavy samaritanina?”

Hoy i Jesosy taminy: “Raha mba fantatrao mantsy ny fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra, sy ilay milaza aminao hoe: ‘Mba omeo rano aho hosotroiko’, dia ianao no ho nangataka taminy, ka ho nomeny rano velona.”

Nanohy ny teniny i Jesosy hoe: “Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray, fa izay rehetra misotro ny rano homeko azy kosa tsy hangetaheta intsony mihitsy. Fa ilay rano homeko azy dia ho loharano ao anatiny, izay hiboiboika mba hanome fiainana mandrakizay.”—Jaona 4:1-15.

Inona ilay rano tian’i Jesosy holazaina?

ANTSOIN’NY Baiboly hoe “loharanon’ny rano velona” i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona. (Jeremia 2:13) Fanomezana avy aminy ny aina, ary tsy ho velona isika raha tsy misotro ny rano omeny, na tena rano izany na rano ara-panahy.

Toy ny hoe misy hain-tany ara-panahy eto an-tany, satria mangetaheta ny valin’ny fanontaniana maro ny olona. Vao mainka tena ilaina izao ny valin’ny fanontaniana lehibe, toy ny hoe: Aiza no misy ny maty? Mbola ho afaka hihaona amin’izy ireo ve isika indray andro any? Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana? Mbola ho foana ve ny ady, heloka bevava, mosary, ary aretina? Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa afaka manovo valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana ireo isika ao amin’ilay rano mamelombelona, dia ny Tenin’Andriamanitra.

Toy ny rano manome fiainana ny fampianarana marina ao amin’ny Baiboly. Io ilay rano tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay vehivavy samaritanina. Manasa anao izahay Vavolombelon’i Jehovah, mba hisotro amin’io rano madio mangalahala io. Hita ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly izany fanasana izany, hoe: “Aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay maniry, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.”—Apokalypsy 22:17.

Raha tianao ny hahafantatra ny soa hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny olombelona, dia manatòna ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky anao indrindra, na manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity. Azonao jerena koa ilay adiresy ao amin’ny Internet hoe www.watchtower.org.

[Efajoro, pejy 8, 9]

NANAFAKA NY HETAHETAN’NY OLONA VE NY FIVAVAHANA?

Tsy ampy ny hoe mandeha miangona sy ny milaza tena ho mpivavaka, mba hahitana ny fahamarinana. Tsy namaha ny olana mahazo ny olombelona mantsy ny ankamaroan’ny fivavahana, fa vao mainka nanampy trotraka izany. Diniho, ohatra, izao: Nandritra ny ady, dia namono Katolika ny Katolika, namono Protestanta ny Protestanta, ary samy nangataka tamin’Andriamanitra izy ireo mba handresy.

Maro koa ny tatitra mampiseho ny zavatra manafintohina ataon’ny fivavahana. Misy, ohatra, mpitondra fivavahana manodinkodina volam-piangonana na mametaveta ankizy. Maloto tokoa ny rano omen’ny ankamaroan’ny fivavahana. (Apokalypsy 17:4-6; 18:1-5) Izao no lazain’ny Baiboly momba ny zava-misy any amin’ireny fivavahana ireny: “Milaza ampahibemaso ho mahafantatra an’Andriamanitra izy ireny, kanefa mandà azy amin’ny ataony.” (Titosy 1:16) Zara raha manome fahafaham-po ny hetahetan’ny olona ny ankamaroan’ny fivavahana, amin’izao fotoanan’ny hain-tany ara-panahy izao.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Hita ao amin’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? ny valiny omen’ny Baiboly amin’ireto fanontaniana ireto:

“Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny tany?”

“Aiza no misy ny maty?”

“ ‘Andro farany’ ve izao iainantsika izao?”

“Nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy?”

[Sary, pejy 9]

Afaka misotro amin’ny ‘ranon’ny fahamarinana’ ianao any amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky anao