Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sahirana ve ny Zanakao Rehefa Mianatra?

Sahirana ve ny Zanakao Rehefa Mianatra?

Sahirana ve ny Zanakao Rehefa Mianatra?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY MEKSIKA

Tsy tena mahay mamaky teny i Steven. Marary ny kibony raha vao fantany hoe hasaina hamaky teny izy.

Efa mampirisika an’i Maria hanatsara ny sorany ny mpampianatra, fa mbola tsy hay vakina foana ilay izy. Ela be izy vao mahavita devoara.

Efa mba averimberin’i Noah ihany ny lesony, fa tsy misy tadidiny. Ratsy foana àry ny naotiny.

INONA no manjo an’i Steven sy Maria ary Noah? Misy zavatra tsy mety hainy. Azo lazaina hoe kilema ny mahazo azy ireo, ary isan-karazany ny fisehony. Ny ankizy sasany, ohatra, mampifangaro litera mitovitovy. Io no tena fahita. Ny hafa tsy mety mahay manoratra. Misy koa tsy mety mahay kajy na matematika. Mahagaga anefa fa tsy hoe votsa saina ny ankamaroany. Misy aza kinga saina noho ny ankizy hafa.

Ahoana no hahalalana hoe manana an’izany kilema izany ny zaza iray? Ela izy vao mahay miteny, na tsy mahay mitady teny miady rima, manao diso rehefa manonona teny, manao tenin-jaza foana, na tsy mety mahay manoratra na mamaky litera sy isa. Misy koa tsy mahay manonona teny tsotra, na mampifangaro teny mitovitovy, tsy mahavita manaraka toromarika, mipelipelika be, taitaitra, na tsy mahavita mifantoka.

Ahoana no azo anampiana azy?

Ahoana raha manahy ianao sao manana an’ilay kilema ny zanakao? * Asaivo jeren’ny dokotera aloha ny sofiny sy ny masony, sao ireo no misy voa. Raha tsy maninona ireo, dia anontanio hoe inona no manjo an’ilay zaza. Raha manana an’ilay kilema tokoa izy, dia tokony ho tsara fanahy aminy ianao. Tadidio fa tsy voatery ho votsa saina izy.

Raha misy famerenan-desona manokana ho an’ny ankizy toa azy any am-pianarana, dia ampanaovy izy. Iangavio hanampy azy koa ny mpampianatra. Azo iangaviana, ohatra, izy mba hametraka ilay zaza eny aloha, hanome azy fotoana lava kokoa hamitany ny devoarany, hanome azy toromarika am-bava sy an-tsoratra, ary hampanao fanadinana am-bava azy. Mazàna ilay zaza no manadinodino sy tsy mahay mandamin-javatra, ka tsara raha manana roa amin’ny boky ilaina any am-pianarana izy, mba hampiasainy ao an-trano. Azo omena diksionera tsotsotra koa izy, mba hanamarinany izay teny soratany.

Raha ny vakiteny no sarotra aminy, dia miaraha mamaky teny aminy vetivety isan’andro. Asaivo mamaky mafy izy mba hahafahanao hanoro hevitra sy hanitsy azy. Tsara raha ianao aloha no mamaky, ary asaina manaraka izy. Miaraha mamaky ianareo avy eo, ary asaivo mamaky irery izy aorian’izay. Asaivo asiany fanipihana eo ambanin’izay fehezanteny vakiny mba tsy ho very izy, ary lokoy ny teny sarotra. Fahefatr’adiny dia efa mety hahavitana an’ireo.

Ary ahoana raha ny kajy na matematika no tsy hain’ilay zaza? Azo hararaotina ampianarina izy rehefa misy zavatra ilana kajy. Ohatra hoe rehefa hahandro sakafo ka hamatra ny zavatra ilaina, rehefa mandrafitra na rehefa miantsena. Azo atao koa ny mampiasa sary. Raha tsy mety mahay manoratra kosa izy, dia ividiano kahie akanga sy pensilihazo mafy. Misy koa ny litera vita amin’ny andriamby. Apetaka eo amin’ny tabilao vy izy ireo, ary azo solosoloina na afindrafindra arakaraka izay teny soratana.

Ary ahoana raha mipelipelika be na tsy mahavita mifantoka ilay zaza? Jereo tsara izy alohan’ny hiresahana aminy. Tokony ho any amin’ny toerana mangina izy no manao devoara, ary asaina maka aina matetitetika. Hararaoty iny izy mipelipelika iny ka ampanaovy raharaha, ohatra hoe mamafa tokotany.

Mety hahomby ny ezaka ataonao

Fantaro ny zavatra hainy, ary ataovy izay hanatsarany izany. Derao sy omeo valisoa izy isaky ny mahavita zavatra tsara, na kely aza. Raha lava ny devoara na zavatra asaina ataony, dia zarazarao maromaro mba ho mora kokoa aminy ny hanao azy. Ho faly izy amin’izay fa nahavita zavatra. Raha misy dingana maromaro tsy maintsy arahina amin’ilay izy, dia ataovy sary.

Mila mahay mamaky teny sy manoratra ary manao kajy sy matematika ny zanakao. Matokia fa ho hainy ireo raha ampaherezinao sy ampianao izy! Mety ho elaela fotsiny izy vao tafavoaka, ary mety tsy hitovy amin’ny an’ny ankizy hafa ny fomba fianarany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Avo telo heny noho ny isan’ny ankizivavy ny isan’ny ankizilahy tsy tena mahay mamaky teny sy mipelipelika be.

[Efajoro, pejy 11]

NAHASOA AHY ILAY IZY

‘Tsy nisy azoko mihitsy izay soratra nojereko. Toy ny hoe teny vahiny ilay izy, ka olon-kafa no namaky azy vao azoko. Noheverin’ny mpampianatra hoe kamo aho, na tsy nanaja, tsy te hiezaka, na tsy nihaino tsara. Tsy misy marina anefa izany. Tena nihaino sy niezaka mafy aho, saingy tsy nety haiko mihitsy ny namaky teny sy nanoratra. Mora tamiko anefa ny taranja hafa, toy ny matematika. Vao kely aho dia efa liana tamin’izay zava-drehetra ampiasana tanana, toy ny spaoro, asa tanana, na asa madinidinika hafa. Rehefa zavatra tsy ilana mamaky sy manoratra dia tiako.

‘Nanao an’ireny asa madinidinika ilaina amin’ny fanorenana trano ireny aho, rehefa lehibe. Faly àry aho fa nirahina ho any an-tany hafa, mba hanampy hanorina trano dimy hivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Miezaka mafy mifantoka aho rehefa mamaky, ka lasa tadidiko ny ankamaroan’izay vakiko. Tena manampy ahy izany, satria Vavolombelon’i Jehovah aho, ka mitory ny vaovao tsara. Nahasoa ahy àry ilay kilema mahazo ahy, ka lasa tsy olana be amiko intsony.’—Peter. Vavolombelon’i Jehovah mpitory manontolo andro. Tsy nety nahay namaky teny tsara.

[Sary, pejy 10]

Azo atao sary ny lesona. Misy ankizy mahavita tsara mandika azy ireny sady mihaino