Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hisaraka Aminy ve Aho?

Tokony Hisaraka Aminy ve Aho?

Manontany ny Tanora Hoe...

Tokony Hisaraka Aminy ve Aho?

Vao telo volana izahay no niaraka dia efa samy nihevitra hoe mety be ny aminay. Samy nino izahay hoe tsy hisaraka mihitsy, ka niresaka an’izay hataonay any aoriana any.”—Hanta. *

“Efa ela be aho no potika taminy, fa tsy taitra tamiko izy. Tsikariny ihany anefa aho nony farany! Tiako izy satria zokiko, ka noeritreretiko hoe hahavita hikarakara tsara ahy.”—Vero. *

Samy nisaraka tamin’ilay ankizilahy niarahany i Hanta sy Vero. Inona no antony, nefa nahafinaritra be azy roa ireo ankizilahy ireo tamin’ny voalohany? Adala ve aminao izy roa vavy?

EFA ho herintaona izao ianareo no niaraka. Nihevitra ianao tamin’ny voalohany hoe izy no ho vady mety aminao. Misy zavatra mampiahiahy anao anefa aminy izao, na dia mbola babo tanteraka aminy aza ianao indraindray. Tokony hodianao tsy hita ve izany? Ahoana no hahalalanao raha tokony hisaraka aminy ianao?

Misy zavatra mila fantatrao aloha, na dia mafy aminao aza. Raha efa mahita ianao hoe misy tsy mety ny fifandraisanareo, nefa tsy taitra ianao, dia toy ny hoe mahita zavatra tsy mety ao amin’ny fiaranao ianao na maheno fofona may ao an-trano, nefa tsy miraharaha. Fantaro fa tsy hilamina ho azy eny ilay olana, fa vao mainka aza hitombo. Inona avy àry no zavatra tsy azonao odian-tsy hita?

Vetivety dia mifankatia be ianareo. Mety hiteraka olana izany. Hoy i Vero: “Nifandefa hafatra tamin’ny Internet sy nifampiresaka an-telefaonina izahay. Tsy mahamenatra hoatran’ny miresaka mivantana ilay izy, ka sahy miresaka zavatra mbola tsy tokony horesahina ianao!” Aza maika àry fa ataovy izay hifankahalalana tsara. Tsy tokony ho toy ny ahidratsy ny fifandraisanareo. Mora maniry izy ireny nefa mora malazo. Tokony ho toy ny voninkazo kosa izy io. Elaela ny voninkazo vao maniry.

Manakiana sy manambany anao foana izy. Hoy i Anita: “Nanambany ahy foana izy. Tiako loatra anefa izy, ka nandefitra taminy aho, na dia niteny aza taloha hoe tsy hanaiky hatao an’izany!” Halan’Andriamanitra anefa ny “fanevatevana.” (Efesianina 4:31) Tsy tia anao ny olona manevateva na manao teny manambany anao, na dia lazainy moramora aza ilay izy.—Ohabolana 12:18.

Mora tezitra sy mahery setra izy. Hoy ny Ohabolana 17:27: “Tony ny olona mahay manavaka.” Tsy toy izany anefa ny ankizilahy niarahan’i Mialy. Hoy izy: “Natositosiny mafy be aho rehefa niady izahay, ka mangamangana mihitsy indraindray.” Hoy anefa ny Baiboly: “Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra, ny fahatezerana rehetra, ny fahavinirana rehetra.” (Efesianina 4:31) Mbola tsy tokony hiaraka amin’ankizivavy ny ankizilahy tsy mahafehy tena.—2 Timoty 3:1, 3, 5.

Afeniny hoe miaraka ianareo. Hoy i Ando: “Tsy tiany ho fantatr’olona hoe miaraka izahay. Tezitra be izy tamin’ny dadanay nahalala an’ilay izy, nefa eritrereto hoe dadanay!” Marina fa misy antony tsara matoa tsy misehoseho ny mpifankatia sasany. Misy olona manan-jo hahalala anefa hoe miaraka ianareo. Hahita olana ianareo raha manafina aminy.

Tsy te hanambady akory izy. Tsy kilalao ny mampiaraka ho an’ny Kristianina. Natao hanampiana ny mpifankatia hamantatra izy io raha afaka ny hivady izy ireo na tsia. Marina fa tsy midika izany hoe vao manomboka miaraka ianareo, dia efa tokony hidinidinika momba ny mariazinareo. Tsy voatery ho tanteraka mantsy ilay izy. Tsy tokony hampiaraka anefa ny olona iray, raha mbola tsy vonona hiantsoroka ny andraikitra ao amin’ny fanambadiana.

Misaraka ianareo dia miombona indray. Hoy ny Ohabolana 17:17: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana.” Marina fa tsy maintsy hiady ianareo. Ahoana anefa raha mbetika ianareo misaraka, ary mbetika miombona? Angamba misy tsy mety ao, ka tsy tokony havela amin’izao fotsiny. Hoy ihany i Anita: “Efa nisaraka taminy imbetsaka aho nefa tsy zakako ilay izy, ka lasa indray aho nanambitamby azy. Hitako anefa tatỳ aoriana hoe tena adala aho tamin’ireny!”

Tereny hanao firaisana ianao. “Raha tia ahy ianao, dia manaiky.” “Mila manao firaisana isika, amin’izay mifankatia kokoa.” “Eo fa tsy tena hanao firaisana isika e!” Tetika ampiasain’ny ankizilahy ireo mba hanerena ny ankizivavy hanao firaisana. Hoy anefa ny Jakoba 3:17: ‘Ny fahendrena avy any ambony dia madio aloha.’ Tsy mety aminao ny ankizilahy tsy madio fitondran-tena sy tsy manaja ny fitsipika arahinao. Aza manaiky ho voafitaka àry!

Efa nampitandrina anao ny olona. Hoy ny Baiboly: “Henoy daholo ny torohevitra omena anao, dia hahomby ianao.” (Ohabolana 15:22, Dikan-teny Anglisy Ankehitriny) Hoy i Hanta: “Aza odian-tsy re izay lazain’ny fianakavianao sy ny namanao, indrindra raha efa somary nahatsikaritra zavatra hafahafa ianao. Raha tsy mivaky loha mantsy ianao, dia vao mainka hahita olana.”

Santionany amin’ny zavatra tsy azo odian-tsy hita ireo. * Misy ankizilahy miaraka aminao àry ve izao, ary mahita sasany amin’ireo ianao? Soraty eto izany, na zavatra hafa ankoatra an’ireo.

․․․․․

Ahoana no hataonao raha hisaraka aminy?

Aoka hatao hoe hitanao fa tena tokony hisaraka aminy ianao. Inona no hataonao? Maro no azonao atao, fa ireto no tena lehibe.

Aoka ianao ho sahy. Hoy i Tiana: “Nila azy foana aho isaky ny hanao zavatra, ka natahotra ny hisaraka taminy.” Marina fa mila herim-po ianao mba hanazavana ny antony tokony hisarahanareo. Hahasoa anao anefa izany. (Ohabolana 22:3) Ho fantany mantsy hoe inona no tianao na tsy tianao hataon’izay lehilahy miaraka aminao na ho vadinao.

Eritrereto izay ho vokany eo aminy. Eritrereto hoe ianao no eo amin’ny toerany. (Matio 7:12) Zakanao ve raha e-mail na hafatra fotsiny no alefany, ary izao no mba hany lazainy: “Vita hatreo ny amintsika!”? Aza manao an’izany aminy àry.

Fidio tsara ny toerana sy ny fotoana hiresahanareo. Mila mifampiresaka mivantana ve ianareo, sa amin’ny telefaonina fotsiny? Mila mifanazava ve ianareo, sa manoratra dia ampy? Miankina amin’ny zava-misy izany. Aza miresaka any amin’ny toerana tsy misy olona anefa, satria mety hampidi-doza anao izany na hanaitra ny filan’ny nofo.—1 Tesalonianina 4:3.

Lazao ny marina. Tsory hoe nahoana ianareo no tokony hisaraka. Raha noho izy manambany anao no antony, dia lazao izany. Aza manakiana anefa fa lazao fotsiny izay tsapanao. Aza miteny hoe: “Manambany ahy foana ianao.” Lazao kosa hoe: “Mahatsiaro ho tsy misy dikany aho, rehefa...”

Henoy izy. Mety ho diso fandray ny zavatra nolazainy na nataony fotsiny mantsy ianao. Mitandrema anefa, fa misy ankizilahy mahay mampiresaka. Na izany aza, dia diniho ny zava-misy rehetra. Mampirisika ny Kristianina ny Baiboly, mba “ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny.”—Jakoba 1:19.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Novana ireo anarana.

^ Marina fa anaran’ankizivavy ireo, nefa azon’ny ankizilahy arahina koa ny torohevitra ato.

^ Jereo ny Mifohaza! Mey 2007, pejy 18-20, raha mila fanazavana fanampiny.

ERITRERETO IZAO:

◼ Olona toy inona no tianao hiaraka aminao? Soraty eto ambany izay toetra tena tianao hananany. ․․․․․

◼ Inona kosa no toetra tsy tianao hananany? ․․․․․

[Efajoro, pejy 20]

OLONA TOY INONA NO TOKONY HIARAHANAO?

□ Mitovy finoana aminao.—1 Korintianina 7:39.

□ Manaja ny fitsipika arahinao momba ny fitondran-tena.—1 Korintianina 6:18.

□ Mitady izay hahasoa anao sy ny hafa.—Filipianina 2:4.

□ Tsara laza.—Filipianina 2:20.

[Efajoro, pejy 20]

MITANDREMA RAHA...

□ tereny hanaraka ny sitrapony foana ianao.

□ ataony foana izay hiheveranao hoe diso ianao na vendrana na tsy misy ilana azy.

□ saro-piaro amin’ny namanao na ny fianakavianao izy.

□ tiany ho fantatra izay rehetra alehanao.

□ lazainy fa miadaladala amin’ny ankizilahy ianao, nefa tsy marina izany.

□ mandrahona anao foana izy.

[Sary, pejy 19]

Toy ny hoe mahita zavatra tsy mety ao amin’ny fiaranao ianao nefa tsy taitra, raha efa mahita hoe misy tsy mety ny fifandraisanareo nefa tsy raharahainao