Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Planeta Feno Zavamananaina

Planeta Feno Zavamananaina

Planeta Feno Zavamananaina

TSY tambo isaina ny zavamananaina bitika eto an-tany, ary mety hisy an-tapitrisany ny karazany. Any anaty tany sy eny amin’ny rivotra, ary any anaty rano izy ireny, sady tsy hita maso ny ankamaroany. Tao anatin’ny tany iray grama fotsiny, ohatra, dia nahitana karazana bakteria 10 000, ary nihoatra lavitra noho izany ny isan’ny mikraoba! Mbola nahitana karazana bakteria vitsivitsy koa aza tany amin’ny telo kilaometatra any ambanin’ny tany!

Feno zavamananaina toy ny vorona, ramanavy, ary bibikely koa eny amin’ny habakabaka. Tsy izay ihany anefa, fa entin’ny rivotra eny koa ny vovobony, voa, ary sela bitika, izay betsaka tokoa amin’ny vanin-taona sasany. An’arivony koa ny karazana mikraoba mikarenjy eny amin’ny habakabaka, any amin’ny toerana sasany. “Mitovitovy, araka izany, ny habetsahan’ny karazana mikraoba eny amin’ny habakabaka sy ny any anaty tany”, hoy ny gazetiboky Amerikanina Siantifika.

Ary ahoana ny any an-dranomasina? Mbola betsaka ny zavatra tsy fantatra, satria lafo be ny fitaovana ilaina amin’ny fikarohana. Na ny haran-dranomasina, izay eny amin’ny faritra marivo sy efa nanaovana fikarohana tsara aza, dia mety mbola hisy karazana zavamananaina an-tapitrisany tsy fantatra.

Izao anefa no efa fantatra: Misy vokany eo amin’ny taharon’ny zavatra simika eto amin’ity planeta ity ny fisian’ny zavamananaina sy zavamaniry be dia be eo aminy. Mifandanja foana, ohatra, ny singa simika ao anaty ranomasina noho ny karazana kalsioma avy amin’ny akorandriaka sy vato harana. Mampifandanja ny gazy karbonika sy ny oksizenina ao anaty rano sy eny amin’ny rivotra koa ireo zavamaniry sy ahidrano bitika eny amin’ny ranomamy sy ranomasina. Ireo bakteria sy holatra kosa mamotika an’ireo fatina biby sy zavamaniry ao anaty tany, ary mamadika azy ireny ho zezika. Feno zavamananaina tokoa ny tany.

Ahoana anefa no ahafahan’ny zavamananaina mivelona eto an-tany? Satria milamina sy mirindra tsara ny zavatra eo amin’ny tany sy ny manodidina azy. Vao haingana vao fantatra tsara ny sasany amin’izany. Ireto misy ohatra:

1. Ny toeran’ny tany ao amin’ny vahindanitra Mivolondronono (Voie lactée) sy ny rafi-masoandro, ny lalana ihodinany manodidina ny masoandro, ny fitongilanany, ny hafainganan’ny fihodinany, ary ny fisian’ny volana

2. Ny sahan’andriambin’ny tany sy ny atmosfera, izay samy miaro ny tany

3. Rano be dia be

4. Ireo tsingerina voajanahary, izay manadio ny tontolo iainana sy mamerina amin’ny laoniny ny habetsahan’ny zavatra ilain’ny zavamananaina sy zavamaniry

Rehefa mamaky an’ireo lahatsoratra manaraka ianao, dia saintsaino hoe: ‘Tongatonga ho azy ve ny tany sy ireo zavatra eo aminy, sa nisy mpamorona mahay nanao izany? Raha nisy namorona ny tany, inona no fikasan’ilay Mpamorona azy?’ Hamaly an’io fanontaniana io ny lahatsoratra farany amin’ity andian-dahatsoratra ity.

[Efajoro, pejy 3]

“TSY HINO AN’ANDRIAMANITRA MIHITSY IZAHAY”

Mpahay siansa maro no tsy mino hoe misy ny Mpamorona. Tsara voatra loatra anefa ny zavaboary ka tsy azo inoana hoe nisy ho azy. Tsy hoe ny siansa akory no mahatonga an’ireo tsy mino an’Andriamanitra “hiaiky fa tongatonga ho azy” izao rehetra izao, araka ny tenin’i Richard Lewontin, manam-pahaizana momba ny evolisiona. Nilaza kosa izy fa ‘efa hevitra ijoroan’ny’ ankamaroan’ny mpahay siansa fotsiny izany. Tapa-kevitra izy ireo fa ‘hitady fanazavana azon’ny saina ekena mba hanaporofoana fa tongatonga ho azy izao rehetra izao.’ Hoy koa izy: “Izay hita maso ihany no inoanay, fa tsy hino an’Andriamanitra mihitsy izahay.”

Fahendrena ve ny manaraka an’izany tsangan-kevitra izany, indrindra raha maro ny porofo manamarina fa misy ny Mpamorona? Ahoana no hevitrao?—Romanina 1:20.