Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsara Toerana ny Tany

Tsara Toerana ny Tany

Tsara Toerana ny Tany

Mazàna ny adiresin’ny olona no ahitana ny anaran’ny fireneny, ny tanànany, ary ny lalana misy ny tranony. Raha omena adiresy ny tany, dia azo atao hoe ny vahindanitra Mivolondronono no “firenena” misy azy, ny rafi-masoandro (ny masoandro sy ireo planeta manodidina azy) no “tanànany”, ary ny lalana izorany manodidina ny masoandro no “lalana” misy azy. Tsara toerana tokoa ny tany eo amin’izao rehetra izao, ary afaka manaporofo izany ny manam-pahaizana noho ny fandrosoan’ny astronomia sy ny fizika.

Ampahany amin’ny vahindanitra Mivolondronono ihany no azo iainana, ary ao anatin’io faritra io no ahitana ny rafi-masoandro misy antsika. Any amin’ny 264 908 tapitrisa tapitrisa kilaometatra miala eo afovoan’ny vahindanitra Mivolondronono no misy an’io faritra io. Ampy tsara ny singa simika mahavelona ao amin’izy io. Tsy ahitana firy an’izany ny faritra manamorona ny sisin’ilay vahindanitra. Mampidi-doza kosa ny faritra anatiny loatra satria be zavatra mahafaty, toy ny taratra manimba. “Ao amin’ny faritra tsara indrindra no misy antsika”, hoy ny gazety Amerikanina Siantifika.

“Lalana”

Faran’izay tsara toerana koa ny “lalana” misy ny tany, na ilay lalana izorany ao amin’ny rafi-masoandro. Eo amin’ny 149 669 000 kilaometatra miala ny masoandro no misy azy io. Azo onenana tsara eo amin’io toerana io, satria antonony ny hafanana. Mitovitovy amin’ny faribolana koa ilay lalany mihodidina ny masoandro, ka tsy miova loatra ny halaviran’ny tany amin’ny masoandro mandritra ny taona.

Mpamatsy angovo ho an’ny tany ny masoandro. Tsy miovaova ny hazavana avoakan’izy io, mety tsara ny habeny ary antonony tsara ny angovo alefany etỳ an-tany. Rariny izy io raha antsoina hoe “kintana tena miavaka.”

Mpiara-monina

Tena “mpifanolo-bodirindrina” tsara ho an’ny tany ny volana. Ampahefatry ny savaivon’ny tany eo ho eo ny savaivony. Azo lazaina hoe lehibe ihany àry izy io, raha oharina amin’ny volana hafa ao amin’ny rafi-masoandro. Tsy kisendrasendra anefa izany.

Ny volana, ohatra, no mahatonga ny ranomasina hisondrotra sy hisintona, ary tena ilaina eo amin’ny tontolo iainana izany. Ny volana koa no mahatonga ny tany tsy hihilangilana rehefa mihodina amin’ny tenany. Mety ho nivadibadika ny tany raha tsy teo ny volana! Hitera-doza izany satria hampiovaova zavatra maro, toy ny toetrandro sy ny fisamontan’ny ranomasina.

Fitongilanana sy fihodinana

Mitongilana 23,5 degre ny tany. Izany no tsy mampitovy ny toetany any amin’ny faritra samihafa. Izany koa no mampisy an’ireo fizaran-taona sy mahatonga ny hafanana ho antonony tsara. Hoy ny boky iray: “Mety tsara ny fitongilanan’ny planetantsika ka mahatonga ny tany ho azo onenana.”

Mety tsara koa ny halavan’ny andro sy ny alina, noho ny fihodinan’ny tany amin’ny tenany. Raha niadana kokoa ny fihodinan’ny tany, dia ho may ny ila bolantany mifanatrika amin’ny masoandro, fa ny ilany kosa hangatsiaka loatra. Raha nihodina haingana kokoa indray ny tany, dia ho fohy kokoa ny andro. Hiteraka tafio-drivotra mahery izany sady hisy vokany ratsy hafa.

Hita tokoa fa tena nisy Mpamorona mahay sy hendry nanao ny tany, rehefa jerena ny toerana misy azy sy ny fihodinany ary ny volana mpifanolo-bodirindrina aminy. * Hoy i Paul Davies, mpahay fizika sady manam-pahaizana momba ny evolisiona: “Na ny mpahay siansa tsy mino an’Andriamanitra aza mihetsi-po, rehefa mahita ny haben’izao rehetra izao, ny hakantony, ny endriny, ary ny firindran’ny zava-drehetra eo aminy.”

Tongatonga ho azy ve izany rehetra izany sa nisy namorona? Saintsaino tsara io fanontaniana io, rehefa mamaky ny lahatsoratra manaraka ianao. Resahina ao ireo zavatra mahatalanjona roa, izay miaro ny tany amin’ireo zavatra mampidi-doza avy eny amin’ny habakabaka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Tena ilaina ireto hery lehibe efatra ireto mba hampisy sy hampaharitra an’izao rehetra izao manontolo: hery misintona, herin’andriamby avy amin’ny herinaratra, hery niokleary matanjaka sy malefaka. Mifandanja tsara izy efatra ireo.—Jereo ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2001, pejy 5 sy ny Mifohaza! 8 Oktobra 2000, pejy 6-7.

[Efajoro, pejy 5]

MANDEHA HAINGANA NOHO NY BALA IANAO!

Efa nandeha an’arivony kilaometatra ianao, rehefa voavakinao ity efajoro ity. Tsy tsapanao akory anefa izany! Diniho izao manaraka izao:

Mihodina amin’ny tenany indray mandeha isaky ny 24 ora ny tany, ary mirefy 40 000 kilaometatra ny manodidina azy. Noho izany, dia mandeha 1 600 kilaometatra isan’ora, ny olona iray eo amin’ny ekoatera, na eny amin’ny toerana akaikin’izy io. (Ny tendrontany kosa mihodina eo am-pitoerana ihany.)

Mihodidina ny masoandro koa ny tany, ary 30 kilaometatra isan-tsegondra ny hafainganam-pandehany. Mbola mihodina ao anatin’ny vahindanitra Mivolondronono koa anefa ny rafi-masoandro iray manontolo, ary 249 kilaometatra isan-tsegondra ny hafainganam-pandehany. Tsy mahatratra roa kilaometatra isan-tsegondra akory anefa ny hafainganam-pandehan’ny bala.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

Vahindanitra Mivolondronono: NASA/JPL/Caltech

[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]

Tany: Based on NASA/Visible Earth imagery