Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampinga Miaro ny Tany

Ampinga Miaro ny Tany

Ampinga Miaro ny Tany

FARITRA mampidi-doza ny habakabaka satria feno taratra sy vaingan-javatra mifamezivezy izay samy mahafaty. Tsy simba mihitsy anefa ny tany na dia mamakivaky an’io toerana mampidi-doza io aza. Nahoana? Satria toy ny ampinga miaro azy ny sahan’andriamby sy ny atmosfera.

Sahan’andriambin’ny tany: Any an-kibon’ny tany lalina any no misy ny foiben’izy io, ary miely hatrany ambony tsy taka-maso any ny heriny, izay toy ny ampinga tsy hita maso (aseho an-tsary eto ankavanana). Miaro antsika amin’ireo taratra mahery vaika avy eny amin’ny habakabaka sy amin’ireo zavatra mampidi-doza avoakan’ny masoandro izy io. Anisan’izany ny rivotry ny masoandro sy ireo angovo avoakany. Afaka mamoaka angovo mitovy amin’ny herin’ny baomba hidrozenina an’arivony tapitrisa ny masoandro, ao anatin’ny minitra vitsivitsy monja. Misy zavatra an’arivony tapitrisa taonina avy amin’ny masoandro koa miparitaka eny amin’ny habakabaka. Miteraka hazavana hafakely eny amin’ny lanitra izany any akaikin’ireo tendrontany (aseho an-tsary eto ankavanana).

Ny atmosfera: Miaro koa ny atmosfera. Misy karazana oksizenina antsoina hoe ôzônina ao amin’ny sosona ivelany indrindra aminy. Io no misakana ny 99 isan-jaton’ny taratra ultraviolet avoakan’ny masoandro, tsy hiantraika etỳ an-tany. Ny ôzônina àry no miaro ny zavaboary eto an-tany tsy ho voan’io taratra manimba io. Miovaova arakaraka ny habetsahan’ny taratra ultraviolet ny hatevin’ny ôzônina. Tena fiarovana mandaitra tokoa izy io. ➤

An-tapitrisany ny vaingan-javatra madinika sy vaventy mitady handona ny tany, isan’andro. Miaro antsika amin’ireny koa ny atmosfera. May ny ankamaroan’izy ireny rehefa miditra ao amin’ny atmosfera, ka mivadika ho hazavana manjelanjelatra antsoina hoe tainkintana.

Tsy sakanan’ireo ampinga miaro ny tany kosa ny taratra mahasoa, toy ny hafanana sy ny hazavana. Anisan’ny mampiparitaka ny hafanana eran-tany mihitsy aza ny atmosfera, ary toy ny bodofotsy izy io amin’ny alina satria hazoniny tsy hivoaka haingana ny hafanana.

Tena mahavariana ny firafitry ny atmosfera sy ny sahan’andriambin’ny tany. Mbola tsy mazava tanteraka amin’ny olona izany hatramin’izao. Toy izany koa ny lafiny iray hafa mampiavaka ny tany, dia ny habetsahan’ny rano ao aminy.