Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahavariana ny Rano

Mahavariana ny Rano

Mahavariana ny Rano

BETSAKA ny zavatra mbola tsy fantatry ny olona momba ny rano. Sady tsotra izy io no be pitsiny. Ataoma telo monja, izany hoe hidrozenina roa sy oksizenina iray, no ahazoana molekiolan-drano. Mbola tsy tena mazava amin’ny mpahay siansa anefa ny fiasan’io molekiola io. Ny fantatra aloha dia hoe tena ilaina eo amin’ny fiainana ny rano. Rano avokoa mantsy ny 80 isan-jaton’ny tenan’ny zavamananaina. Andeha isika handinika lafin-javatra dimy mampiavaka ny rano.

1. Afaka mitahiry hafanana be ny rano nefa tsy misondrotra be ny mari-panany. Antonony tsara ny hafanana eto an-tany vokatr’izany.

2. Mitombo hadiry ny rano rehefa mivaingana. Lasa mitsinkafona izy ka miaro ny ao ambaniny tsy hangatsiaka loatra. Inona no hitranga raha mavesatra kokoa ny rano rehefa mivaingana? Hanjary hivaingana manomboka any amin’ny fanambaniny ireo farihy sy renirano ary ranomasina, ka ho faty ao anaty gilasy ny zava-drehetra ao aminy!

3. Tena mangarahara ny rano ka tsy maty ireo zavamananaina mila hazavana any amin’ny rano lalina.

4. Mikambana amin’izy samy izy ireo molekiolan-drano, ka lasa mitambatra ny tampon’ny rano. Afaka mandehandeha eo amboniny àry ny bibikely. Izany koa no mahatonga ny rano ho afaka hitete sy ho afaka hiakatra ao anatin’ny vatan’ny zavamaniry, ka ho tonga hatrany amin’ny tendrony mihitsy.

5. Ny rano no ranoka mora mandevon-javatra indrindra. Afaka mitatitra oksizenina, gazy karbonika, mineraly, sira, ary zavatra maro hafa mahavelona izy io.

Manan-kery eo amin’ny toetany

Mandrakotra ny 70 isan-jaton’ny tany ny ranomasina, ka manan-kery lehibe eo amin’ny toetany. Miara-miasa ny ranomasina sy ny atmosfera ka miteraka onja sy rivotra. Mifanakalo hafanana sy rano ary etona koa izy ireo. Ankoatra izany, dia ataon’izy ireo izay hahatonga ny hafanan’ny masoandro eo amin’ny zanapehintany hiely hatrany amin’ny tendrontany. Antonony tsara ny hafanana eto an-tany vokatr’izany. Tsy ho velona mantsy ny ankamaroan’ny zavamananaina raha lasa etona na ranomandry daholo ny rano. Milaza ny boky iray momba ny tany fa “mety tsara” ny hafanana eto an-tany.

Niforona ho azy ve ny tany, sa nisy Mpamorona hendry sy be fitiavana nanao azy? Milaza ny Baiboly fa nisy namorona izy io. (Asan’ny Apostoly 14:15-17) Manamarina izany koa ireo tsingerina mahavariana, izay mahatonga ny tany hadio sy hahasalama foana. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

[Efajoro, pejy 7]

TSY MIFANOHITRA NY SIANSA SY NY BAIBOLY

Mihevaheva eny amin’ny habakabaka ny tany. “Velariny eo amin’ny babangoana ny lanitra avaratra, ary ahantony eo amin’ny tsy misy ny tany.”—Joba 26:7, nambara tamin’ny 1613 Talohan’i Kristy (T.K.) tany ho any.

Boribory ny tany. “Izy Ilay mipetraka any amin’ny avo, any ambonin’ity tany boribory ity.”—Isaia 40:22, nosoratana tamin’ny 732 T.K. tany ho any.

Mitsingerina ny rano. “Mivarina any an-dranomasina ny renirano rehetra ... Any amin’izay niavian’ny renirano ihany no iverenany, ary avy any indray izy no mikoriana.”—Mpitoriteny 1:7, nosoratana talohan’ny 1000 T.K.

Misy lalàna mifehy izao rehetra izao. ‘Nanao lalàna mifehy ny lanitra sy ny tany [i Jehovah].’—Jeremia 33:25, nosoratana talohan’ny 580 T.K.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]

Ampinga tsy hita maso: NASA/Steele Hill; hazavana hafakely: Collection of Dr. Herbert Kroehl, NGDC; haran-dranomasina: Stockbyte/Getty Images