Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Misy Vorona Midona Amin’ny Trano?

Nahoana no Misy Vorona Midona Amin’ny Trano?

Nahoana no Misy Vorona Midona Amin’ny Trano?

ANTOANDRO tamin’izay, nefa nidona tamin’ny trano avo ilay voronkely atao hoe pika, ary latsaka tamin’ny tany. Tsy hitany ny fitaratr’ilay trano. Hitan’ny mpandalo tsara fanahy ilay vorona torana, ka nokarakarainy, satria nantenainy ho velona. Tsy ela ilay vorona dia nisiotsioka indray, nitsangana, nandamindamina ny volony, ary lasa nanidina. *

Mampalahelo fa tsy ny vorona rehetra no velona rehefa avy midona toy izany. Ny antsasany eo ho eo amin’izy ireo no maty. Voalazan’ny Fikambanana Audubon fa any Etazonia fotsiny, dia vorona maherin’ny 100 tapitrisa isan-taona no maty, rehefa avy nidona tamin’ny trano. Milaza ny mpikaroka sasany fa mety ho arivo tapitrisa latsaka kely eo ho eo izany! Nahoana anefa ny vorona no midona amin’ny trano avo? Misy fomba azo iarovana azy ireo ve?

Ny fitaratra sy ny jiro no tena mampidi-doza

Mitera-doza ho an’ny vorona ny fitaratra. Rehefa fitaratra fotsy sy madio daholo mantsy ny rindrin’ny trano avo, dia ny zava-maitso sy ny lanitra any ambadik’ilay trano no hitany. Tsy manampo na inona na inona izy, ka mirimorimo manitsy eo amin’ny fitaratra. Mety hahatazana ny zavamaniry ao an-trano avy eo amin’ny fitaratra koa izy, ka mitady hipetraka amin’ireny.

Mbola misy ny olana, na dia miloko aza ireo fitaratra. Mbola voa ihany ny vorona satria mitaratra izy ireny. Tsy ilay fitaratra amin’izay no hitany fa ny sarin’ny faritra manodidina na ny lanitra any aoriana, izay tazany eo amin’ny fitaratra. Misy vorona matin’ny fitaratra koa any amin’ireo trano sy tilikambo fijerena vorona sy biby hafa! Milaza ny Profesora Daniel Klem, manam-pahaizana momba ny vorona, fa mahafaty vorona betsaka kokoa ny fitaratra, raha oharina amin’ireo zavatra hafa ataon’ny olona, ankoatra ny fanimbana ny fonenan’izy ireo.

Misy karazam-borona tena mora midona amin’ny trano avo. Amin’ny alina, ohatra, no mankany amin’ny toerana tokony halehany ireo voronkely mpifindrafindra monina. Anisan’ny manampy azy hahita lalana ny kintana. Mamitaka azy ireo anefa ny jiro mazava be, eo amin’ireo trano avo. Very lalana àry ny vorona sasany ka mihodikondina fotsiny, mandra-pianjerany noho ny harerahana. Mety hahitan-doza koa ny orana sy ny lanitra feno rahona amin’ny alina. Manidina ambany ny vorona amin’izay, ka atahorana kokoa hidona amin’ny trano avo.

Ny vokatr’izany eo amin’ny vorona

Isaky ny mifindra monina ny vorona, hoy ny tatitra iray, dia 1 480 eo ho eo no matin’ny trano avo iray any Chicago, Etazonia. Nahafaty vorona 20 700 teo ho eo àry ilay trano, nandritra ny 14 taona nisesy. Azo antoka fa be lavitra noho izany ny vorona nidona tamin’ilay trano. “Tsy voromailala, na varevaka, na gisadia” anefa ireo vorona midona ireo, fa “vorona efa ho lany tamingana”, hoy i Michael Mesure, mpitantana ny fikambanana iray any Toronto, Kanada. Miezaka mampahafantatra ny loza avy amin’ireo jiron’ny trano avo io fikambanana io.

Vao tsy ela izay tany Aostralia, dia boloky haingam-pandeha 30 eo ho eo no matin’ny fitaratra, nefa 2 000 sisa izy ireo. Any Etazonia indray, dia maro ny karazana fitatra heverina ho lany tamingana, izay azo jerena ao amin’ireo tranombakoka. Nidona teo amin’ny tilikambo fanilon-tsambo iray any Floride izy ireny, ka teo no noraofina.

Saika maratra na lasa kely aina avokoa ireo vorona midona amin’ny trano nefa tsy maty. Ho an’ny vorona mpifindra monina indrindra izany no tena mampidi-doza. Raha maratra izy ireo ary midina eo amin’ny toerana misy trano be dia be, dia mety ho fatin’ny hanoanana na hotafihin’ny biby hafa. Efa fantatry ny biby sasany io zava-mitranga tsindraindray io, ka hararaotiny satria ahazoany sakafo.

Misy azo atao ve mba hisorohana izany?

Mba tsy hanitsian’ny vorona any amin’ny fitaratra, dia tokony ho fantany hoe zavatra mivaingana ilay izy. Voamarika fa misy vorona midona foana eo amin’ny varavarankely sasany. Misy tompon-trano àry mametaka sary na taratasy na zavatra hafa mora tazana, eo amin’ny lafiny ivelany amin’ireny varavarankely ireny. Nilaza i Klem fa tsy ny sary na ny taratasy apetaka no zava-dehibe, fa ny elanelan’izy ireo. Hitany fa tsy tokony hihoatra ny dimy santimetatra ny elanelan’izy ireo eo amin’ny lafiny mitsivalana, ary tsy hihoatra ny folo santimetatra eo amin’ny lafiny mitsangana.

Ahoana no anampiana an’ireo vorona mpifindra monina amin’ny alina? Hoy i Lesley Evans, mpanolo-tsaina amin’ny fikarohana momba ny tontolo iainana: ‘Mety tsy hidona amin’ny trano ireo vorona, amin’ny alina, raha vonoina ny jiro.’ Atao manjavozavo izao ny jiro fandravahana trano avo, any amin’ny tanàna sasany. Vonoina mandritra ny ora vitsivitsy mihitsy aza izany, indrindra rehefa mifindra monina ny vorona. Asiana harato koa indraindray eo amin’ny varavarankelin’ireo trano avo, mba tsy hamitaka an’ireo vorona ny sarin’ny lanitra eo amin’ny fitaratra.

Mety ho 20 isan-jato sisa ny isan’ny vorona maty, raha raisina ireo fepetra ireo, ka vorona an-tapitrisany isan-taona no ho avotra. Hisy foana anefa ny olana, satria tia jiro sy fitaratra ny olona. Tokony hihevitra kokoa izay ilain’ny zavaboary àry ny mpanao mari-trano sy ny mpanorina trano. Mandresy lahatra azy ireo hanao izany izao ny fikambanana mpiahy ny vorona, toy ny Fikambanana Audubon.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Mety hampidi-doza ny mandray vorona maratra, satria tsy fantany hoe te hanampy azy ianao. Mamindra aretina koa ny vorona sasany. Manaova àry gan-tanana raha te hanampy vorona maratra ianao. Sasao koa ny tananao avy eo. Aza manakaiky an’ilay vorona anefa, raha tsy te harary ianao, na tsy te hahita loza. Azonao antsoina ny dokoteram-biby, raha ilaina.

[Efajoro, pejy 10]

FA NANKAIZA DAHOLO NY VORONA?

Tombantombana momba ny isan’ny vorona maty isan-taona any Etazonia, noho ny ataon’ny olombelona:

◼ Trano avo be ampiasaina amin’ny fifandraisan-davitra: 40 tapitrisa

◼ Fanafody famonoana bibikely: 74 tapitrisa

◼ Saka ompiana sy sakadia: 365 tapitrisa

◼ Fitaratry ny varavarankely: 100 tapitrisa ka hatramin’ny 1 000 tapitrisa

◼ Fanimbana ny fonenany: tsy fantatra mazava. Io anefa no tena mahafaty ny vorona

[Sary, pejy 10]

Any Etazonia, dia vorona maherin’ny 100 tapitrisa isan-taona no maty, rehefa avy nidona tamin’ny fitaratra

[Sary nahazoan-dalana]

© Reimar Gaertner/age fotostock