Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Voalahatra ve ny Hoavinao?

Efa Voalahatra ve ny Hoavinao?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Efa Voalahatra ve ny Hoavinao?

Maro no mino izany. Mihevitra izy ireo fa efa voasoratr’Andriamanitra daholo izay zavatra hitranga eo amin’ny fiainantsika, manomboka any am-bohoka mandra-pahafaty. Hoy izy ireo: ‘Ka tsy Andriamanitra ve no mahery indrindra sy mahalala ny zava-drehetra e! Tsy maintsy ho fantany amin’ny an-tsipiriany ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavy.’

AHOANA no hevitrao? Mandahatra ny fiainantsika sy izay tsy maintsy hiafarantsika ve Andriamanitra? Tena manan-tsafidy marina ve isika sa sarintsariny fotsiny izany? Inona no lazain’ny Baiboly?

Mifidy izay hofantariny mialoha Andriamanitra

Asehon’ny Baiboly tsara fa mahalala mialoha ny hoavy Andriamanitra. Fantany “hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany”, araka ny Isaia 46:10. Nampiasa olona hanoratra faminaniana maro mihitsy aza izy. (2 Petera 1:21) Tanteraka amin’ny an-tsipiriany foana ireny faminaniana ireny, satria tena mahery Andriamanitra sady hendry. Afaka mamantatra sy mandahatra mialoha izay hiseho àry Andriamanitra raha te hanao izany. Mandahatra ny fiainan’ny olona tsirairay ve anefa izy na ny isan’izay ho voavonjy? Tsy milaza izany ny Baiboly.

Asehon’ny Baiboly fa mifidy ny zavatra tiany halahatra mialoha Andriamanitra. Voalaza ao, ohatra, fa hisy “vahoaka be” na olo-marina maro ho tafavoaka velona amin’ny fandringanana ny ratsy fanahy, amin’ny faran’ny rafitr’ity tontolo ity. (Apokalypsy 7:9, 14) Mariho anefa fa tsy nofaritan’Andriamanitra ny isan’io vahoaka be io. Nahoana? Satria tsy mandahatra ny fiainan’ny tsirairay izy. Toy ny raim-pianakaviana manan-janaka maro Andriamanitra. Fantany fa hisy hamaly fitia azy ny zanany, nefa tsy faritany mialoha hoe firy.

Inona no mampitovy ny fampiasan’Andriamanitra ny heriny sy ny fandaharany ny hoavy? Izy aloha no Mahery Indrindra. (Salamo 91:1; Isaia 40:26, 28) Manampatra ny heriny amin’ny zava-drehetra ve anefa izy? Tsia. Nifehy tena tsy hampiasa ny heriny tamin’i Babylona fahavalon’ny Israely fahiny, ohatra, izy mandra-pahatongan’ny fotoana nety. Hoy izy: ‘Nifehy tena foana aho.’ (Isaia 42:14) Toy izany koa fa mifehy tena tsy hamantatra na handahatra mialoha ny zavatra sasany i Jehovah, mba hanajany ny safidy malalaka nomeny antsika.

Tsy hoe lasa misy tsininy akory Andriamanitra satria mifehy ny heriny. Vao mainka aza izany manasongadina ny fahalehibeazany sady mahatonga antsika ho tia azy kokoa. Mpanjaka mahalala ny zava-drehetra izy sady mahery, nefa be fitiavana sy manaja ny safidy malalaka ananan’ny zavaboariny manan-tsaina.

Raha toa koa izy ka efa nandahatra mialoha ny zava-drehetra, anisan’izany ny loza mahatsiravina sy ny zava-dratsy nitranga hatramin’izay, dia rariny isika raha hanome tsiny azy amin’ny fahoriana sy ny fijaliana eran-tany. Tsy izany anefa no izy. Manala baraka an’Andriamanitra àry ny fampianarana momba ny lahatra fa tsy manome voninahitra azy. Toy ny hoe lozabe sy tsy tia rariny ary tsy manam-pitiavana izy, nefa tsy izany mihitsy no lazain’ny Baiboly.—Deoteronomia 32:4.

Anao ny safidy

Nasain’Andriamanitra nilaza tamin’ny firenen’ny Israely i Mosesy mpanompony hoe: “Efa nataoko teo anatrehanareo tokoa ny fiainana sy ny fahafatesana ... Koa mifidiana ny fiainana ... ka tiavo i Jehovah Andriamanitrao, henoy ny feony, ary mifikira aminy. Fa izy no manome anao fiainana sy andro maro.” (Deoteronomia 30:19, 20) Tsy hisy dikany ireo teny ireo sady toy ny fihatsarambelatsihy tamin’ny Israelita fotsiny, raha efa nandahatra mialoha izay hataon’ny tsirairay amin’izy ireo Andriamanitra. Heverinao ve fa hanao izany ilay Andriamanitra fitiavana sady “tia rariny”?—Salamo 37:28; 1 Jaona 4:8.

Vao mainka mihatra amintsika ankehitriny ilay fanasan’Andriamanitra ny mpanompony hifidy ny fiainana. Hita avy amin’ireo faminaniana tanteraka mantsy fa efa tena akaiky ny faran’ny rafitr’ity tontolo ity. (Matio 24:3-9; 2 Timoty 3:1-5) Ahoana no hifidianantsika ny fiainana? Toy izay notakina tamin’ny Israelita fahiny ihany no takina amintsika.

Ahoana no ‘hifidiananao ny fiainana’?

Manao izany isika raha ‘tia an’i Jehovah’ sy ‘mihaino ny feony’ ary ‘mifikitra aminy.’ Mazava ho azy fa tsy ho vitantsika izany raha tsy mahafantatra azy tsara sy mahalala izay takiny amintsika isika. Nivavaka toy izao i Jesosy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.

Ao amin’ny Baiboly Masina na Tenin’Andriamanitra no ahitantsika an’io fahalalana sarobidy io. (Jaona 17:17; 2 Timoty 3:16) Io fanomezana avy amin’Andriamanitra io no porofo tsy azo lavina fa tsy mandahatra mialoha ny hoavintsika izy. Tiany kosa isika raha manapa-kevitra mifanaraka amin’ny fanazavana omeny.—Isaia 48:17, 18.

Toy ny milaza amintsika Andriamanitra ao amin’ny Baiboly hoe: ‘Izao no fikasako ho an’ny tany sy ny olombelona, ary izao no tokony hataonareo mba hahazoana fiainana mandrakizay. Anjaranareo ny misafidy na hihaino ahy na tsia.’ Hainy tokoa ny mampifandanja ny fahaizany mandahatra ny hoavy sy ny fanajany ny safidy malalaka ananantsika! Hifidy ny fiainana ve ianao ka ‘hihaino ny feon’Andriamanitra ary hifikitra aminy’?

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Mamantatra mialoha ny zava-drehetra ve Andriamanitra?—Deoteronomia 30:19, 20; Isaia 46:10.

◼ Nahoana Andriamanitra no tsy mandahatra ny zava-drehetra, anisan’izany ny loza?—Deoteronomia 32:4.

◼ Miankina amin’ny inona ny hoavintsika?—Jaona 17:3.

[Teny notsongaina, pejy 13]

Asehon’ny Baiboly fa mifidy ny zavatra tiany halahatra mialoha Andriamanitra