Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Planeta Marsa

Ny Planeta Marsa

Ny Planeta Marsa

NANATONA akaiky kokoa ny tany ny planeta Marsa tamin’ny Aogositra 2003, ka 56 tapitrisa kilaometatra ny elanelany. Io no akaiky indrindra tao anatin’ny 60 000 taona teo ho eo, ka faly erỳ ireo tia mijery ny any ambony tsy taka-maso any.

Efa maromaro ny sambon-danitra nalefa teny, teo am-piandohan’ny taona 2004. Samy nandinika an’ilay planeta izy ireo, ka ny sasany nankeny mihitsy fa ny sasany kosa nihodidina azy fotsiny. Inona no hita tamin’izany?

Fandinihana an’ilay planeta mena

Anisan’ny sambon-danitra nihodidina an’i Marsa, izay atao koa hoe planeta mena, ny Mars Global Surveyor, tamin’ny Martsa 1997. Voamarika tamin’ny fandinihana nataony fa manana sahan’andriamby io planeta io, ary tena mafy ny herin’izany taloha. Namoaka sarin’ny bikabikan’ilay planeta koa ilay sambon-danitra. Hita eo amin’izy io, ohatra, fa 29 kilaometatra mahery ny elanelan’ny toerana iva indrindra sy avo indrindra eo aminy, raha 19 kilaometatra mahery kely fotsiny ny eto an-tany. *

Ny faritra lemak’i Hellas no toerana iva indrindra eny amin’i Marsa. Toa planeta kely iray nidona tamin’i Marsa no nampisy an’io faritra midadasika io. Ny toerana avo indrindra kosa dia ny tendron’ilay volkano goavana atao hoe Olympus Mons, izay mahatratra 21 kilaometatra. Nasehon’ny fakan-tsary nentin’i Surveyor, fa misy vato boribory izay angamba mirefy 18 metatra mahery eny amin’i Marsa. Nasehon’izy io koa fa misy dongom-pasika lehibe mifindrafindra toerana sy hantsana kely vao niforona eny. Nisy fitaovana hafa koa namantarana fa avy amin’ny volkano ny ankamaroan’ny vato.

Tapaka ny fifandraisana tamin’ilay sambon-danitra Surveyor tamin’ny Novambra 2006. Mbola nisy telo hafa anefa nandinika an’ilay planeta mena, dia ny sambon-danitra Mars Odyssey 2001 sy Mars Express ary Mars Reconnaissance. * Matanjaka kokoa ny fakan-tsary sy ny fitaovana famantaran-javatra nentin’izy ireo, ka hita hoe manao ahoana ny manodidina an’i Marsa sy ny rivotra eny. Hita koa fa hay feno ranomandry ny tendrony avaratra, ary natao sary mihitsy aza izy io.

Io ranomandry io no tena nodinihin’ny sambon-danitra Phoenix Mars, izay tafapetraka soa aman-tsara teny amin’ilay planeta mena, tamin’ny 25 Mey 2008. Manana fitaovana tena arifomba izy io, mba hijerena izay ao amin’ny rivotra eny amin’i Marsa sy ny tany mivaingan’ny hatsiaka, eny amin’ny tendrony. Te hamantatra mantsy ny mpahay siansa raha efa nisy zavamiaina teo amin’ilay tany mivaingana. Efa talohan’izany anefa no nisy nijery raha ahitana zavamiaina eny amin’i Marsa, na fara faharatsiny, raha azo iainana eny.

Milina roa ampiasaina eny

Nisy karazana milina roa tonga teny amin’i Marsa tamin’ny Janoary 2004. Spirit sy Opportunity no anarany. Natao nifanaraka tamin’ny fanazavana azo tamin’ny fitsidihana an’i Marsa teo aloha ny toerana nipetrahan’izy ireo. Nanampy an’ireo milina ireo hidina tsimoramora ny elonaina, sy fitaovana miaro amin’ny hafanana, ary balafomanga. Rehefa tena hipetraka izy, dia nanabontsina kitapon-drivotra mba hifonosany. Nitontona kely sy nievotrevotra izy avy eo. Izany rehetra izany koa no nataon’ilay sambon-danitra kely kokoa atao hoe Mars Pathfinder, tamin’ny 1997. *

Mitovitovy habe amin’ny faritra maina rehetra eto an-tany ny haben’i Marsa, ka malalaka tsara hivezivezen’ireo milina nalefa teny. Teo amin’ny lembalemban’i Meridiani Planum no nandefasana an’i Opportunity. Feno sosona vato misy hematita, na mineraly be vy, io faritra io. Teo amin’ny andaniny iray hafa amin’i Marsa kosa no nipetrahan’i Spirit, mba hijery ny fanambanin’ilay vava volkano goavana atao hoe Gusev. Mihevitra ny mpikaroka sasany fa nety ho nisy farihy teo taloha. Nilaza koa ny NASA fa nalefa teny amin’i Marsa ireo milina ireo, “mba handinika ny mombamomba ny faritra sasany, izay nety ho nisy rano na azo niainana.”

Voadinika tsara ny nofon-tany

Tody teny amin’i Marsa i Spirit ny 4 Janoary 2004. Toerana ngazana sy rakotra vatovato ary feno lavaka kely boribory no nipetrahany tamin’izay. Nandinika an’ireo karazana tany sy vato samy hafa ary toetoetry ny tany ilay milina, toy ireny olona mpandinika nofon-tany ireny mihitsy. Hitan’ireo mpahay siansa nibaiko azy io fa feno vato avy amin’ny volkano sy lavaka vokatry ny fianjeran’ny tainkintana, teo amin’ny manodidina an’ilay toerana nipetrahany. Nifindra tany amin’ny roa kilaometatra sy sasany teo ho eo ilay milina avy eo, mba handinika havoana maromaro. Nisy vato manana endrika tsy mahazatra hitany teo, ary koa sosona vato malemy izay mety ho avy amin’ny volkano.

Ahoana kosa ny amin’i Opportunity? Tody teny amin’i Marsa koa izy io tamin’ny 25 Janoary 2004, rehefa nahavita 456 tapitrisa kilaometatra. Tsy teo amin’ny nikendrena azy izy no nipetraka, fa 25 kilaometatra niala teo. Nitontona kely sy nievotrevotra teo amin’i Meridiani io milina nifono kitapon-drivotra io, ary nikodiadia nankao anatin’ny vava volkano kely iray. Nahavariana fa tonga dia antonona tsara tao ilay izy!

Nandinika vava volkano maromaro feno sosona vato misy hematita io milina io. Nomena anarana hoe voaroimanga ireny hematita kely boribory ireny. Tsy tena manga izy ireo fa mivolondavenona, ka miavaka tsara amin’ireo tany sy vato mena manodidina azy. Toy ny onja madinika mivalombalona no fahitana ny sosona vato sasany, na toy ny fasika any amin’ny fanambanin’ny rano mandeha. Misy mpahay siansa milaza fa nisy rano masira tany taloha, matoa manana an’io endrika mivalombalona io ireo vato, sady misy klaoro sy braomira.

Rehefa nalefa teny i Phoenix Mars, dia nitombo indray ny zavatra fantatsika momba an’io planeta io, indrindra fa ilay toerana rakotra ranomandry. Misy hoatran’ny tanana amin’ilay sambon-danitra. Nangady tany sy naka ranomandry izy io, ary nampiditra an’ireo tao amin’ilay sambon-danitra mba hijerena izay ao anatiny. Tsy natao haharitra ela teny amin’i Marsa anefa i Phoenix. Volana vitsivitsy aorian’ny hahavitany ny asany mantsy, dia ho tonga ny ririnina ka ho “rakotra oksidana karbonina miendrika lanezy” izy, hoy ny gazetiboky Siansa (anglisy).

Vitan’ny mpahay siansa àry ny mandinika planeta any amin’ny an-jatony tapitrisa kilaometatra lavitra antsika any. Porofoin’izany fa tena mahavita zavatra ny olona, rehefa mifarimbona hanatratra tanjona iray. Miharihary amin’izany koa fa mahay ny olombelona. Iaraha-manaiky anefa fa matoa azo atao ny mandinika ny any ambony tsy taka-maso any, eny, matoa misy ny siansa, dia satria tsy miovaova ireo lalàna mifehy an’izao rehetra izao, fa azo ianteherana tanteraka. Tsy tongatonga ho azy ireny lalàna ireny, fa nataon’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona an’izao rehetra izao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Ny fanambanin’ilay lavaka ao anatin’ny Oseana Pasifika, any akaikin’ny Nosy Mariannes, no faritra iva indrindra eto an-tany. Ny tendron’ny Tendrombohitra Everest, any Azia, kosa no avo indrindra. Ny elanelan’ireo no manome 19 kilaometatra.

^ Ny sampan-draharaha amerikanina NASA no nandefa ny Mars Odyssey 2001 sy ny Mars Reconnaissance, fa ny sampan-draharaha eoropeanina kosa no nandefa ny Mars Express.

^ Jereo ilay lahatsoratra ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 22 Jona 1998, pejy 26-27.

[Efajoro/Sary, pejy 16]

MISY ZAVAMIAINA VE ENY AMIN’I MARSA?

Nihevitra i William Herschel sy Percival Lowell, manam-pahaizana tany amin’ny taona 1700 sy 1800, fa nisy zavamiaina manan-tsaina maro be teny amin’ny planeta mena. Toa nanamarina izany ny fampianaran’i Darwin momba ny evolisiona. Voaporofo anefa tatỳ aoriana fa diso daholo izany. Nodinihina tamin’ny alalan’ny zanabolana ilay planeta, ka hita fa tsy misy afa-tsy toerana ngazana eny. Kely koa ny rivotra manodidina azy, ary oksidana karbonina no tena betsaka ao aminy. Nalefa teny koa ilay sambon-danitra Viking 1 tamin’ny 1976, ary hita fa tsy misy zavamiaina eny amin’i Marsa. *

Mikaroka foana anefa ny mpahay siansa, sao mahita zavatra amantarana raha misy zavamiaina eny. Ny Phoenix Mars izao no farany nalefan’izy ireo teny. Mihevitra izy ireo fa mety hisy zavamiaina toy ny mikraoba eny, satria misy mikraoba velona any amin’ny toerana sarotra iainana eto an-tany. Nalefa teny niaraka tamin’ny sambon-danitra Mars Express ilay hoe Beagle 2 tamin’ny 2003, mba hijerena raha misy zavatra avy amin’ny zavamiaina ny nofon-tany eny. Tsy tafapetraka teny anefa i Beagle 2. Hita hoe misy gazy metanina ny rivotra manodidina an’i Marsa, ny taona nanaraka. Raikitra àry ny adihevitra hoe avy amin’ny zavamiaina ve ilay izy, sa avy amin’ny volkano.

Mety ho tongatonga ho azy ve anefa ny zavamiaina? Milaza ny Baiboly fa “[Andriamanitra] no loharanon’aina.” (Salamo 36:9) Tsy maintsy manana aina vao afaka mamorona zavamiaina. Tsy iza izany Mpanome aina izany fa i Jehovah Andriamanitra Mpamorona.—Asan’ny Apostoly 17:25.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Jereo ilay lahatsoratra ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 22 Novambra 1999, pejy 14-17.

[Sary nahazoan-dalana]

NASA/JPL/Cornell

[Sary, pejy 15]

Ny tanan’i Phoenix Mars: Misy fakan-tsary, ary fitaovana fangadiana sy fitiliana

[Sary, pejy 15]

“Voaroimanga” (nolokoana mba ho hita tsara)

[Sary, pejy 15]

Olympus Mons, volkano maty, 21 kilaometatra ny haavony

[Sary, pejy 15]

Nandavaka sy nikiky an’io vato io i Spirit

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Ambony havia: NASA/JPL-Caltech/University of Arizona/Texas A&M University; ambony havanana: NASA/JPL/Malin Space Science Systems; ambany havia sy havanana: NASA/JPL/Cornell