Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Nisy ekipana manam-pahaizana nahita vahindanitra maromaro mifampitohy, rehefa nampiasa teleskaopy Subaru sy Keck, teny amin’ny tendrombohitra Mauna Kea [Hawaii]. Mahatratra 1 892 tapitrisa tapitrisa tapitrisa kilaometatra ireo vahindanitra mifampitohy ireo.” Izany no lehibe indrindra fantatra hatramin’izao.—SUBARU TELESCOPE WEB SITE, JAPON.

Milaza ny Birao Momba ny Antontan’isa any Royaume-Uni fa “tamin’ny 2006 no vitsy indrindra ny fampakaram-bady, tato anatin’ny 110 taona farany”, tany Angletera sy Pays de Galles. “Mihamaro no tia manao tokantranomaso.”—THE GUARDIAN WEEKLY, GRANDE-BRETAGNE.

Manao tatitra ny fikambanana iray misahana ny fivavahana sy ny fiainam-bahoaka, fa “efa ho ny antsasaky ny olon-dehibe no niova fivavahana, na tsy mpivavaka mihitsy nefa lasa nanaraka fivavahana iray, na nanapaka tanteraka ny fifandraisany tamin’ny fivavahana.”—ETAZONIA.

Ny Mpianatry ny Oniversite sy ny Fanaovana Firaisana

“Ny oniversite protestanta vitsivitsy ihany no hafa ..., fa ny oniversitem-panjakana sy tsy miankina ary katolika dia mitovitovy, satria samy ahitana mpianatra manaram-po manao firaisana amin’olona samy hafa.” Izany no nolazain’i Donna Freitas, teolojianina katolika sady mpampianatra mpanampy, rehefa avy nanao fikarohana momba ny fivavahana sy ny fitondran-tenan’ny mpianatry ny oniversite any Etazonia izy. Nilaza i Freitas, araka ny National Catholic Reporter, fa tsy vitan’ny fivavahana ny manova ny fitondran-tenan’ny olona. Hita amin’izany, hoy izy, fa “mahery be ny toe-tsaina tia manaram-po manao firaisana amin’olona samy hafa, eny amin’ny oniversite.” Miharihary amin’izany koa fa “tsy manan-kery hanoherana izany ny fampianaran’ny fivavahana.”

Tambazana Vola Izay Manaiky Hitaiza Zanakavavy

Milaza ny Vaovaon’ny BBC fa manolotra vola dimy tapitrisa ariary eo ho eo ho an’ny ray aman-dreny mahantra ny fitondrana any Inde, mba hitaizan’izy ireo zanakavavy. Tonga dia mandray vola izy ireo raha vao tera-bavy, ary mahazo vola tsy tapaka koa mandra-pahafenon’izy io 18 taona. Fanao mbola manjaka any ny fanalan-jaza raha vao fantatra hoe vavikely ilay izy. Efa noraran’ny lalàna anefa izany tamin’ny 1994. Tombanana ho folo tapitrisa eo ho eo ny fanalan-jaza izay fantatra fa vavikely, tato anatin’ny 20 taona farany. Lasa tsy mifanahantsahana ny isan’ny ankizilahy sy vavy, any amin’ny faritra sasany. Nojerena ny isan’ny ankizy latsaka ny enin-taona tany Inde, tamin’ny 2001, ka hita fa nisy zazavavy 927 isaky ny zazalahy 1 000. Mbola mitombo anefa ny elanelana. Tao amin’ny fanjakana iray aza, dia vavikely 793 no teraka isaky ny lahikely 1 000.

Fihetsiky ny Vorona Rehefa Misy Tabataba

Manezaka be ny vorona sasany mba ho re ny feony, satria be tabataba any an-tanàn-dehibe. Tsy vitan’ny hoe mety hanorisory ny olona izany tabataba izany, hoy ny New Scientist, fa tena mahakasika ny fahaveloman’ny vorona koa. Mihira mantsy, hono, ny vorona lahy mba “hanintonana ny vavy sy hamaritana ny faritaniny.” Mafy kokoa anefa ny tabataba any an-tanàn-dehibe ka mba handrenesana ny feony, dia amin’ny alina ny vorona sasany vao mihira, na voatery mihira mafy kokoa izy, na ataony maranitra ny feony. Tsy ny any an-tanàn-dehibe ihany no manao toy izany, hoy ilay gazetiboky. “Mihira mafy kokoa [ny vorona any] amoron’ny riandrano sy ny renirano.”