Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao!

Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao!

Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao!

“Mampivoatra fiainana ny fitadidiana. Tsy hisy zavatra hitohy ao an-tsaintsika, raha tsy eo izy io. Tsy ho fantatsika koa ny tenantsika rehefa mijery fitaratra isika isa-maraina. Tsy hisy ifandraisany ny andro sy ny zava-mitranga tsirairay, ary tsy ho afaka haka lesona avy amin’ny lasa na haminavina ny hoavy isika.”—“ZAVA-MIAFIN’NY SAINA.”

MISY vorona mahatadidy ny toerana nampirimany ny sakafony, na dia volana maro atỳ aoriana aza. Misy biby hafa mahatadidy izay toerana nandevenany ny sakafony. Nahoana izy ireny no toy izany, nefa isika mety tsy hahatsiaro izay nametrahantsika ny lakile vao noraisintsika? Maro amintsika tokoa no mitaraina hoe maty arika. Mahavita mianatra sy mitadidy zavatra be dia be anefa ny atidohantsika, na dia tsy lavorary aza. Mila ampiasaintsika tsara fotsiny izy io.

Mahatadidy zavatra betsaka

Milanja iray kilao sy sasany eo ho eo monja ny atidohan’ny olona, ary mitovitovy habe amin’ny pamplemosy, nefa misy selan-kozatra 100 000 tapitrisa eo ho eo. Misy sampantsampany faran’izay betsaka ireo sela ireo, ary mety hifandray amin’ny selan-kozatra 100 000 mihitsy aza ny iray. Izany no ahafahan’ny atidoha mandray sy mitahiry zavatra maro be. Ny itadidiana izany amin’ny fotoana ilana azy no olana. Misy olona mahavita tsara izany anefa, na dia maro aminy aza no zara raha nianatra, na tsy nianatra mihitsy.

Anisan’izany ireo mpitantara lovantsofina any Afrika Andrefana. Tsy mahay mamaky teny sy manoratra izy ireny, nefa mahavita mitanisa ny anaran’ireo taranaka nifandimby tao an-tanànany. Izy ireny no nanampy an’ilay mpanoratra amerikanina atao hoe Alex Haley mba hanadihady momba ny razambeny tany Gambia, dia ireo raibeny dimy nifanesy. Nanoratra ilay boky hoe Fototra (anglisy) izay nahazo ny Loka Pulitzer i Haley. Hoy izy: “Tena mankasitraka ny fanampian’ireo mpitantara lovantsofina tany Afrika aho. Marina ny voalazan’ny olona any hoe raha misy maty ny iray amin’izy ireny, dia toy ny hoe fitehirizam-boky iray manontolo no may kila.”

Eritrereto koa i Arturo Toscanini, ilay Italianina malaza mpitarika orkesitra. Nantsoina ho mpisolo toerana fotsiny izy tamin’izy 19 taona, ka teo no nahitana fa manan-talenta izy. Pahina ny masony, nefa nahavita nitarika tantara an-kira manontolo tsy an-kijery naoty izy!

Mety hahatalanjona antsika izany. Afaka mitadidy zavatra betsaka tsy araka ny eritreretintsika koa anefa ny ankamaroantsika, raha ny marina. Te hanatsara ny fitadidianao ve ianao?

Hatsarao ny fitadidianao

Dingana telo no ataon’ny atidoha rehefa mitadidy: mandray sy mitahiry ary mamoaka. Fantany rehefa misy zavatra ampidirina ao, ka raisiny. Azony tehirizina amin’izay iny, mba havoakany any aoriana. Manadinodino ny olona, rehefa tsy mandeha tsara ny iray amin’ireo dingana ireo.

Isan-karazany ny fitadidiana. Anisan’izany ny fitadidiana avy amin’ny vavahadin-tsaina, ny fitadidiana vetivety, ary ny fitadidiana maharitra. Ilay voalohany dia avy amin’ny fanairan’ny vavahadin-tsaina toy ny fandrenesana fofona, fahitana ary fikasihana. Ilay faharoa kosa no ahafahana mitadidy fanazavana fohy mandritra ny fotoana fohy. Izy io, ohatra, no ahafahantsika manao kajy ao an-tsaina, mitadidy sady miantso nomeraon-telefaonina lava, ary mitadidy ny tapany voalohany amin’ny fehezanteny sady efa mamaky na mihaino ny tapany faharoa. Misy fetrany ihany anefa ny fitadidiana vetivety.

Ny fitadidiana maharitra no tsy maintsy ampiasainao, raha misy zavatra tianao hotsaroana foana. Ahoana no atao amin’izany? Hanampy anao ireto toro lalana ireto:

Miezaha ho liana amin’ilay zavatra tianao hotadidina, ary tsarovy ny antony hianaranao azy io. Voamarikao angamba fa mora tadidinao ny zavatra iray tianao amin’ny fonao. Tena manampy an’izay mianatra Baiboly izany. Raha ny ho lasa akaiky kokoa an’Andriamanitra sy hampianatra olona momba azy mantsy no tanjony, dia ho mora aminy ny mitadidy izay vakiny ao amin’ny Baiboly.—Ohabolana 7:3; 2 Timoty 3:16.

Miezaha hifantoka. “Matoa ‘be fanadinoana’ ny olona, dia matetika noho izy tsy mifantoka”, hoy ny boky Zava-miafin’ny Saina (anglisy). Inona àry no hanampy anao hifantoka? Miezaha ho liana amin’izay tianao hotadidina ary soraty ilay izy, raha azo atao. Rehefa mandray an-tsoratra ny olona, dia mifantoka kokoa ny sainy, sady afaka mijery an’ilay fanazavana indray izy any aoriana.

Ataovy azo tsara ilay izy. Tsy ho tadidinao tsara mantsy, na tsy ho tadidinao mihitsy, ny fampianarana na hevitra iray tsy azonao. Rehefa azonao tsara kosa izy io, dia mihamazava ny fifandraisan’ireo tapany samy hafa aminy, ka hainao ny manambatra azy ho zavatra iray mirindra tsara. Hahatadidy tsara ny tsipiriany momba ny maotera, ohatra, ny mpianatra mekanika, raha azony tsara ny fomba fiasan’ilay izy.

Alamino ilay izy. Sokajio ny hevitra mitovitovy na mifandray. Mora tadidina kokoa, ohatra, izay hovidina any an-tsena, raha atao sokajy iray ny hena rehetra, ny legioma rehetra, ny voankazo rehetra, sy ny sisa. Azo zarazaraina koa izay zavatra tokony hotadidina, nefa tsy atao mihoatra ny dimy na fito. Matetika ny nomeraon-telefaonina no mizara ho telo na efatra mba ho mora tadidy. Mety hanampy koa ny mandahatra ny zavatra hotadidina, angamba atao manaraka ny abidy.

Averimbereno amin’ny feo avo izay zavatra tianao hotadidina (teny iray na maromaro amin’ny fiteny vahiny, ohatra). Hihamatanjaka ireo fifandraisan’ny selan-kozatra amin’izay. Ahoana izany? Manery ny sainao hifantoka amin’ilay teny mantsy ny fanononana azy. Mety hanao fanamarihana avy hatrany koa ilay mampianatra anao. Ary farany, mampiasa faritra hafa amin’ny atidohanao ianao rehefa mihaino anao miteny.

Alaivo sary an-tsaina ny zavatra tianao hotadidina. Mety hanampy koa ny manao sarisary. Mampiasa faritra hafa amin’ny atidohanao ianao rehefa maka sary an-tsaina, toy ny rehefa mamerimberina amin’ny feo avo. Miraikitra kokoa ao an-tsainao ny zavatra iray, raha tsy vavahadin-tsaina iray ihany no miasa fa maromaro.

Ampifandraiso amin-javatra efa fantatrao ny zavatra vaovao ianaranao. Mora kokoa amin’ny atidoha ny mandray zavatra vaovao sy ny mamoaka izany, raha ampifandraisina amin-javatra efa voatahiry ao izany. Ilay fampifandraisana mantsy no manampy ny atidoha. Raha tianao ho tadidy, ohatra, ny anaran’ny olona iray, dia ampifandraiso amin’izay zavatra mampiavaka azy ilay izy, na amin-javatra hafa hampahatsiahy anao an’ilay anarana. Mora tadidy kokoa ilay izy, raha zavatra mampihomehy na hafahafa no ampifandraisinao aminy. Raha fintinina, dia mila mieritreritra an’ilay olona na zavatra tiantsika hotadidina isika.

Hoy ilay boky hoe Miezaka Mitadidy (anglisy): “Zara raha mahatadidy izay toerana efa nalehantsika sy izay nataontsika isika, raha avelantsika handeha ho azy eny fotsiny ny fiainantsika fa tsy mieritreritra momba ny manodidina antsika sy ny zava-mitranga amintsika isika.”

Alenteho tsara ao an-tsaina ilay zavatra tiana hotadidina. Mila fotoana izany. Fomba tsara indrindra hanaovana izany ny famerenana an’izay nianaranao. Horesahinao amin’olon-kafa angamba ilay izy. Tantarao amin’ny hafa àry izay zavatra mahaliana hitanao, na zavatra mampahery novakinao tao amin’ny Baiboly na boky ara-baiboly. Handray soa ianao sy ilay nihaino: Hahatadidy kokoa an’ilay izy ianao, ary ilay nihaino kosa hahatsiaro ho nampaherezina. Tsy mahagaga raha lazaina hoe fomba tsara hanampy antsika hitadidy ny famerimberenana.

Teknika hafa

Nahavita nanao lahateny lava tsy an-kijery soratra ny mpandahateny tany Gresy sy Roma fahiny. Ahoana no nataony? Nampiasa teknika manampy hitadidy izy ireo. Fomba ahafahana mitahiry fanazavana ao amin’ny fitadidiana maharitra izy io, sady ahafahana mahatsiaro izany rehefa ilaina.

Anisan’ny endriny hafa amin’io teknika io ny mitadidy toerana. Ny mpandahateny grika fahiny no nampiasa izany. Ilay poety grika atao hoe Simonide avy any amin’ny Nosy Kea no voalohany nanazava azy io, tamin’ny 477 T.K. Samy ampiasaina amin’izy io ny fandaminana, sy fakana sary an-tsaina, ary fampifandraisana amin-javatra mahazatra, toy ny zavatra miavaka eny amin’ny lalana na zavatra ao an-trano. Maka sary an-tsaina ny tenany mandehandeha ny olona mampiasa an’io teknika io. Ampifandraisiny amin-javatra miavaka eny amin’ny lalany na zavatra hafa ny zavatra tiany hotadidina. Rehefa mila mitadidy izany izy, dia maka sary an-tsaina ny tenany mandehandeha eo amin’izay efa nolalovany teo.—Jereo ilay efajoro hoe  “Alao Sary An-tsaina Ilay Dia.”

Atao isan-taona ny fiadiana izay ho tompon-daka amin’ny fitadidiana. Nanaovana fanadihadiana ireo tompon-daka eran-tany, ka hita fa tsy hoe olona manan-talenta miavaka izy ireo. Ny ankamaroany aza eo anelanelan’ny 40 sy 50 taona. Ahoana no nataon’izy ireo? Maro no niaiky fa nampiasa teknika manampy hitadidy izy ireo.

Mila mitadidy teny maro àry ve ianao? Atambaro ho teny vaovao iray ny litera voalohany amin’ny teny rehetra mila tadidinao. Manampy anao hitadidy ny anaran’ireo toerana any avaratratsinanan’ny Nosy, ohatra, ny hoe “SAVA” (Sambava, Antalaha, Vohémar, ary Andapa). Misy fomba mitovy amin’izany fampiasan’ny Hebreo fahiny. Ao amin’ny salamo maro, ohatra, dia manaraka ny abidy hebreo ny teny voalohany isaky ny andininy, na andininy maromaro miaraka. (Jereo ny Salamo 25, 34, 37, 111, 112, ary 119.) Nanampy an’ireo mpihira hitadidy ny andininy 176 ao amin’ny Salamo faha-119 izany!

Tena afaka manazatra sy manatsara ny fitadidianao àry ianao. Asehon’ny fandinihana fa toy ny hozatra ny fitadidiana, ka arakaraka ny ampiasana azy no anatanjahana azy, na dia efa antitra aza isika.

[Efajoro, pejy 27]

TOROHEVITRA FANAMPINY

◼ Ampitomboy ny fitadidianao ka mianara zava-baovao, na fiteny hafa, na zavamaneno.

◼ Mifantoha amin’izay zava-dehibe indrindra.

◼ Mianara teknika samihafa manampy hitadidy.

◼ Mazotoa misotro rano. Tsy miasa tsara ny saina rehefa tsy ampy rano ny vatana.

◼ Ataovy ampy tsara ny torimasonao. Mitahiry fahatsiarovana ny atidoha mandritra ny torimaso.

◼ Aoka ianao ho tony tsara rehefa mianatra. Mamoaka hormonina izay misakana ny fiasan’ny rafi-pitatitra ny atidoha, rehefa tsy tony ianao.

◼ Aza misotro toaka be loatra, na mifoka sigara. Mihena ny fitadidiana vetivety rehefa misotro toaka ny olona. Raha lasa mpisotro be izy, dia lasa tsy ampy vitaminina B, izay tena ilaina raha tiana hiasa tsara ny fitadidiana. Ny sigara kosa mampihena ny oksizenina voarain’ny atidoha. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Avy amin’ilay gazetiboky hoe Atidoha sy Saina (anglisy) ao amin’ny Internet.

[Efajoro/Sary, pejy 28, 29]

 ALAO SARY AN-TSAINA ILAY DIA

Raha mila mividy mofo, atody, ronono, ary dibera ianao, ahoana no hitadidianao an’izany rehetra izany? Makà sary an-tsaina ny tenanao mandehandeha ao an-tranonao.

Ataovy toy ny hoe mofo ny ondan-tseza

misy atody kotrehina eo ambanin’ny jiro

milomano ao anaty ronono ny trondro

mihosotra dibera ny televiziona

Mora tadidina ilay izy rehefa hafahafa na mampihomehy! Alao sary an-tsaina ilay dianao, rehefa any amin’ny mpivarotra.

[Efajoro, pejy 29]

ZARA AZA HADINO NY ZAVATRA SASANY!

Mba eritrereto ange ny fiainanao raha tsaroanao daholo ny zava-drehetra, na ny lehibe na ny madinika e! Ho feno zavatra tsy misy dikany ny sainao, sa tsy izany? Nisy vehivavy iray nahatadidy ny zavatra rehetra niainany. “Nilaza izy fa tsaroany foana izany, ka ‘tena mandreraka azy, satria mitamberina tsy an-kijanona ao an-tsainy sady tsy hainy sakanana.’ Nilaza koa izy fa manavesatra azy izany”, hoy ny Mpahay Siansa Vaovao (anglisy). Soa ihany fa tsy toy izany ny ankamaroantsika! Inoan’ny mpikaroka mantsy fa hain’ny saintsika ny manaisotra izay zavatra tsy ilaina na lany andro. Milaza koa ny Mpahay Siansa Vaovao fa ‘miasa tsara ny fitadidiantsika raha manadino an’izay tokony hohadinoina. Raha manadino zavatra ilaina àry ianao, dia midika fotsiny izany hoe somary miasa tsara loatra ny fanadinoanao.’