Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sahiran-tsaina Amin’ny Vola ve Ianao?

Sahiran-tsaina Amin’ny Vola ve Ianao?

Sahiran-tsaina Amin’ny Vola ve Ianao?

MANDRAIKY marary ve ianao noho ny vola? Voalaza mantsy fa miteraka aretina izy io, ary maro be no voa eran-tany. Ahoana no fisehon’ilay izy?

Nilaza i Roger Henderson, mpitsabo aretin-tsaina any Grande-Bretagne, fa sahiran-tsaina loatra amin’ny vola ny olona sasany, ka misy vokany eo amin’ny vatany sy ny sainy izany. Ao ny sempotsempotra, na marary andoha, maloiloy, mibontsimbontsina ny hodiny, malain-komana, mora tezitra, kizitina, na kivy.

Mihamaro hatrany tato ho ato ny olona toy izany. Misy krizy ara-bola lehibe mantsy izao eran-tany, ka be dia be ny olona very asa, na tsy manana trano sy tahiry intsony. Maro koa ny banky lehibe nikatona. Nitady vahaolana haingana àry, na dia ireo tany manankarena indrindra aza, mba tsy ho bankirompitra. Sahiran-tsaina be koa ireo tany mahantra, satria lasa midangana be ny vidim-piainana.

Efa niteraka olana foana anefa ny vola, na dia talohan’izao krizy izao aza. Nihamaro ny olona nanan-karena tato anatin’ny taona vitsivitsy, nefa mbola sahiran-tsaina tamin’ny vola ihany izy ireo. Diniho, ohatra, ny zava-nisy tatsy Afrika. Nilaza ny gazety iray atsy Afrika Atsimo, fa nihananan-karena ny Afrikanina, ka lasa ‘betsaka no tia nividy zavatra be loatra, te hahazo tombom-barotra nihoa-pampana, na matimatin-karena.’ Toy ny “areti-mifindra” mihitsy ilay izy. Inona no vokany? Hoy ilay gazety: ‘Lasa niady saina ny olona, bokan-trosa, nandanilany vola, nifofotra mafy tamin’ny asa, tsy nety afa-po tamin’izay nananany, nitsiriritra, na kivy tanteraka.’ Voalaza koa fa lasa tsy dia nankafy fiainana intsony ny Afrikanina noho ny fitiavam-bola.

Lasa nanan-karena be koa i Inde, taloha kelin’ilay krizy. Nilaza ny gazety Inde Ankehitriny—Vaovao Eran-tany (anglisy), fa “lasa tia nividividy zavatra be mihitsy” ny olona tany, nanomboka tamin’ny 2007. Natahotra àry ny fanjakana sao hampitombo ny korontana sy herisetra izany.

Toy izany koa ny tany Etazonia. Lasa tia nividy zavatra lafo be ny tanora. Tsy sambatra anefa izy ireo. Milaza ny mpikaroka fa ny harena no anisan’ny tena mahatonga ny olona any ho mamo lava, ho kivy tanteraka, na hamono tena. Hita tamin’ny fanadihadiana koa fa “zara raha ny ampahatelon’ny Amerikanina no nilaza fa tena sambatra”, na dia nanan-karena aza.

Misy ihany ny tsy dia miady saina

Misy ihany anefa ny olona tsy dia sahiran-tsaina amin’ny vola, na teo aloha na ankehitriny. Maro izy ireo, ary tsy hoe manankarena daholo, fa misy koa mahantra. Nahoana izy ireo no tsy dia sahiran-tsaina?

Nisy mpikaroka namoaka lahatsoratra hoe Ny Herin’ny Vola (anglisy). Hoy izy ireo ao: ‘Misy olona tsy mieritreritra afa-tsy vola, ka tsy manao afa-tsy mitady vola. Sorena be foana àry izy ireo na mikorontan-tsaina tafahoatra. Tsy toy izany kosa mazàna ny olona mahay mitantana ny volany. Mahatsapa izy ireo fa mahay mitondra ny fiainany ary manana ny hajany. Tsy andevozin’ny vola àry izy ireo. Sahinay ny milaza fa tsy miferinaina firy ireny olona ireny, raha oharina amin’ny hafa.’

Ary ahoana ny aminao? Misy vokany eo aminao ve izao olana ara-bola tsy nampoizina izao? Sahiran-tsaina foana amin’ny vola ve ianao sa mahay mampiasa izay anananao? Mbola tsy misy vokany ratsy eo amin’ny vatanao sy ny sainao angamba ny resa-bola. Sahiran-tsaina momba izany daholo anefa isika indraindray, na mahantra na manankarena. Andao àry hijery soso-kevitra hanampy anao hahay hitantam-bola. Hilamin-tsaina sy ho sambatra kokoa ianao amin’izay.

[Efajoro/Sary, pejy 4]

Azo lazaina hoe tsy mahay mitantam-bola ianao raha...

Tsy te hiresa-bola mihitsy satria mampiady saina ilay izy

Resa-bola mazàna no mampiady anareo ao an-trano

Tia mandanilany vola

Miferinaina foana satria tsy mahaloa trosa

Efa tsy hainao intsony hoe ohatrinona ny vola miditra aminao

Efa tsy hainao intsony hoe ohatrinona ny vola mivoaka aminao

Efa tsy hainao intsony hoe ohatrinona ny trosan’olona aminao

Matetika no betsaka tsy araka ny noeritreretinao ny trosanao

Tara foana vao mahaloa trosa

Kely fotsiny ny trosa voaloanao

Vola tokony hampiasaina amin-javatra hafa no andoavanao trosa

Manao asa fanampiny mba handoavana trosa

Mitrosa mba handoavana trosa

Ny tahirinao no andoavanao trosa

Efa tsy manam-bola intsony rehefa akaiky ny faran’ny volana

Te hanam-bola be

Sorena be noho ny resa-bola, ka misy vokany eo amin’ny vatana sy ny sainao izany

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ny boky nosoratan’i Roger Henderson