Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahin’Andriamanitra Satria Tia Manompo Azy

Tahin’Andriamanitra Satria Tia Manompo Azy

Tahin’Andriamanitra Satria Tia Manompo Azy

Notantarain’i Pierre Worou

“Bonjour!” Izany foana no fiarahabana fanaoko. Ny nampiasako azy io anefa no nisamborana ahy, tamin’ny Novambra 1975. Fa nahoana? Ary inona no nitranga taorian’izay? Aleo hotantaraiko.

TERAKA tao Malété, ao amin’ny faritra afovoan’i Bénin, aho tamin’ny 1 Janoary 1944. * Nomena anarana hoe Abiola aho. Tsy tiako anefa io anarana yorobà io ka novako hoe Pierre, izay noheveriko ho maoderina sy malaza kokoa.

Nomena anaram-bosotra daholo ny ankizy tao an-tanàna tamin’izany. Nantsoin’ny olona hoe Pasitera aho, satria nitovy endrika tamin’ilay mpitondra fivavahana tao an-tanàna, tamin’izaho vao teraka. Tsy tia nianatra sekoly alahady akory anefa aho, fa naleoko nanao baolina.

Nifindra tany Sakété, ao amin’ny faritra atsimon’i Bénin, aho tamin’ny 1959, mba hanohy ny fianarako. Tany amin’i Simon aho no nipetraka. Zanak’olo-mpiray tam-po izahay. Mpampianatra izy, ary vao nanomboka niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nahaliana ahy ny fianarana Baiboly tamin’ny voalohany. Naniry hianatra ihany anefa aho, tatỳ aoriana, ka notaomiko koa i Michel, zandrin’i Simon. Nanaiky izy ary niara-nianatra izahay. Tamin’izay vao fantatro hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra.

Nanapa-kevitra ny tsy hiangona izahay telo lahy, indray alahady, fa hivory hiaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Kivy be izahay rehefa nahita fa dimy monja ny mpanatrika, dia ireo Vavolombelona roa sy izahay telo lahy. Tsapanay anefa fa nahita ny fahamarinana izahay, ka nanohy nianatra ihany. I Michel no nanokan-tena ho an’Andriamanitra sy natao batisa voalohany. Mpisava lalana maharitra, na mpitory manontolo andro, izy izao.

Nifindra tany avaratra tany Kokoro, i Simon, ary nanaraka azy aho. Nisy fivoriambe nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Ouansougon. Nandeha taksibrosy i Simon mba hanatrehana azy io, fa izaho kosa nandeha bisikileta 220 kilaometatra. Natao batisa tamin’io fivoriambe io izahay, ny 15 Septambra 1961.

Zava-tsarotra tamin’ny fanompoana manontolo andro

Namboly sy nanao sary hoso-doko aho mba hivelomako. Nitsidika ny fiangonanay i Philippe Zannou, mpiandraikitra ny faritra, ary nanontaniany aho raha efa nieritreritra ny ho mpitory manontolo andro. Rehefa niara-nidinika izaho sy ilay namako atao hoe Emmanuel Fatunbi, dia nanapa-kevitra ny hanomboka ny asan’ny mpisava lalana, ny Febroary 1966. Lasa mpiandraikitra mpitety faritany aho, tatỳ aoriana, ary nitsidika fiangonana nampiasa fiteny fon, goun, yorobà, ary frantsay.

Nihaona tamin’ny anabavy kristianina iray mahafatifaty izay aho, rehefa nandeha ny fotoana. Julienne no anarany, ary tso-piaina toa ahy izy. Nivady izahay ny 12 Aogositra 1971, ary niara-nitsidika fiangonana. Teraka tamin’ny 18 Aogositra 1972 i Bola, zanakay lahimatoa. Nandeha bisikileta izahay rehefa nitsidika fiangonana. Izaho no nivoy, fa i Julienne kosa nipetraka tao aoriana sady nibaby an’i Bola. Matetika no nisy Vavolombelona nitondra ny entanay tamin’ny bisikiletany. Izany foana no nataonay nandritra ny efa-taona.

Narary mafy i Julienne, indray andro, ary nanaintaina nandritra ny alina. Nankeny amin’ny arabe aho ny ampitso maraina mba hila vonjy. Nahagaga fa nisy taksibrosy nandalo tampoka, sady tsy nitondra olona! Nohazavaiko tamin’ilay mpamily ilay olana, ary nanontaniako izy raha afaka nitondra anay ho any Porto Novo renivohitra, any amin’ny 25 kilaometatra. Nanaiky izy. Rehefa tonga izahay, dia nitsiky izy sady niteny hoe: “Aza mandoa vola fa tsy maninona.”

Tsy afa-nihetsika teo am-pandriana i Julienne nandritra ny tapa-bolana. Tao an-tranon’ny Vavolombelona iray izahay no nipetraka, ary tonga tao isan’andro ny dokotera sady nitondra fanafody. Natahotra aho rehefa nanontany azy ny saram-pitsaboana, taorian’ny nizahany farany an’i Julienne. Gaga anefa aho rehefa nilazany hoe: “Maimaim-poana iny ka.”

Fiovana lehibe

Ny firehan-kevitra marksista indray no narahin’ny mpitondra an’i Dahomey, tamin’ny 1975. Novana hoe Repoblika Entim-bahoakan’i Bénin ny anaran’ilay firenena. Niova koa ny fiainana. Noterena ny olona hifampiarahaba hoe “Pour la révolution?” (Vonona ho amin’ny fanovana ve?) Ny tokony havaly an’izany dia hoe “Prêt!” (Vonona!) Tsy namela anay hanao an’io teny faneva politika io anefa ny feon’ny fieritreretanay, ka lasa tsy tian’ny olona izahay.

Nitory isan-trano tany amin’ny faritr’i Cotonou aho, indray alahady, tamin’ny faramparan’ny 1975. Nisy lehilahy iray niarahaba ahy hoe “Pour la révolution?”, ary novaliako hoe: “Bonjour!” Tamin’izay aho no nosamborina, araka ilay nolazaiko terỳ am-piandohana. Nentina tany amin’ny polisy aho ary nokapohina. Nanafaka ahy anefa ny Vavolombelona telo ny harivan’iny.

Izaho no Vavolombelon’i Jehovah voasambotra voalohany. Nisy maro hafa koa nosamborina, tsy ela taorian’izay. Nalain’ny fitondrana ho fananany ny Efitrano Fanjakana, ary noroahiny ny misionera. Nakatona mihitsy aza ny biraon’ny sampana, ary maro ny Vavolombelona nandositra tany Togo na tany Nizeria.

Nihamaro ny zanakay

Teraka tamin’ny 25 Aprily 1976 i Kola, zanakay lahiaivo. Roa andro taorian’izay dia nivoaka ny didim-panjakana laharana faha-111, nandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nifindra tany Nizeria izahay, ary nankao amin’ny Efitrano Fanjakana iray efa feno mpitsoa-ponenana. Naparitaka tamin’ny fiangonana teo akaiky izahay, ny ampitson’iny. Raha vao nafindra ny mpitsoa-ponenana sasany, dia tonga indray ny hafa. Notaterina tamin’ny kamiao ireo mpitsoa-ponenana nafindra tany amin’ny fiangonana lavitra.

Nasain’ny biraon’ny sampan’i Nizeria nitsidika an’ireo Vavolombelona mpiray tanindrazana tamiko aho. Voatendry hitsidika an’ireo fiangonana miteny yorobà aho, ary tatỳ aoriana, dia nitsidika an’ireo fiangonana miteny goun. Nandeha môtô izahay. Nipetraka teo alohako i Bola, fa i Kola kosa teo anelanelanay mivady.

Tsy afaka nitety faritra intsony izahay, rehefa teraka i Jemima zanakay vavy, tamin’ny 1979. Tonga tany Nizeria koa i Pépé, zandrin’i Julienne, ary niara-nipetraka taminay. Niampy roa lahy indray ny zanakay, tatỳ aoriana. Teraka tamin’ny 1983 i Caleb, ary i Silas tamin’ny 1987. Lasa valo mianaka izahay. Te hamita tsara ny adidinay tamin’ny ankohonanay izahay mivady, nefa koa tsy te hiala tamin’ny fanompoana manontolo andro. Inona àry no hevitra? Nanofa tany izahay, ary namboly mangahazo sy katsaka ary saonjo. Nanorina trano tsotsotra tao amin’ny tanànan’i Ilogbo-Eremi izahay, avy eo.

Rehefa lasa nianatra ny ankizy ny maraina, dia nandeha nitory izahay sy Julienne. Niara-nisakafo antoandro foana anefa izahay mianakavy. Niasa tany an-tsaha indray izahay ny tolakandro, rehefa avy natory kely. Nivarotra ny vokatra teny an-tsena i Julienne sy Pépé. Niasa mafy daholo izahay. Soa ihany fa tsy dia nisy narary izahay tamin’izany.

Notahina na dia tsy nandranto fianarana ambony aza

Tsy nampirisihinay handranto fianarana ambony mihitsy ny zanakay. Fantatray mantsy fa ny fanaovana an’ilay Fanjakana ho loha laharana eo amin’ny fiainana sy ny fananana toetra kristianina ary ny fiasana mafy, no ahitana fahombiazana. Niezaka nandentika izany tao an-tsain’izy ireo izahay. Nampianariko Baiboly izy ireo. Faly erỳ izahay mivady nahita azy ireo tia an’i Jehovah sy nanokan-tena hanompo azy, ary natao batisa!

I Pépé no zokiny indrindra tamin’ny ankizy tao an-trano. Izy koa no nanambady voalohany. Nampianariko namaky teny izy tamin’izy vao tonga tao aminay. Tsy dia nahita fianarana izy, nefa nilofo tamin’ny fianarana Baiboly sy ny fanompoana an’i Jehovah. Mpisava lalana nandritra ny fotoana kelikely izy. Nanambady an’i Monday Akinra, mpiandraikitra mpitety faritany, izy avy eo, ary niara-nitety faritra taminy. Niteraka an’i Timothy izy ireo, tatỳ aoriana. Mbola manompo manontolo andro izy mivady, ary mitana andraikitra maro i Monday rehefa fivoriambe.

Niara-niasa tamin’ny mpahandro sakafo tao amin’ny orinasa lehibe iray i Bola. Tsikaritry ny lehibeny fa niasa tsara izy sady azo nitokisana, ary nanana toetra kristianina hafa, ka nomeny toerana ambony. Ny zava-dehibe kokoa anefa dia hoe vady tsara izy, raim-pianakaviana fakan-tahaka, ary anti-panahy mahavita tsara ny andraikiny eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Lagos, Nizeria. Manan-janaka telo izy sy Jane vadiny.

I Kola indray niara-niasa tamina mpanjaitra akanjon-dehilahy, sady nanao mpisava lalana. Nianatra teny anglisy koa izy tany Nizeria, ka nasaina handika teny ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Bénin, tamin’ny 1995. Efa 13 taona izao no nanompoany tao.

Niverina teto Bénin

Faly erỳ izahay rehefa nandre fa nofoanan’ny fanjakana, tamin’ny 23 Janoary 1990, ilay didy nandrara ny asa fitoriana teto. Nody ny mpitsoa-ponenana maro. Nisy misionera maro koa tonga, ary nosokafana indray ny biraon’ny sampana. Niverina teto Bénin izahay, tamin’ny 1994. Nijanona tany Nizeria kosa ry Bola sy Pépé mianakavy.

Nahita asa tapa-potoana aho. Afaka nanorina trano ho anay dimy mianaka izahay, noho ny fanampian’i Bola sy ny hofan’ny tranonay tany Nizeria. Tsy lavitra ny biraon’ny sampana no misy azy io. Nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny enin-taona mahery i Jemima sady nanjaitra. Nanambady an’i Kokou Ahoumenou izy tatỳ aoriana, ary manompo ao amin’ny biraon’ny sampana izy ireo izao. Kely sisa dia ho vita ny fianaran’i Caleb sy Silas eny amin’ny lise. Mbola afaka manompo manontolo andro izao izahay mivady, noho ny fanampian’Andriamanitra sy ny fanampian’ny zanakay, ary efa 40 taona mahery no nanaovanay an’izany.

Tena mitahy ny asa fitoriana eto Bénin Andriamanitra. Nisy 871 ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto, tamin’ny 1961, fony aho natao batisa. Nahatratra 2 381 izany tamin’ny taona nisamborana ahy. Na teo aza ny fandrarana naharitra 14 taona, dia niakatra 3 858 io isa io tamin’ny 1994, taona niverenanay teto Bénin. Mihoatra ny 9 000 izahay izao, ary 35 752 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny 2008.

Mankeo amin’ilay toerana nisamborana ahy tamin’ny 30 taona lasa aho indraindray, sady misaintsaina ny zava-nitranga hatramin’izay. Tena velom-pisaorana an’Andriamanitra aho, satria nitahy anay mianakavy izy. Tsy nisy nahaory anay mihitsy. Mbola “Bonjour!” ihany no iarahabako ny olona hatramin’izao!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Anisan’i Afrika Andrefana frantsay i Bénin tamin’izany, ary nantsoina hoe Dahomey.

[Teny notsongaina, pejy 13]

Nitsiky izy sady niteny hoe: “Aza mandoa vola fa tsy maninona.”

[Teny notsongaina, pejy 14]

Tsy nampirisihinay handranto fianarana ambony mihitsy ny zanakay

[Sary, pejy 15]

Nitety faritra, tamin’ny 1970

[Sary, pejy 15]

Niaraka tamin’i Bola sy Kola, tamin’ny 1976

[Sary, pejy 15]

Izahay mianakavy ankehitriny: Izaho, ny vadiko, ny zanakay dimy, ireo zafikeliko telo, ary i Pépé sy ny vady aman-janany