Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miferinaina ny Mpianatra

Miferinaina ny Mpianatra

Miferinaina ny Mpianatra

ANISAN’NY ankizy nahay indrindra tany am-pianarany i Jennifer, 17 taona. Nanao zavatra hafa maro fanaon’ny sekoly ivelan’ny ora fianarana koa izy. Tian’ny mpampianatra àry i Jennifer. Lasa narary andoha be sy te handoa matetika anefa izy, herintaona talohan’ny nahavitan’ny fianarany tany amin’ny lise. Heveriny fa ny fianarana mafy be sy ny tsy fahampian-torimaso no nampaharary azy.

Tsy i Jennifer irery no toy izany. Mihamaro ny mpianatra miferinaina satria mafy be ny fianarana. Misy mihitsy aza manatona dokotera mpitsabo aretin-tsaina. Nitady vahaolana àry ny mpampianatra sasany any Etazonia, mba tsy hahatonga ny ankizy hiferinaina loatra noho ny hamafin’ny fianarana.

Mbola mianatra ve ianao? Mety hanana olana toa an’i Jennifer ianao, raha izany. Ray aman-dreny ve ianao? Tsikaritrao angamba fa voatery manao zavatra be dia be foana ny zanakao, mba ho tafita amin’ny fianarana. Misy tari-dalana tsara ve azo anampiana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny?