Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bucarest, Tanàna Tranainy Sady Maoderina

Bucarest, Tanàna Tranainy Sady Maoderina

Bucarest, Tanàna Tranainy Sady Maoderina

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ROMANIA

TRANO goavam-be iray no misongadina ao Bucarest, raha vao mijery ilay tanàna ianao. Tsy inona izy io fa ny Lapam-panjakana (1). Tranon’ny Vahoaka no niantsoana azy io nandritra ny fitondrana kominista. Anisan’ny trano goavana indrindra eto an-tany izy io. Tsy dia misy endriny firy ilay lapa, nefa tena tian’ny mpizaha tany ny mitsidika azy.

Io lapa io no azo lazaina fa endrika maoderin’i Bucarest. Tsy mitovy anefa ny fiheveran’ny mponina any an-toerana azy io. Ahitana trano tranainy tsara tarehy koa any, ary tian’ny mponina raha mba mijery sy mankafy azy ireny ny mpitsidika.

Niova endrika ilay renivohitra

Lasa renivohitr’i Romania i Bucarest, tamin’ny 1862. Nandroso be ilay tanàna nandritra ny 40 taona nanaraka. Maro be ireo trano goavana tsara tarehy naorina nanamorona ireo arabe voaravaka hazo be ravina. Frantsay no nanao ny mari-tranon’izy ireny. Nanjary nantsoina hoe tanànan’ny zaridaina i Bucarest, noho ireo toerana fitsangantsanganana sy zaridainam-bahoaka maro be any. Jiro nandeha tamin’ny solika no nanazava an’ireo arabe. I Bucarest no anisan’ny tanàna nisy an’izany voalohany. Natsangana teo amin’ny Arabe Kiseleff ny Andohalambon’ny Fandresena (2), tamin’ny 1935. Nalaina tahaka avy amin’ny Arc de triomphe, eo amin’ny Champs-Élysées any Paris, izy io. Tsara tarehy toa an’i Paris ilay tanàna, ka toy ny hoe any aminy ihany ny Frantsay rehefa tonga any. Nomena anarana hoe Paris Kely mihitsy aza i Bucarest.

Ny Kominista no nitondra an’i Bucarest, taorian’ny Ady Lehibe II. Nisy fiovana lehibe vokatr’izany. Noravana ny ampahatelon’ilay renivohitra, izay nahitana trano manan-tantara maro, ary nananganana trano fonenana lehibe. Trano fonenana 23 000 no vita, nandritra ny taona 1960 sy 1961. Tamin’ny 1980 kosa no nanomboka nomanina ny fanorenana an’ilay Tranon’ny Vahoaka. Nasiana fitoeran-jiro tsara tarehy an-jatony tao amin’izy io. Nanamboarana toerana manokana koa tany amin’ny 90 metatra ambanin’ny tany, mba hiafenan’ny olona rehefa misy zera baomba. Avo telo heny noho ny Lapan’i Versailles any Frantsa ny haben’ilay lapa, satria efa ho 36 hektara ny velarany, misy rihana 11, ary efitra 1 100. Faritra midadasika tamin’ilay tanàna no noravana, mba hanorenana azy io sy ilay arabe migodàna mankao aminy. Malalaka noho ny arabe Champs-Élysées io arabe io. Niova be àry ny tanànan’i Bucarest.

Mampahatsiaro zavatra mampalahelo an’ireo olona maro any an-toerana ilay trano goavana, satria ilay mpitondra jadona atao hoe Nicolae Ceauşescu no nanangana azy io. Naniry mafy hanorina trano ahatsiarovana ny anarany izy, ka nampiasa mpanao mari-trano efa ho 700, sy mpiasa an’aliny mba hanao azy io. Nozaraina ho antokony telo ireo mpiasa, ary nifandimby isaky ny adiny valo. Tsy nijanona mihitsy ny asa na andro na alina. Mbola tsy vita ilay trano rehefa rava ny fitondran’i Ceauşescu, tamin’ny 1989. Efa arivo tapitrisa dolara mahery anefa ny vola lany.

Endrik’ilay tanàna fahiny

Hafa tanteraka ny endrik’i Bucarest, raha ny ampahany tranainy amin’ilay tanàna no jerena. Mbola afaka mahita trano tranainy tsara tarehy ianao ao. Raha mitsidika ny Tanàna Tranombakoka (3) ianao, dia hahita fa misy fomba fiaina maro isan-karazany any amin’ny faritra ambanivohitr’i Romania. Hahita karazan-trano sy foto-drafitrasa 50 mahery, nangonina nanerana an’i Romania, ianao, eo amin’ny faritra iray mahatazana farihy. Ny trano tsirairay ao dia efa tranombakoka satria ahitana ny fitaovana nampiasain’ny olona tany Romania fahiny sy ny asa nataony, ary ny fiaimpiainany tao an-tokantrano.

Tsy tena miavaka ny faritra misy ny tanàna tranainy sy ny tanàna maoderina ao Bucarest. Fahita ny trano maoderina sy trano tranainy mifanakaiky (4). Hita amin’ny endrik’ireo trano ao Bucarest àry fa sady tanàna tranainy izy io no maoderina.

[Sary, pejy 10]

1 Lapam-panjakana

2 Andohalambon’ny Fandresena

3 Tanàna Tranombakoka

4 trano maoderina sy trano tranainy mifanakaiky

[Sary nahazoan-dalana, pejy 11]

© Sari Gustafsson/hehkuva/age fotostock