Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Atao Rehefa Mamolaka Elefanta?

Ahoana no Atao Rehefa Mamolaka Elefanta?

Ahoana no Atao Rehefa Mamolaka Elefanta?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY INDE

NAHANDRO sakafo teo amoron’ny Reniranon’i Narmada ny rangahy iray mpamolaka elefanta, ary niala sasatra ny elefantany. Nalain’ilay rangahy ny zanany, ka napetrany teo anelanelan’ny oron’ilay elefanta sy ny tongony anoloana. Isaky ny nitady hiala teo ilay zaza, araka ny voalazan’ny boky iray, dia “nahodidin’ilay elefanta tsimoramora taminy ny orony, ary naveriny teo amin’izay nametrahan-drainy azy izy. Nahandro ny sakafony ihany ilay rangahy, ary hita hoe natoky tanteraka fa tsara ambina ilay zaza.”

Efa hatramin’ny taona 2000 Talohan’i Kristy (T.K.) ny elefanta no nampiasain’ny olona. Nampiofanina ho amin’ny ady no tena nampiasana azy ireny fahiny. Ampiofanina hiasa kosa izy ireny ankehitriny, eto Inde. Misy ampiasaina ao amin’ny orinasa mpikapa hazo, amin’ny dokam-barotra, fampisehoana, fety ara-pivavahana ary mariazy. Misy aza asaina mangataka. Ahoana no atao rehefa mamolaka elefanta? Ary ahoana no ampiofanana azy ireny?

Fianarana mampiofana elefanta

Maro ny foibe ampy fitaovana tsara eto Inde, mba hikarakara elefanta kely voasambotra, na nilaozan-dreniny, na naratra. Anisan’ireny foibe ireny ilay ao Koni, any Kerala, izay mampiofana elefanta kely mba hiasa rehefa lehibe. Tokony hataon’ilay mpampiofana aloha izay hatokisan’ilay elefanta kely azy, ka ny famahanana azy no fomba tsara anaovana izany. Mahalala ny feon’ilay mpampiofana azy ny elefanta kely. Mailaka erỳ izy rehefa antsoina hisotro ronono sy hihinana koban’ampemby. Rehefa feno 13 taona eo ho eo ny elefanta vao ampiofanina hiasa, ary feno 25 taona izy vao tena ampiasaina. Noferan’ny fanjakan’i Kerala ho taona fisotroan-dronono ho an’ny elefanta ny 65 taona.

Tokony ho tsara ofana ilay mpamolaka elefanta, mba tsy hahitan-doza. Mila miofana mafy mandritra ny telo volana izy, fara fahakeliny, hoy ny fikambanana iray miaro ny elefanta, any Kerala. Tsy fianarana mibaiko elefanta fotsiny ilay izy, fa fianarana ny zava-drehetra momba ny elefanta mihitsy.

Ela kokoa ny mampiofana elefanta efa lehibe. Avy any ivelan’ny fefy misy azy ilay mpampiofana no mampianatra azy hahalala baiko. Baiko sy fihetsika 20 eo ho eo no ampiasain’ny mpampiofana any Kerala, mba hibaikoana ny elefantany hanao izay asa ampanaovina azy. Sady miteny mafy sy mazava izy no manindrona an’ilay elefanta amin’ny tehina, ary mampiseho azy izay tokony hataony. Omena zavatra kely tiany ilay elefanta, isaky ny mankatò. Rehefa azo antoka fa tsy masiaka izy, dia miditra ao amin’ilay fefy sy manafosafo azy ilay mpampiofana. Manampy azy ireo hifampatoky izany. Azo entina mivoaka amin’izay izy rehefa afaka elaela. Mila mitandrina ihany anefa aloha, satria mbola tsy tena zatra olona izy. Afatotra amin’ny elefanta roa mpampiofana izy, ary atao eo afovoany, rehefa avoaka hampandroina na hoentina mitsangantsangana. Rehefa hita hoe folaka tanteraka izy vao tsy atao toy izany intsony.

Rehefa mahalala baiko ny elefanta, dia mitaingina eo andamosiny ilay mpampiofana, ary mampianatra azy hankatò fihetsika. Ny rantsantongotra na ny voditongotra no tena miasa amin’izany. Atosiny amin’ny ankiben-tongony roa, ohatra, ny ao ambadiky ny sofin’ilay elefanta, raha tiany handroso izy. Tereny amin’ny voditongony roa kosa ny sorok’ilay elefanta, raha tiany hihemotra izy. Mpampiofana iray ihany no mibaiko an’ilay elefanta mba tsy hampisavoritaka ny sainy. Telo na efa-taona eo ho eo vao azon’ny elefanta ny baiko rehetra. Tsy hadinony intsony mihitsy izany avy eo. Tena matsilo saina ny elefanta, na dia kely aza ny atidohany raha oharina amin’ny vatabeny.

Fikarakarana elefanta

Mila atao salama sy falifaly foana ny elefanta. Tena tokony hampandroina isan’andro koa izy. Vato sy borosy vita amin’ny hoditra voaniho no ampiasaina hikosehana ny hodiny matevina nefa malemilemy sy malefaka.

Omena sakafo maraina izy avy eo. Tsy inona izany fa koba marihitra vita amin’ny varimbazaha sy ampemby ary sakafon-tsoavaly. Omena bararata sy ravina palmie ary vilona koa izy. Ireny mantsy no foto-tsakafony. Faly erỳ izy raha asiana karaoty manta sy fary koa izany. Tsy manao afa-tsy ny mihinan-kanina ny elefanta. Sakafo 140 kilao eo ho eo sy rano 150 litatra eo ho eo no ilainy isan’andro! Omeo azy izay ilainy, dia ho namany foana ianao.

Vokatry ny fampijaliana elefanta

Tsara fanahy ny karazana elefanta eto Inde, nefa misy fetrany ihany ny zavatra azo ampanaovina azy. Mety hifotitra amin’ilay mpampiofana azy izy, raha faizina na bedesina. Nilaza ny gazety iray eto Inde fa “nitrifana [ny elefantalahy iray efa nisy vangy] ... satria nampijalin’ireo mpampiofana azy. Nokapohiny mantsy ilay izy, ka tsy tana ... ary voatery notsindronina fanafody mampatory mihitsy.” Hoy koa ny gazety iray hafa, tamin’ny Aprily 2007: “Tato anatin’ny roa volana monja, dia elefantalahy folo mahery no nanjary nahery setra nandritra ny fety. Mpampiofana 48 no novonoin’ireo biby romotra ireo, nanomboka tamin’ny Janoary tamin’ny herintaona.” Mandritra ny fotoana mampirongatra ny filan’ny elefantalahy no tena itrangan’izany isan-taona. Mitombo be mantsy amin’izay ny hormonina ao amin’ny elefantalahy efa lehibe sy salama. Manjary mahery setra amin’ny elefanta hafa sy ny olona àry izy, sady tsy ampoizina mihitsy izay mety ho fihetsiny. Mety haharitra tapa-bolana ka hatramin’ny telo volana izany.

Mety hahery setra koa ny elefanta rehefa amidy, ka olon-kafa indray no hikarakara azy. Hita hoe malahelo an’ilay tompony taloha izy. Mazàna àry ilay tompony no manatitra azy any amin’izay hisy azy, mba tsy ho tampoka loatra ilay fiovana. Miara-miasa aloha ilay tompony taloha sy ilay vaovao, mandra-pahazatran’ilay vaovao amin’ny toetran’ilay elefanta. Vao mainka mafy ny manjo ny elefanta, rehefa maty ny tompony ka hafa indray no misolo azy. Zatra ihany anefa izy amin’ny farany.

Na dia ngezabe aza ny elefanta ka mety hatahoran’ny olona, dia mankatò an’ilay tompony izy raha efa folaka tsara, sady tsara fanahy aminy ilay tompony. Tsy mila asiana rojo vy izy amin’izay, na dia ilaozan’ny tompony vetivety aza. Aankiny fotsiny eo amin’ny tongotr’ilay elefanta ny tehiny, ary ilazany izy mba tsy hihetsiketsika. Dia tsy mihetsiketsika tokoa ilay izy! Ilay tehina koa mbola eo amin’ny toerany ihany. Hita amin’ilay tantara terỳ am-piandohana, fa mahavariana sy mampihetsi-po tokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny elefanta sy ny mpamolaka azy. Tena afaka matoky ny elefantany tokoa ny mpamolaka mahay.

[Efajoro/Sary, pejy 18]

NIARAKA HATRY NY ELA NY OLONA SY NY ELEFANTA

Efa hatry ny ela ny olona no nampiasa elefanta. Ny nataon’ny Jeneraly Hannibal, avy any Carthage, angamba no ohatra nalaza indrindra fahiny. Niady tamin’i Roma i Carthage, tanàna any Afrika Avaratra, tamin’ny taonjato fahatelo T.K. Ady nisesisesy naharitra taona maro be ilay izy. Nanangana tafika tao Carthagène, any Espaina, i Hannibal, satria nitetika ny hankany Roma. Namakivaky ny Pyrénées aloha izy, mba hiditra any Frantsa. Avy eo dia namakivaky ny Alpes ny tafiny nisy miaramila 25 000, mba hankany Italia. Niaraka tamin’izy ireo ny elefanta afrikanina 37 sy biby hafa maro be nivesatra entana. “Anisan’ny tetikady feno fahasahiana indrindra teo amin’ny tantara” izany, hoy ny gazetiboky iray. Hatsiaka sy lanezy no nitsena azy ireo. Sendra fihotsaham-bato koa izy ireo, ary nifanehatra tamin’ireo mponina an-tendrombohitra izay nasiaka tokoa. Namizana mafy an’ireo elefanta ilay dia, ka ripaka daholo izy rehetra, nefa mbola tsy herintaona akory ny nahatongavan’i Hannibal tany Italia.

[Sary nahazoan-dalana]

© Look and Learn Magazine Ltd/The Bridgeman Art Library

[Sary, pejy 17]

Mpamolaka mikosoka ny hoditry ny elefantany

[Sary nahazoan-dalana]

© Vidler/mauritius images/age fotostock

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

© PhotosIndia/age fotostock