Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Nanao ny Sarintanin’izao Tontolo Izao

Ilay Nanao ny Sarintanin’izao Tontolo Izao

Ilay Nanao ny Sarintanin’izao Tontolo Izao

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY BELZIKA

Nigadra tao amin’ny efitra maizina sy mangatsiaka i Gerhard Mercator, tany am-piandohan’ny 1544. Nieritreritra izy fa tsy maintsy homelohina ho faty. Fa nahoana no nigadra io mpanao sarintany niavaka indrindra tamin’ny taonjato faha-16 io? Andeha hojerentsika aloha ny tantarany sy ny vanim-potoana niainany.

TERAKA tao Rupelmonde, akaikin’i Anvers eto Belzika, i Mercator tamin’ny 1512. Nianatra tao amin’ny oniversiten’i Louvain izy. Rehefa nahazo diplaoma izy, dia nanomboka nandalina ny asa soratr’i Aristote. Nanahiran-tsaina azy anefa ilay zavatra nianarany, satria hitany fa tsy nifanaraka tamin’ny Baiboly. Hoy i Mercator: “Lasa nisalasala ny amin’ny fahamarinan’ny fampianaran’ny filozofa rehetra aho, rehefa hitako fa tsy nifanaraka tamin’izay nosoratan’i Mosesy momba ny fiandohan’izao tontolo izao ny fampianaran’i Aristote sy ny filozofa hafa. Nanomboka nandalina momba ny zavaboary àry aho.”

Tsy nianatra tany amin’ny oniversite intsony àry i Mercator, satria tsy te ho lasa filozofa. Niezaka nitady porofo hanamarinana ny tantaran’ny Baiboly momba ny famoronana kosa izy, nandritra ny androm-piainany.

Nianatra jeografia

Nianatra matematika sy jeografia tamin’i Gemma Frisius, mpahay matematika, i Mercator tamin’ny 1534. Nianatra momba ny kintana sy planeta koa izy. Mety ho nianatra asa sokitra tamin’i Gaspar Van der Heyden koa izy. Mpanao sary sokitra sy sarina bolantany izy io. Litera mainty matevina no nampiasain’ny mpanao sarintany tamin’izany, ka tsy antonona fanazavana firy ny sarintany nataon’izy ireo. I Mercator kosa nampiasa sora-tanana natao sora-mandry, ka nanampy an’ireo mpanao sarina bolantany izany.

Nanao sary sokitra bolantany i Mercator sy Frisius ary Van der Heyden, tamin’ny 1536. Tontosa ilay tetikasa, ary anisan’ny nahatonga izany ilay sora-tanana tsara tarehy nataon’i Mercator. Hoy i Nicholas Crane, izay nanoratra ny tantaram-piainan’i Mercator: “Vitany ny nanoratra anaran-tanàna amerikanina 60 teo amin’ny bolantany iray mitovy habe amin’ny felatanana roa. Ny mpanao sarintany hafa anefa tsy nahasoratra afa-tsy anaran-tanàna amerikanina 50, teo amin’ny sarintany iray mitovy halava amin’ny olona sy maharakotra rindrina iray!”

Lasa mpanao sarintany matihanina

Nanao sarintany irery i Mercator tamin’ny 1537, ka ny Tanin’i Israely no nataony voalohany mba hanampiana ny olona “hahazo tsara kokoa ny Testamenta Taloha sy Vaovao.” Efa nisy sarintanin’ny Tanin’i Israely ihany tamin’izany, saingy diso be izy ireny. Nisy, ohatra, zara raha nahitana anaran-tanàna 30, ary mbola diso toerana koa ny ankamaroany. Nahitana anarana 400 mahery anefa ny sarintanin’i Mercator! Hita tamin’izy io koa ny lalan’ny Israelita namakivaky ny tany efitra, rehefa niala tany Ejipta izy ireo. Maro tamin’ny mpiara-belona tamin’i Mercator no niaiky fa tsara ilay sarintany, noho izy io tsy misy diso.

Nampahery an’i Mercator izany, ka namoaka ny sarintanin’izao tontolo izao izy tamin’ny 1538. Tsy nahalala firy momba an’i Amerika Avaratra ny mpanao sarintany talohan’izay, ka nantsoin’izy ireo hoe Tany Lavitra Tsy Fantatra izy io. Efa nisy ihany ilay anarana hoe “Amerika”, kanefa i Mercator no nampiasa azy io voalohany mba hanondroana an’i Amerika Avaratra sy Atsimo.

Nitety ranomasina ny olona tamin’ny andron’i Mercator ka nahita tany vaovao maro. Nifanipaka anefa ny fanazavan’ireo tantsambo ka nanasarotra ny asan’ny mpanao sarintany izany, satria voatery nanombantombana fotsiny izy ireo. Na izany aza, dia tratran’i Mercator ny tanjony tamin’ny 1541, dia ny hanao “sarina bolantany ahitana fanazavana bebe kokoa.”

Nampangaina ho nivadi-pinoana

Be Loteranina tao Louvain, tanàna nipetrahan’i Mercator. Nanohana azy ireo izy nanomboka tamin’ny 1536, ary toa lasa Loteranina koa ny vadiny. Nosamborina i Mercator sy ny olona 42 hafa nipetraka tao Louvain tamin’ny Febroary 1544, satria nampangaina ho nanoratra “taratasy mampiahiahy.” Mety ho ilay sarintanin’ny Tanin’i Israely nataon’i Mercator koa anefa no nampiahiahy an’i Tapper sy Latomus, teolojianina roa tao amin’ny oniversiten’i Louvain. Izy roa lahy ireo mantsy no niandraikitra ny fitsarana an’i William Tyndale, mpandika Baiboly voaheloka ho faty tany Belzika tamin’ny 1536. Natahotra angamba i Tapper sy Latomus sao handrisika ny olona hamaky Baiboly ilay sarintanin’i Mercator, toy ilay fandikan-tenin’i Tyndale ihany. Na inona na inona antony, dia nogadraina tao amin’ny lapan’i Rupelmonde, tanàna niaviany, i Mercator.

Nilaza teo anatrehan’ny mpitsara i Antoinette Van Roesmaels, izay anisan’ireo voampanga, fa mbola tsy nanatrika ny fiaraha-mamaky Baiboly nataon’ny Protestanta mihitsy i Mercator. Noho i Antoinette nanatrika azy ireny anefa, dia nalevim-belona izy mba hijalijaly vao maty. Nafahana i Mercator rehefa avy nigadra fito volana, saingy nalaina daholo ny fananany. Nifindra tany Duisburg, any Alemaina, izy tamin’ny 1552. Nalala-tsaina kokoa tamin’ny resaka fivavahana mantsy ny olona tany.

Bokin-tsarintany voalohany

Mbola niezaka nanaporofo foana i Mercator fa marina ny tantaran’ny Baiboly momba ny famoronana. Nanokana ny fiainany hamakafakana ny famoronana izy, dia ny famoronana “ny lanitra sy ny tany, hatrany am-piandohana ka mandraka ankehitriny”, araka ny filazany azy. Noraketiny an-tsoratra izany ary nasiany daty manan-tantara sy resaka jeografia.

Navoakan’i Mercator tamin’ny 1569 ny tapany voalohany tamin’ilay famakafakana. Hita ao amin’io boky io ny lisitr’ireo zava-dehibe nitranga nanomboka tamin’ny famoronana. Tiany ho takatry ny olona mantsy hoe aiza ho aiza amin’ny fotoana sy ny tantara no misy azy ireo. Noraran’ny Eglizy Katolika anefa io boky io, satria nosoratan’i Mercator tao ny tenin’i Luther tamin’ny 1517 hoe tsy mety ny manome vola mba hahazoana famelan-keloka.

Taorian’izay, dia nanokana fotoana be dia be hanaovana sary sy hanomanana izay nilaina tamin’ny fanaovana pirinty an’ireo sarintaniny, i Mercator. Tapaka lalan-dra anefa izy tamin’ny 1590, ka tsy afa-niteny intsony sady lasa nalemy ny ilany havia. Sarotra be taminy àry ny nanohy ny asany. Tiany hovitaina anefa ilay asa efa nanokanany ny fiainany, ka nikiry nanohy azy io izy mandra-pahafatiny tamin’ny 1594, tamin’izy 82 taona. I Rumold zanany lahy no namita an’ireo sarintany dimy mbola tsy vitany. Nivoaka tamin’ny 1595 ny sarintany rehetra nataon’i Mercator. Io no bokin-tsarintany voalohany.

Mamakafaka ny toko voalohany amin’ny Genesisy io bokin-tsarintany io. Noporofoin’i Mercator hoe marina ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy araka ny fiheveran’ireo filozofa azy. Nantsoiny hoe “ilay tanjona nilofosako hatramin’izay” io boky io.

Ilay “mpahay jeografia miavaka indrindra”

Nohalehibeazina ilay bokin-tsarintany ary navoakan’i Jodocus Hondius tamin’ny fiteny maro, tamin’ny 1606. Maro be no lafo tamin’izy io. Nilaza i Abraham Ortelius, mpanao sarintany tamin’ny taonjato faha-16, fa i Mercator no “mpahay jeografia miavaka indrindra” tamin’izany andro izany. Vao haingana koa i Nicholas Crane no nilaza fa i Mercator no “olona voalohany nanao ny sarintanin’izao tontolo izao.”

Mbola ampiasaina hatramin’izao ny asan’i Mercator. Mandray soa amin’izany isika, ohatra, isaky ny mijery bokin-tsarintany na mampiasa fitaovana mifandray amin’ny zanabolana (GPS). Niavaka tokoa io lehilahy io! Nandritra ny fiainany manontolo izy no niezaka hamantatra hoe aiza ho aiza amin’ny fotoana sy ny tantara no misy azy hatramin’ny nahavitan’Andriamanitra ny famoronana.

[Efajoro, pejy 21]

NAZOTO NIANATRA BAIBOLY

Nino i Mercator fa mbola hanjaka etỳ an-tany ny fahamarinana sy ny fiadanana ary ny fahasambarana. Nanoratra boky iray manazava ny Romanina toko 1-11 izy, saingy tsy natao pirinty izy io. Noporofoiny tao fa diso ny fampianaran’i Calvin momba ny lahatra. Tsy nitovy hevitra tamin’i Martin Luther koa i Mercator, ka nilaza fa mila haseho amin’ny atao ny finoana raha te ho voavonjy. Nisy taratasy nosoratany koa nilaza fa “vokatry ny safidy nataon’ny olombelona ny ota, fa tsy hoe noforonina hanota isika na hoe misy ifandraisana amin’ny planeta [fanandroana]” izy io. Nolaviny koa ilay fampianaran’ny Katolika momba ny fiovan’ny mofo sy divay ho vatana sy ran’i Kristy, satria nihevitra izy fa tsy tokony horaisina ara-bakiteny ilay tenin’i Jesosy hoe: “Ity no vatako.”

[Efajoro/Sary, pejy 22]

HEVITRA HITAN’I MERCATOR

Andramo fisahina ange ny hodi-boasary mbola boribory e! Tsy hety mihitsy ilay izy raha tsy hoe tapahina angaha. Toy izany ny olana natrehin’ny mpanao sarintany. Sahiran-kevitra izy ireo hoe ahoana no hamadihana ny sarina bolantany ho sarintany fisaka. Nahita hevitra hamahana ilay olana anefa i Mercator: Nampitoviny ny elanelan’ireo laharam-pehintany, miainga avy eo amin’ny ekoatera mankany amin’ny tendrontany. Nanatsara be ny fanaovana sarintany izany, na dia nanova ny tena elanelana sy ny haben’ny tany sasany aza (indrindra fa rehefa mianatsimo na mianavaratra kokoa). Nanao ny sarintanin’izao tontolo izao i Mercator tamin’ny 1569, ary anisan’ny sangan’asa tena nampahalaza azy izy io. Mbola ampiasaina io hevitra hitan’i Mercator io, rehefa manao sarintany mampiseho an’ireo ranomasimbe na rehefa mampiasa fitaovana mifandray amin’ny zanabolana (GPS).

[Sary]

Toy ny hoe fisahina eo amin’ny varingarina novelarina ny sarina bolantany, raha tsorina ny hevitra hitan’i Mercator

[Sary, pejy 20]

Sarintanin’ny Tanin’i Israely misy anaran-toerana 400 mahery nataon’i Mercator, 1537

[Sary, pejy 20, 21]

Sarintanin’izao tontolo izao nataon’i Mercator, 1538

Mariho ilay hoe “AMERI CAE” eo amin’ny kontinanta amerikanina

[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]

Antwerpen, Stedelijk Prentenkabinet

[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]

Sarintany roa: From the American Geographical Society Library, University of Wisconsin-Milwaukee Libraries