Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko mba ho Tiako ny Mamaky Baiboly?

Inona no Hataoko mba ho Tiako ny Mamaky Baiboly?

Manontany ny Tanora Hoe...

Inona no Hataoko mba ho Tiako ny Mamaky Baiboly?

Isaky ny inona ianao no mamaky Baiboly? (Asio marika izay izy)

□ Isan’andro

□ Isan-kerinandro

□ Fotoana hafa ․․․․․

Iza amin’ireto no mahakasika anao?

Tsy te hamaky Baiboly aho satria... (Asio marika daholo izay izy)

□ Tsy tiako ilay izy

□ Tsy azoko izay vakiko

□ Tsy mahavita mifantoka

□ Antony hafa ․․․․․

KAMO mamaky Baiboly ve ianao? Mety hitovy hevitra àry ianao sy Will, ankizilahy 18 taona. Hoy mantsy izy: “Mety hahakamo tokoa aloha ny mamaky Baiboly e!” Hoy ihany anefa izy: “Mahakamo ilay izy, raha tsy hainao hoe ahoana no hatao rehefa hamaky azy.”

Mila hainao àry hoe ahoana no hatao rehefa hamaky Baiboly. Nahoana? Maro mantsy ny fanontaniana ilanao valiny. Ohatra hoe: Inona no hatao raha

te hahay hanapa-kevitra?

te hahazo namana tsara?

te hahazaka adin-tsaina?

Misy torohevitra mahasoa momba an’ireo sy ny hafa koa ao amin’ny Baiboly. Marina fa mila mikaroka ianao vao hahita azy ireny, nefa toy ny hoe mikaroka harena miafina ianao. Raha tena miezaka mafy ianao, dia ho faly be rehefa hitanao ilay harena!—Ohabolana 2:1-6.

Ahoana no hahitanao ireo harena ao amin’ny Baiboly? Atoro anao eto ankavanana hoe ahoana no hatao rehefa hamaky Baiboly. Misy fandaharana azonao arahina kosa ato ambadika. Andramo koa izay soso-kevitra tianao eo amin’ireo pejy manaraka.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

Misy Baiboly frantsay azonao vakina ao amin’ny Internet. Jereo ny www.watchtower.org/f/bible

ERITRERETO IZAO:

Voalaza fa tsy maintsy hisy vokany tsara izay ataonao, raha miezaka mafy ianao.

◼ Inona tokoa no soa ho azonao, raha miezaka mafy mamaky Baiboly ianao?

◼ Rahoviana ianao no mety ho afaka hamaky Baiboly?

[Efajoro/Sary, pejy 23]

AHOANA NO HATAO REHEFA HAMAKY BAIBOLY?

Alohan’ny hamakiana, dia...

◼ Mitadiava toerana mangina. Hifantoka tsara ianao amin’izay.

◼ Mivavaha mba ho azonao izay hovakinao.

Eo am-pamakiana, dia...

◼ Mampiasà sarintany. Mitadiava koa sary ahitana an’ireo tantara ao amin’ny Baiboly. Ho hitanao an’eritreritra amin’izay ny zavatra vakinao.

◼ Fantaro hoe oviana sy taiza ary nahoana no nosoratana ilay tantara. Diniho ny tsipiriany.

◼ Jereo ny fanamarihana ambany pejy sy ny fanondroana andininy hafa.

◼ Eritrereto...

NY MOMBAMOMBA ILAY ZAVATRA VAKINAO: Oviana no nitranga ilay izy? Iza no miteny, ary iza no iresahany?

NY DIKANY: Inona no holazainao, raha hanazava an’io ianao?

NY SOA AZONAO RAISINA: Nahoana no nataon’i Jehovah Andriamanitra tao amin’ny Teniny ilay tantara? Inona no ianaranao momba ny toetrany sy ny fomba fiasany? Inona no lesona azonao raisina?

Rehefa avy mamaky, dia...

◼ Manaova fikarohana fanampiny. Ampiasao ireo boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, toy ny boky Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay) sy Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa.

◼ Mivavaha indray amin’i Jehovah. Lazao aminy hoe inona no nianaranao, ary ahoana no hampiharanao an’ilay izy. Isaory izy satria nanome anao ny Baiboly.

[Efajoro/Sary, pejy 24]

 FANDAHARANA AZONAO ARAHINA

Afaka misafidy amin’ireto ianao:

□ Mamaky misesy an’ireo boky ao amin’ny Baiboly.

□ Mijery ny fotoana nanoratana ny boky rehetra ao, ka izay boky nosoratana voalohany no vakina voalohany.

□ Ovaovana isan’andro ny boky vakina.

Alatsinainy: Tantara mampientanentana (Genesisy ka hatramin’ny Estera)

Talata: Ny fiainan’i Jesosy sy ny fampianarany (Matio ka hatramin’ny Jaona)

Alarobia: Ny fiangonana kristianina voalohany (Asan’ny Apostoly)

Alakamisy: Faminaniana sy torohevitra (Isaia ka hatramin’ny Malakia, Apokalypsy)

Zoma: Tononkalo sy hira mampihetsi-po (Joba, Salamo, Tononkiran’i Solomona)

Asabotsy: Tenim-pahendrena (Ohabolana, Mpitoriteny)

Alahady: Taratasy ho an’ny fiangonana (Romanina ka hatramin’ny Joda)

Na inona na inona fandaharana arahinao, dia asio marika izay toko nijanonanao farany. Asio izay toko vitanao na mitadiava fomba hafa.

Hetezo ity ary tehirizo ao anaty Baibolinao!

[Efajoro/Kisary, pejy 24]

ATAOVY IZAY HITIAVANAO MAMAKY BAIBOLY

Andramo ireto:

□ Raha mitanisa ny razamben’ny olona iray na ny taranany ny toko vakinao, dia soraty ny anaran’izy ireo. Asio tsipika mampifandray azy ireo mba hahitana hoe iza no rain’iza, ary iza no zanak’iza.

Fintino izay vakinao, ka alaivo tahaka ilay modely eto ankavia. Raha mamaky tantaran’ny mpanompon’Andriamanitra iray, ohatra, ianao, dia soraty ny toetrany sy ny zavatra nataony ary ny fitahiana azony. Ampifandraiso amin’ny tsipika ireo avy eo.—Ohabolana 28:20.

[Kisary]

Naman’Andriamanitra

Nankatò

Tsy nivadika

Abrahama

□ Ataovy sary ilay tantara.

□ Raha misy zava-mitranga mifampitohitohy ao amin’ilay tantara, dia ataovy sary tsirairay izany. Hazavao avy eo ireo sary.

□ Raha misy resaka trano na zavatra hafa toy ny sambofiaran’i Noa ilay toko vakinao, dia manamboara trano kely na sambofiara kely.—Jereo, ohatra, ny Mifohaza! Janoary 2007, pejy 22.

□ Manasà namana na fianakaviana hiara-mamaky an’ilay tantara aminao, raha misy olona maromaro miteny ao amin’ilay izy. Ataovy mpitantara ny iray aminareo. Ny sisa kosa tendreo hamaky ny tenin’olona tsirairay.

□ Mifidiana tantara iray, ka ataovy toy ny hoe vaovao amin’ny tele na radio ilay izy, ary toy ny hoe mpanao gazety ianao. Tantarao izay nitranga. Makà koa olona vitsivitsy, ka ataovy toy ny hoe izy ireo no olona misongadina ao amin’ilay tantara, na nanatri-maso izay nitranga. Adinadino izy ireo.

□ Mitadiava tantaran’olona nanao fahadisoana. Eritrereto hoe inona no ho nitranga raha tsy nanao an’ilay fahadisoana izy. Diniho, ohatra, ny tantaran’i Petera. Nanda an’i Jesosy intelo izy. (Marka 14:66-72) Inona no tokony ho nataony mba tsy handavany an’i Jesosy?

□ Mijere DVD na mihainoa CD misy tantara ara-baiboly.

Mamoròna tantara avy amin’izay zavatra novakinao. Asio lesona azo raisina ao amin’ilay izy.—Romanina 15:4.

SOSO-KEVITRA: Mitadiava namana vitsivitsy hiara-milalao an’ilay tantara aminao.

[Efajoro/Sary, pejy 25]

TE HAZOTO HAMAKY BAIBOLY VE IANAO?

◼ Manàna tanjona! Rahoviana ianao no te hanomboka hamaky Baiboly tsy tapaka? Soraty eto izany.

․․․․․

◼ Mifidiana boky iray ao amin’ny Baiboly mahaliana anao. (Jereo ilay efajoro hoe  “Fandaharana Azonao Arahina.”) Soraty eto avy eo izay tianao hovakina voalohany.

․․․․․

◼ Tsy maninona na dia kely ihany aza aloha ny fotoana atokanao hamakiana Baiboly. Aleo, ohatra, manokana fahefatr’adiny, toy izay tsy mamaky mihitsy. Soraty eto hoe adiny firy no azonao atokana hamakiana Baiboly.

․․․․․

Soso-kevitra: Tsara raha manana Baiboly atokanao hianarana samirery ianao. Azonao anoratana ilay izy amin’izay. Azonao asiana marika koa izay andinin-teny mahaliana anao.

[Efajoro/Sary, pejy 25]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

“Miezaka mamaky andinin-teny vitsivitsy ao amin’ny Baiboly aho isan’alina. Mba manana zavatra tsara hoeritreretina aho amin’izay mandra-patoriko.”—Megan.

“Maka andinin-teny iray aho, ary manokana fahefatr’adiny hamakafakana an’iny. Vakiko daholo ny andininy hafa mifandray amin’ilay izy sy ny fanamarihana ambany pejy. Mbola manao fikarohana hafa aho avy eo. Tsy vitako akory indraindray ireo rehetra ireo, dia tapitra ilay fahefatr’adiny. Efa tena betsaka anefa ny soa raisiko!”—Corey.

“Efa nahavaky ny Baiboly manontolo tao anatin’ny 10 volana aho, indray mandeha. Sambany aho tamin’izay vao nahita hoe hay misy hevitra be dia be mifandray ao.”—John.

[Efajoro, pejy 25]

ANAO NY SAFIDY!

Tantara ve no tianao? Feno tantara mampientanentana sy tena nisy ao amin’ny Baiboly. Mifidiana iray, ary vakio hatramin’ny farany ilay izy.

Soso-kevitra: Raha te handalina an’ilay tantara ianao, dia jereo ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, pejy 292, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Filazantsara ve no tianao? Vakio ny Matio (Filazantsara nosoratana voalohany), na Marka (ahitana tantara mampientanentana), Lioka (miresaka betsaka momba ny vavaka sy ny vehivavy), na Jaona (ahitana zavatra be dia be tsy resahin’ny Filazantsara hafa).

Soso-kevitra: Fantaro aloha ny mombamomba an’ilay boky sy ny olona nanoratra azy. Ho hitanao kokoa amin’izay ny mampiavaka an’ilay izy.

Salamo ve no tianao?

Vakio ny Salamo 142 raha mahatsiaro ho manirery ianao.

Vakio ny Salamo 51 raha kivy ianao satria resin’ny fakam-panahy matetika.

Vakio ny Salamo 73 raha misalasala ianao hoe mahasoa sa tsia ny didin’Andriamanitra.

Soso-kevitra: Ataovy lisitra izay salamo efa novakinao, ka tena nampahery anao.

[Efajoro, pejy 26]

FAKAFAKAO IZAY VAKINAO

Diniho ireto: Oviana sy taiza ary nahoana no nosoratana ilay izy?

Ohatra: Vakio ny Ezekiela 14:14. Milaza i Jehovah ao fa olo-marina ry Noa sy Daniela ary Joba. Firy taona teo ho eo i Daniela tamin’izay?

Mety hanampy anao ity: Dimy taona monja taorian’ny nanaovana an’i Daniela sesitany tany Babylona, no nosoratana ny Ezekiela toko 14. Mety ho 15 taona izy rehefa natao sesitany.

Hevitra mahasoa: Mbola tanora kely i Daniela dia efa tsy nivadika tamin’i Jehovah. Hitan’i Jehovah ve izany sa tsia? Inona no fanapahan-kevitra noraisin’i Daniela, ka nahazoany fitahiana? (Daniela 1:8-17) Inona no azonao atao mba hahaizanao manapa-kevitra toa azy?

Diniho ny tsipiriany. Teny iray na roa monja indraindray dia efa misy dikany lehibe.

Ohatra: Ampitahao ny Matio 28:7 sy Marka 16:7. Nahoana i Marka no tsy nilaza fotsiny hoe hiseho tsy ho ela amin’ny mpianany i Jesosy, fa hoe hiseho “amin’i Petera” koa?

Mety hanampy anao ity: Tsy teo i Marka tamin’io. Azo inoana fa i Petera no nitantara taminy izay nitranga.

Hevitra mahasoa: Azo inoana fa tena faly i Petera rehefa nandre fa te hahita azy indray i Jesosy. Nahoana? (Marka 14:66-72) Inona no nataon’i Jesosy mba hanaporofoana fa tena naman’i Petera izy? Ahoana no hanahafanao an’i Jesosy?

Manaova fikarohana fanampiny. Mitadiava fanazavana ao amin’ny boky sy gazety ara-baiboly.

Ohatra: Vakio ny Matio 2:7-15. Oviana ireo mpanandro no namangy an’i Jesosy?

Mety hanampy anao ity: Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2008, pejy 31, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Hevitra mahasoa: Tsy maintsy nila sakafo sy zavatra hafa i Jesosy sy ny fianakaviany, tamin’izy ireo tany Ejipta. Ahoana no nanampian’i Jehovah azy ireo? Inona no ho vokany raha matoky an’Andriamanitra isika, rehefa misy zavatra mampiady saina antsika?—Matio 6:33, 34.