Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Ravina Voahirana

Ny Ravina Voahirana

Nisy Namorona Ve?

Ny Ravina Voahirana

◼ Kaopy plastika madio ho azy, varavarankely maina na dia tratran’ny orana aza, fitaovana bitika zara raha mifampikasoka rehefa miasa. Milaza ny mpahay siansa fa vao santionany fotsiny amin’ny soa mety horaisintsika ireo, raha fantatsika tsara ny mombamomba ny ravina voahirana.

Diniho izao: Feno dongona bitika ny tampon’ny ravina voahirana. Malamalama mangilohilo izy ireny. Hazonin’ireny dongona ireny ny rano mitete eo amin’ny ravina voahirana. Mikoriana manaraka ny tehezan’ilay ravina ilay rano, raha mbola tsy mitehika amin’ny tampon’ilay ravina akory. Noho izany dia maina sy madio foana ny ravina voahirana. Lasan’ilay rano mantsy ny loto sy ny vovoka teo aminy.

Te hamorona fitaovana afaka maka tahaka ny fomba fiasan’ny ravina voahirana ny mpahay siansa. Tsy ho mora simba intsony amin’izay, na dia ny fitaovana bitika mora simban’ny rano aza. Hoy ny gazety Siansa Isan’andro (anglisy): “Azo ampiasaina amin-javatra maro ireo lafiny mampiavaka ny ravina voahirana ireo.”

Ahoana no hevitrao? Nisy ho azy ve ny ravina voahirana, sa nisy namorona?