Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Ny ampahefatry ny biby manana taolan-damosina no lany tamingana, teo anelanelan’ny 1970 sy 2005. Anisan’izany ny biby velona anaty rano sy an-tanety, biby mandady, biby mampinono, trondro, ary vorona.—SÜDDEUTSCHE ZEITUNG, ALEMAINA

Nisondrotra 2,2 tapitrisa isan-jato ny vidim-piainana tany Zimbabwe. Mba hiatrehana an’izany, dia nesorina ny zero folo tamin’ny vola taratasy tany an-toerana, tamin’ny Aogositra 2008. Lasa 1 “zimdollar” àry ny vola 10 000 000 000 dolara teo aloha.—AGENCE FRANCE PRESSE, ZIMBABWE.

“Araka ny tatitra azo dia 12 000 mahery ny vonoan’olona nampiasana basy tany Etazonia, tamin’ny 2005. Mbola be lavitra noho izany anefa ireo voatifitra nefa tsy maty. Efa ho 53 000 mantsy no notsaboina tany amin’ny hopitaly, tamin’ny 2006.” —THE SEATTLE TIMES, ETAZONIA.

“Tsara Fanahy” ve ny Olona Rehefa Krismasy?

Ny 20 isan-jaton’ireo mangataka fisaraham-panambadiana any Aostralia no manao izany avy hatrany aorian’ny Krismasy sy Taom-baovao, araka ny Sunday Telegraph. Hoy i Barry Frakes, mpisolovava: “Vao manomboka miasa izahay aorian’ny fety, dia efa feno mpivady avy niady eo am-baravarana. Mieritreritra ny olona fa ho tonga lafatra toy ny amin’ny tele sy amin’ny dokam-barotra ny krismasiny.” Te hisaraka izy ireo, rehefa tsy mitovy amin’ilay heveriny fa tonga lafatra ny fiainany. Hoy anefa i Angela Conway, mpitondra tenin’ny Fikambanan’ny Fianakaviana Aostralianina: “Matetika ny fisaraham-panambadiana no tsy mamaha ny olana efa nisy hatry ny ela sady tsy mahasambatra araka ny iheveran’ny olona azy.” Izao no toroheviny: “Aleo tsy misaraka fa miezaka mandamina ny olana.”

“Trano Fiterahana” Mamonjy Aina

Miezaka mampihena ny isan’ny reny maty eo am-piterahana, ny any Peroa. Ampirisihina hitady fikarakarana ara-pahasalamana ara-dalàna ny vehivavy any Andes, fa tsy hiteraka any an-tranony. “Trano fiterahana” 390 àry no nosokafana tany Peroa, tato anatin’ny folo taona. Afaka mipetraka any ny vehivavy bevohoka sy ny fianakaviany, mandra-pahatongan’ny fotoana hiterahany. Eny akaikin’ny tobim-pahasalamana no misy azy ireny. Milaza ny masoivohom-baovao Reuters any Cuzco, fa anisan’ny itiavan’ny olona an’ireo tobim-pahasalamana ireo ny fampiasany “fitsaboana maoderina sy nentim-paharazana”, toy ny “fiterahana eo am-pitsanganana. ... Haingana kokoa ny fiterahana amin’io fomba io. ... Hitan’ilay reny tsara koa ny ilatsahan’ny zanany fa tsy toy ny rehefa mitsilany.”

Tara Lava

Nasehon’ny tatitry ny Minisiteran’ny Fitaterana any Etazonia tamin’ny 2008, fa ny 30 isan-jaton’ny zotra ana habakabaka any Etazonia no tara fahefatr’adiny mahery. Anisan’ny tena nanafintohina ny olona ny zotra iray mampitohy an’i Texas sy Kalifornia, noho izy io tara foana.