Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Voangory Fotsy

Ny Voangory Fotsy

Nisy Namorona Ve?

Ny Voangory Fotsy

◼ Misy kirany mifanindry ny vatan’ny voangory fotsy antsoina hoe Cyphochilus, ary toy ny hanifin’ny singam-bolo nozaraina folo ny hanifin’izy ireny. Hoy i Pete Vukusic, manam-pahaizana avy any amin’ny Oniversiten’i Exeter, any Grande-Bretagne: “Toy ny hoe tany amin’ny tontolo hafa tanteraka aho, tamin’izaho nandinika azy ireny tamin’ny mikraoskaopy. Tena nahavariana ilay izy.”

Diniho izao: Hitan’i Vukusic fa tsy hoe loko ao amin’ny vatan’ilay voangory no mahatonga azy ho fotsy manjopiaka. Misy toy ny kofehy faran’izay manify sady mifanelanelana mantsy ao amin’ny kirany tsirairay, ka lasa miparitaka tsara ny hazavana. Hoy ny gazety Siansa Isan’andro (anglisy): “Misy rihitra mineraly ampiasaina mba hanamboarana loko, plastika, na taratasy fotsy, ohatra. Raha tiana ho fotsy manjopiaka toy ny an’ilay voangory ny hafotsin’ireny, dia tokony ho avo roa heny ny haditin’ilay rihitra ampiasaina.”

Eny amin’ny holatra fotsy matetika no ahitana an’io karazana voangory io. Tsy voavaka anefa izy ireo, araka ny hitan’ny manam-pahaizana, satria tena mitovy loko. Izay azo alain-tahaka amin’ilay bibikely, ka mety hahasoa ny olombelona no tena mahaliana azy ireo. Ilainy izany, ohatra, rehefa te hanamboatra zavatra fotsy be avy amin’ny akora tsy voajanahary izy. Hoy i Vukusic: “Raha afaka maka tahaka ny zavatra hita ao amin’ny kiran’ilay voangory ny manam-pahaizana, dia tena hihatsara” ny taratasy anoratantsika, ny lokon’ny nifintsika, ary na ny hazavan’ny jiro aza.

Ahoana no hevitrao? Nisy ho azy ve ny voangory fotsy? Sa nisy namorona?

[Sary, pejy 24]

Mitovitovy amin’ny haben’ny tendron’ny rantsantananao ny voangory fotsy (sary nohalehibeazina)

[Sary nahazoan-dalana]

Department of Entomology, Kasetsart University, Bangkok