Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Takelaka Manamarina ny Tantara ao Amin’ny Baiboly

Takelaka Manamarina ny Tantara ao Amin’ny Baiboly

Takelaka Manamarina ny Tantara ao Amin’ny Baiboly

◼ Nisy takelaka tanimanga hita tany akaikin’i Bagdad, any Irak, tamin’ny taona 1875 tany ho any. Mirefy 5,5 santimetatra ny sakan’izy io. Nanao fikarohana tao amin’ny Tranombakoka Britanika i Michael Jursa, mpampianatra ao amin’ny oniversite iray any Aotrisy, tamin’ny 2007. Hitany tao io takelaka io, izay nisy ny anaran’i Nebo-sarsekima (na Nabo-saroso-okina, amin’ny teny babylonianina). Manamboninahitra babylonianina izy io, ary hita ao amin’ny Jeremia 39:3 ny anarany. *

Anisan’ny mpitari-tafik’i Nebokadnezara Mpanjaka i Nebo-sarsekima tamin’ny fotoana nandravana an’i Jerosalema, tamin’ny 607 T.K. Voasoratra teo amin’ilay takelaka fa nantsoina hoe “lehiben’ny tandapa” izy. Tsy nanendry lehiben’ny tandapa afa-tsy iray ny mpitondra fahiny. Porofoin’izany fa ilay Sarsekima ao amin’ny Baiboly ihany io voaresaka ao amin’ilay takelaka io.

Voasoratra ao amin’ilay takelaka fa nitondra volamena tao amin’ny tempolin’i Merodaka i Nebo-sarsekima. I Merodaka no andriamanitra lehibe indrindra tany Babylona, ary ao amin’ny Baiboly koa ny anarany. (Jeremia 50:2) Voalaza teo amin’ilay takelaka fa naterina tamin’ny andro faha-18, tamin’ny volana faha-11, tamin’ny taona faha-10 nanjakan’i Nebokadnezara ireo volamena ireo. Tsy volamena avy tany Jerosalema anefa ireo, satria taona maro tatỳ aoriana vao noravana io tanàna io. (2 Mpanjaka 25:8-10, 13-15) Na izany aza dia hoy i Jursa: “Somary miavaka ny fahitana takelaka iray misy anaran’olona voalaza ao amin’ny Baiboly, nitondra volamena tao amin’ny tempoly tany Babylona, ary misy daty mazava tsara.” Io no voalaza fa ny zavatra niavaka indrindra hita tamin’ny fikarohana momba ny Baiboly. Hoy ny gazety Telegrafy any Grande-Bretagne: “Porofoin’izy io fa nifanaraka tamin’ny zava-nisy ny tantara ao amin’ny Testamenta Taloha.”

Tsy mila miantehitra amin’ny arkeolojia anefa isika mba hanaporofoana fa marina ny Baiboly. Misy porofo mavesa-danja kokoa ao anatiny, indrindra ao amin’ireo faminaniana. (2 Petera 1:21) Zato taona mialoha, ohatra, dia efa niteny tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany i Jehovah Andriamanitra, fa hoentina “any Babylona” ny zava-tsarobidy rehetra ao Jerosalema. (Isaia 39:6, 7) Hoy koa izy tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany: “Hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony ny tahiry rehetra ato [Jerosalema] ... Dia horobain’ny fahavalony sy halainy ireny, ka hoentiny any Babylona.”—Jeremia 20:4, 5.

Nahita ny fahatanterahan’io faminaniana io i Nebo-sarsekima, satria iray tamin’ireo fahavalo ireo izy. Anisan’ny nanatanteraka an’io faminaniana io mihitsy aza izy, na fantany izany na tsia.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ “Samgara-nebo, Sarsekima, Rabsarisa” no hitantsika ao amin’ny Jeremia 39:3, amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Ny mari-piatoana ao amin’ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta mantsy no narahina. Mety ho azo adika toy izao koa anefa ireo renintsoratra amin’ny teny hebreo: “Samgara, Nebo-sarsekima Sabsarisa [na Lehiben’ny Tandapa].” Mifanaraka amin’ny voalaza ao amin’ilay takelaka izany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 11]

Copyright The Trustees of the British Museum