Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankizy Miferinaina

Ankizy Miferinaina

Ankizy Miferinaina

◼ Nanontanian’ny mpampianatra i Pablo, ankizilahy valo taona any Espaina, hoe nahoana izy no tsy nahavita devoara. “Reraka aho sady tsisy fotoana”, hoy izy, mbola te hatory. Maro ny ankizy toa azy no mandany adiny 12 na mahery isan’andro, mba hianarana sy hanaovana devoara ka tena vizana. Nahoana no be atao toy izany ny ankizy?

Misy ray aman-dreny mampanao zavatra hafa ny zanany aorian’ny ora fianarana. Amin’izay ilay ankizy mba misy atao mandra-pahatongan’izy mivady ao an-trano. Ny hafa indray manery ny zanany hianatra zavatra maro, satria tiany hahay be sy hahita asa tsara izy ireo. Maro àry ny olona any Korea Atsimo no mandefa ny zanany any amin’ny sekoly mampanao fianarana mafy be. Misy fotoana izy ireo miditra amin’ny 7.30 maraina ary mirava amin’ny misasakalina, na aorian’izay, na mianatra hatramin’ny alahady, ka reraka be. Hoy ny Gazetin’i New York (anglisy): “Miady mafy izy ireo mba hahatafiditra an-janany any amin’ny oniversite tsara indrindra.”

Hoy ny gazety Vehivavy Ankehitriny (espaniola): “Maniry ny tsara indrindra ho an-janany ny ray aman-dreny sarotiny, ka mitaky be loatra amin’izy ireo.” Mba hampifaliana ny ray aman-dreniny àry, dia manao ny ainy tsy ho zavatra ny ankizy, ka lasa miferinaina be. Hoy i Antonio Cano, lehiben’ny fikambanana espaniola iray: “Mizaka ny tsy eran’ny ainy ny tanora, araka ny hitanay.” Nilaza koa ny manam-pahaizana iray fa ny 40 isan-jaton’ny ankizy latsaka ny 15 taona any Espaina no miferinaina loatra. Manimba ny ankizy izany ka mety hamono tena mihitsy izy. Izao, ohatra, no lazain’ny Gazetin’i New York momba an’i Korea Atsimo: “Manarakaraka ny lozam-pifamoivoizana, dia ny famonoan-tena no mahafaty ny tanora 10 ka hatramin’ny 19 taona.”

Tokony hanararaotra hianatra mafy ny ankizy dieny mbola kely, ary tokony hanampy azy ireo araka izay vitany ny ray aman-dreny. Milaza anefa i Irene Arrimadas, mpampianatra, fa “tsy olon-dehibe ny ankizy ka hoe hahavita hanao ezaka mafy mandritra ny ora maro.” Fantatry ny ray aman-dreny be fitiavana izany, ka miezaka izy ireo mba hahafahan’ny zanany hiala sasatra tsara sy hiara-miala voly aminy. Ilaina àry ny mahay mandanjalanja. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.”—Mpitoriteny 4:6. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Misy fanazavana fanampiny momba ny olana atrehin’ny ankizy, ao amin’ny andian-dahatsoratra hoe “Be Atao Loatra ve Ianao any Am-pianarana?”, ao amin’ny Mifohaza! Aprily 2009.