Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nandositra mba Tsy ho Faty ary Nahita ny Fiainana

Nandositra mba Tsy ho Faty ary Nahita ny Fiainana

Nandositra mba Tsy ho Faty ary Nahita ny Fiainana

Notantarain’i Sam Tan

Nandositra avy tany Kambôdza, tany niavianay, izahay mianakavy sy ny Kambôdzianina 2 000 teo ho eo. Tonga teo amin’ny renirano manamorona an’i Tailandy ihany izahay rehetra. Nifanizina tao amin’ny sambokely iray, anisan’ny mpitondra mpitsoa-ponenana, izahay. Vao lasa mihitsy ny sambo farany, dia tonga ny miaramilan’ny Khmer Rouge ary nitifitra anay.

TONGA soa aman-tsara tany Tailandy ny rehetra ka faly. Nalahelo kosa izahay. Tsy teo mantsy i Dada sy Dadatoa, satria nosarahina taminay, volana vitsivitsy talohan’izay. Nipetraka i Neny ary nitomany. Aleo anefa aloha hotantaraiko ny zava-nitranga sasany teo amin’ny fiainako.

Bodista aho tamin’ny mbola kely

Teraka tany Kambôdza aho, tamin’ny 1960. Telo mianadahy izahay. Tamin’izaho sivy taona, dia nanapa-kevitra izaho sy ny ray aman-dreniko fa hanompo any amin’ny tempoly bodista aho, toy ny ankizilahy maro. Amin’ny enina maraina eo ho eo ny moanina no miala ao amin’ny tempoly, ary mitety trano mba hangataka sakafo. Sarotra tamiko izany, satria hita hoe tena nahantra ny olona sasany. Izahay moanina zandriny no nikarakara ny sakafo. Nandroso izany ho an’ny moanina zokiny izahay, ary avy eo vao nisakafo.

Miara-mivavaka ny moanina zokiny amin’ny enina hariva, ary fiteny zara raha misy mahazo no ampiasainy. Lasa moanina kely aho, roa taona tatỳ aoriana, ary nahazo tombontsoa sasany ananan’ny moanina zokiny. Afaka niara-nivavaka tamin’izy ireo aho. Nieritreritra aho tamin’izany fotoana izany hoe tsy nisy afa-tsy ny fivavahana bodista.

Nandositra avy tany Kambôdza

Tsy tiako ny fiainana tany amin’ny tempoly, ka nody aho rehefa 14 taona. Tsy ela taorian’izay, dia i Pol Pot, mpitarika ny Khmer Rouge, no nitondra tamin’ny 1975 ka hatramin’ny 1979. Mba hanovana an’i Kambôdza ho fanjakana kominista, dia noterena hifindra tany ambanivohitra ny mponina rehetra tany an-tanàn-dehibe. Anisan’izany ny fianakavianay. Nalain’ny miaramilan’i Pol Pot i Dada sy Dadatoa, tatỳ aoriana, ary tsy hitanay intsony. Efa ho 1 700 000 tamin’izany ny Kambôdzianina maty, satria reraka loatra, narary, tsy ampy sakafo, na novonoina tany amin’ny toerana famonoana olona.

Izany no nahatonga anay 2 000, voalaza terỳ aloha, hamakivaky toerana be tendrombohitra, mba hahatongavana tany Tailandy. Naharitra telo andro ilay dia ary nampidi-doza. Tonga soa aman-tsara anefa izahay rehetra, anisan’izany ny zazalahy kely iray teraka teny an-dalana. Nitondra vola ny ankamaroanay, nefa nariana fotsiny ilay izy rehefa tonga tany Tailandy, satria tsy nisy vidiny.

Ny fiainako tany Tailandy

Nipetraka tany amin’ny havana izahay mianakavy tany Tailandy. Lasa mpivarotra trondro aho. Be trondro any amin’ny faritr’i Kambôdza, ka tany matetika no nalehanay. Nivezivezy tany koa anefa ny sambon’ny Khmer Rouge. Raha sanatria tratra izahay, dia ny sambonay sy ny ainay no ho nafoinay. Indroa izahay no saiky tratra. Nisy ihany anefa ny voasambotra, anisan’izany ny mpiray tanàna tamiko, ka notapahin-doha. Natahotra be aho nefa mbola nanjono tany ihany, satria ho faty noana ny fianakaviako raha tsy izany.

Te hanampy kokoa ny fianakaviako aho, ka tapa-kevitra ny handeha any amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tany Tailandy, ary hangataka ny halefa any amin’ny firenen-kafa. Avy any aho no handefa vola ho azy ireo. Tsy nanaiky mihitsy ny havako rehefa nilazako izany. Efa tongotra mby an-dakana anefa ny ahy.

Nisy olona niteny anglisy nitsidika an’ilay toby, ary nilaza fa Kristianina. Teo vao fantatro fa hay misy fivavahana hafa ankoatra ny Bodisma. Nanomboka nifandray tamin’ireo “Kristianina” ireo izaho sy Teng Hann, namako vaovao. Nampiseho Baiboly taminay izy ireo, ary nanome sakafo anay. Nipetraka herintaona tao amin’ilay toby aho, ary nangataka ny hafindra tany Nouvelle-Zélande avy eo.

Niova ny fiainako tany Nouvelle-Zélande

Nekena ny fangatahako tamin’ny Mey 1979, ka lasa tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tany Auckland aho, tsy ela taorian’izay. Nisy olona tsara fanahy nanampy ahy, ka nampiditra ahy tao amin’ny orinasa iray any Wellington. Niasa mafy aho tany ary nandefa vola ho an’ny fianakaviako, araka ny efa nampanantenaiko.

Te hianatra momba ny Fivavahana Kristianina aho, ka nandeha tany amin’ny fiangonana protestanta roa. Zara raha nampiasa Baiboly anefa ry zareo. Te hahay hivavaka aho ka nisy namako nampianatra ahy ny Rainay Izay any An-danitra. (Matio 6:9-13) Tsy nisy nanazava tamiko izay tena dikan’io vavaka io anefa. Toy ny nataoko tamin’ny vavaka bodista ihany àry, dia naverimberiko fotsiny ilay izy fa tsy nisy azoko.

Nikorontana ny tokantranoko

Nanambady aho tamin’ny 1981. Natao batisa izahay mivady, herintaona teo ho eo tatỳ aoriana. Nofafazan’ilay pasitera rano teo ambony lohanay. Nanana asa roa sy trano tsara tarehy aho tamin’izay. Tsy nahazo an’izany mihitsy aho tany Kambôdza. Tsy sambatra anefa aho. Nikorontana mantsy ny tokantranonay. Mba niangona ihany izahay nefa tsy voavaha ny olana. Izaho rahateo niloka, nifoka, nisotro be loatra, ary nijangajanga. Nanenjika ahy anefa ny eritreritro, ary nino aho fa tsy ho lasa an-danitra mihitsy, satria ny olo-marina ihany, hono, no mankany rehefa maty.

Nandefasako vola i Neny sy ny anabaviko tamin’ny 1987, ka tonga tany Nouvelle-Zélande, ary niara-nipetraka taminay kelikely. Rehefa lasa izy mianaka, dia iny koa aho no lasa. Nifindra tany Auckland izahay telo mianaka.

Nianatra Baiboly aho tamin’ny farany

Nihaona tamin’ny lehilahy roa nitety trano aho, raha iny hivoaka ny tranon’ny namako iny. Hoy i Bill, iray tamin’izy ireo: “Manantena ho aiza ianao rehefa maty?” “Any an-danitra”, hoy aho. Nasehony ahy avy tao amin’ny Baiboly fa 144 000 ihany no hankany an-danitra, ary hanjaka amin’ny tany. Nolazainy koa fa hovana ho paradisa ny tany, ary honenan’ny olona an-tapitrisany matahotra an’Andriamanitra. (Apokalypsy 5:9, 10; 14:1, 4; 21:3, 4) Tezitra aloha aho satria tsy izany mihitsy no nampianarina ahy. Nampiaiky volana ahy anefa ny fahaizan’izy ireo Baiboly sy ny fahatoniany. Nanenina mihitsy aho tsy mba nanontany ny fivavahany.

Nisy namako notsidihiko, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana. Nianatra Baiboly tamin’ilay bokikely Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! ny zanany. Mpivady nantsoina hoe Dick sy Stephanie no nampianatra azy ireo. Novakiko ilay bokikely, ary hitako fa nitombina daholo izay voalaza tao. Fantatro fa Vavolombelon’i Jehovah izy mivady. Tsy maintsy ho Vavolombelona koa izany ireo roa lahy hitako vao haingana. Nitovy mantsy ny zavatra nolazain’izy ireo sy ilay bokikely.

Te hahalala bebe kokoa aho, ka nasaiko tany an-trano i Dick sy Stephanie ary nototofako fanontaniana ara-baiboly. Nanontany ahy i Stephanie, tatỳ aoriana, raha haiko ny anaran’Andriamanitra. Nasehony ahy ny Salamo 83:18, manao hoe: “Mba ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!” Nanohina ny foko ilay andinin-teny, ka nianatra Baiboly tsy tapaka aho. Niara-nianatra tamiko koa i La, ilay vehivavy laosianina niara-niaina tamiko. Nohafarako ny rahalahiko sy ny vadiny, tamin’izay. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona koa izy ireo, rehefa tonga tany Nouvelle-Zélande.

Tapaka anefa ny fianaranay sy La, satria tsy maintsy nifindra tatỳ Aostralia izahay noho ny asa. Nifantoka tamin’ny fitadiavana izahay, nefa nanembona ny fianaranay Baiboly. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah àry izahay, indray alina, mba hihaonanay indray amin’ny vahoakany.

Nivaly ny vavakay

Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’izaho avy niantsena, dia nisy Vavolombelona roa teo am-baravaranay. Nisaotra an’i Jehovah anakampo aho. Nianatra indray izaho sy La, ary nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy ela dia fantatro fa nila novako ny fiainako mba hampifaliana an’Andriamanitra. Nialako àry ny fahazaran-dratsiko, ary notapahiko ny voloko. Nihomehezan’ny namako taloha aho, nefa niezaka ny tsy ho tezitra. Tsy maintsy nisoratra koa izaho sy La. Mbola tsy mpivady mantsy izahay, ary mbola tsy nisaraka ara-dalàna tamin’ilay vadiko aho. Niverina tany Nouvelle-Zélande àry izaho sy La tamin’ny 1990.

Avy hatrany dia nitelefaonina an-dry Dick izahay. Nihiaka i Stephanie hoe: “Noheveriko fa tsy hahita anareo intsony izahay, ry Sam!” Nianatra Baiboly niaraka tamin’izy ireo indray àry izahay. Vao azo ny taratasy fisaraham-panambadiako, dia nivady izaho sy La ary nilamina ny sainay. Nijanona tany Nouvelle-Zélande izahay, ary natao batisa mba hampisehoana fa nanokan-tena ho an’Andriamanitra. May erỳ aho hizara izay nianarako. Nisy Kambôdzianina sy Tailandey tany Auckland sy ny manodidina, ka faly aho afaka nampianatra Baiboly ny maromaro taminy.

Niverina teto Aostralia izahay

Niverina teto Aostralia izaho sy La tamin’ny Mey 1996, ary mipetraka eto Cairns, atỳ avaratr’i Queensland. Mandrindra ny asa fitoriana amin’ny Kambôdzianina sy Laosianina ary Tailandey eto no andraikitro.

Misaotra an’i Jehovah foana aho noho ny fitahiana maro nomeny ahy, anisan’izany ny vadiko sy ny zanako telo lahy, dia i Daniel sy Michael ary Benjamin. Tena faly koa aho satria nanaiky ny fahamarinana i Neny, ny anabaviko, ny rahalahiko, ny rafozambaviko, ary Teng Hann, ilay namako tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana. Mbola malahelo an’i Dada sy Dadatoa izahay, nefa tsy hoe kivy tanteraka. Fantatray mantsy fa rehefa hatsangana ny maty, dia hanarina ny tsy mety vokatry ny tsy rariny Andriamanitra, ka “tsy hotsarovana intsony, na hitamberina ao am-po” izany.—Isaia 65:17; Asan’ny Apostoly 24:15.

Taona vitsivitsy lasa izay, dia nisy olona hitako tany amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Iza izany, hoy ianareo? I Bill, ilay nihaona tamiko taona maro talohan’izay. “Tadidinao ve izaho?”, hoy aho taminy.

“Ie”, hoy izy. “Tany Nouvelle-Zélande isika no nifanena, ary nilaza taminao aho hoe 144 000 ihany no hankany an-danitra.” Mbola tadidin’i Bill ihany aho. Nifamihina izahay mirahalahy ary nifampitantara ny lasa.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]

Eo andamosina: AFP/Getty Images