Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voromahery Mpihaza any Amin’ny Alan’ny Tany Mafana

Voromahery Mpihaza any Amin’ny Alan’ny Tany Mafana

Voromahery Mpihaza any Amin’ny Alan’ny Tany Mafana

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY EKOATERA

◼ Tsy maintsy ho talanjona ireo mpikaroka tany vaovao tonga tatỳ Amerika Atsimo, rehefa nahita an’io vorona goavam-be io. Tena nahavariana azy ireo izy io, ka nomeny anarana hoe ‘ilay mpaka an-keriny’, toy ny an’ilay bibiolona mampihoron-koditra ao amin’ny angano grika.

Mbola mahavariana ny olona foana io vorona io ankehitriny. Iray metatra latsaka kely ny haavony, ary mahatratra roa metatra ny fivelaran’ny elany roa. Anisan’ny voromahery lehibe sy matanjaka indrindra eto an-tany izy io, ary fahita ao amin’ireo ala tropikaly any Amerika Afovoany sy Atsimo. Ny vavy no lehibe kokoa, ary mety hahatratra sivy kilao ny lanjany. Lava sy matanjaka koa ny hohony ary mety hahatratra 13 santimetatra, izany hoe avo roa heny noho ny halavan’ny hohon’ny voromahery hafa. Milaza ny gazety Vaovao Momba ny Tany Ankehitriny (anglisy) fa tena matanjaka ny hohon’io vorona io, ka mety hahapotika ‘ny taolan’ny bibikamo sy ny gidro ary ny biby hafa. Matetika no maty eo no ho eo ny biby azony.’ Tsy re tsaika anefa io voromahery io rehefa mandalo eny ambony eny, na dia vaventy sy lava hoho aza.

Tandindomin-doza

Tsy voatery hatahotra an’io voromahery io ny olona. Izy io aza no tokony hatahotra ny olombelona. Mihaza azy io amin’ny fomba tsy ara-dalàna mantsy ny olona sady manimba ny ala, ka atahorana ho lany tamingana izy io. Mahalana izao io vorona io vao mba hita mihaodihaody eny ambony eny. Nofidina ho vorona famantarana ny firenen’i Panama izy io mba hiarovana azy, ary sazina mafy izay tratra mihaza azy io tsy ara-dalàna.

Miezaka miaro an’io vorona io koa izao ny eto Ekoatera. Nanazava i Yara Pesantes, dokoteram-biby ao amin’ny Valan-javaboary Manan-tantaran’i Guayaquil, fa efatra na dimy taona ny voromahery mpaka an-keriny vao afaka manatody. Isaky ny roa taona koa izy no manatody, ary tsy mihoatra ny roa ny atodiny. Tena sarotra ny fiarovana azy io, noho izany. Manan-janaka ihany anefa ireo voromahery tezaina ao amin’ilay valan-javaboary, ary salama tsara ny zanany. Tsy voatery hiaro an’ireo biby atahorana ho lany tamingana intsony ny olona, atsy ho atsy. Nahoana? Hitondra ny tany mantsy i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona, ary hoporofoiny fa nisy antony tsara ny namoronany an’ity tany ity sy ireo zavaboary mahatalanjona eo aminy.—Salamo 104:5; Isaia 45:18.

[Sary, pejy 25]

Voromahery asiana famantarana

[Sary nahazoan-dalana]

Pete Oxford/Minden Pictures

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Tui De Roy/Roving Tortoise Photos