Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hatahotra ny Maty ve Ianao?

Tokony Hatahotra ny Maty ve Ianao?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tokony Hatahotra ny Maty ve Ianao?

Milaza ny Annang, foko any Nizeria, fa rehefa alevina ny maty dia tokony hoderaina sy hankasitrahana araka ny tokony ho izy. Raha tsy izany, hono, dia hanisy ratsy ny havany ny fanahin’izy ireny, ka hamono azy ho faty. Mino koa ny Sinoa sasany fa hanafika ny velona ny fanahin’ny maty, ary hamono azy mihitsy, raha tsy arahina ny fombafomba fandevenana.

FAHITA any amin’ny tany maro ny finoana fa mandao ny vatana ny fanahy rehefa maty ny olona. Maro koa no mino fa afaka manampy na manisy ratsy ny havany sy ny namany ny fanahin’ny maty.

Misy fanahy tokoa ve mandao ny vatana rehefa maty ny olona? Mahatsiaro tena ve ny maty? Afaka manisy ratsy ny velona ve izy? Inona no lazain’ny Baiboly?

Mahatsiaro tena ve ny maty?

Milaza ny Baiboly fa “tsy mahalala na inona na inona” ny olona rehefa maty, sady “tsy mahefa na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5; Isaia 26:14) Mariho koa izay lazainy momba an’i Adama, lehilahy voalohany: “I Jehovah Andriamanitra namorona ny olona [Adama] avy tamin’ny vovoky ny tany, sady nitsoka fofonaina nankao am-bavorony, ka lasa zavamananaina ny olona.”—Genesisy 2:7.

Tsy voalaza eo mihitsy hoe misy fanahy nampidirina tao amin’i Adama. Noho izany, rehefa nanota izy ka maty, dia tsy nisy fanahy niala tamin’ny vatany. Toy izany koa no mitranga amin’ny taranak’i Adama rehetra, satria nandova ota sy tsy fahalavorariana izy ireo. Rehefa maty àry ny olona dia maty, fa tsy misy fanahy mandao ny vatana.—Romanina 5:12.

Tsy mampiasa teny sarotra ny Baiboly rehefa manazava ny hoe maty. Mora azo, ohatra, ny hoe “renoky ny torimasom-pahafatesana.” (Salamo 13:3) Rehefa nisy zazavavy 12 taona maty koa, dia nilaza i Jesosy fa “matory” izy. ‘Nihomehy’ azy ny olona, “satria fantatr’izy ireo fa maty razazavavy.” Nofohazin’i Jesosy avy tamin’ny torimasom-pahafatesana anefa ilay zazavavy avy eo.—Lioka 8:51-54.

Toy izany koa tamin’i Lazarosy maty. Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy fa handeha ho any amin’i Lazarosy, mba “hamoha azy.” Tsy azon’ny mpianatra ny tiany holazaina, ka ‘notsoriny hoe: “Maty i Lazarosy.” ’ Niresaka ny amin’ireo “nodimandry” koa ny apostoly Paoly, ary nilaza fa hovelomina indray izy ireny, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra.—Jaona 11:11-14; 1 Tesalonianina 4:13-15.

Tsy milaza mihitsy àry ny Baiboly hoe misy fanahy mandao ny vatana rehefa maty ny olona. Noho izany, dia tsy misy antony tokony hatahorana ny maty. Nahoana anefa no be dia be ny olona mino an’izany? Inona no mahatonga ny olona hatahotra fa afaka manisy ratsy ny velona ny maty?

Misy lainga sy fitaka

Ampianarin’ireo fivavahan-diso, fa tsy tena maty ny olona maty. Efa ela be ny olona eran-tany no nino fa tsy mety maty ny fanahy. Rehefa maty àry ny mpitondra sasany, dia novonoina koa ny andevony. Amin’izay, hono, hanana mpanompo izy any amin’ilay fiainany vaovao. Izany, ohatra, no natao rehefa nisy Faraon’i Ejipta maty.

Matetika rehefa misy olona mijaly, dia misy milaza aminy fa ny fanahin’ny maty no mahatonga an’izany. Mino àry izy ireo fa ny fanahin’ny havany na ny an’ny olon-kafa no tsy faly aminy, ka mampijaly azy. Hita ao amin’ny Soratra Masina anefa fa tsy marina izany. Fanahy ratsy tsy hita maso antsoina hoe demonia no mampijaly azy ireo. Faly mampahory sy mampatahotra olona ny demonia.—Lioka 9:37-43; Efesianina 6:11, 12.

Antsoin’ny Soratra Masina hoe “rain’ny lainga” i Satana, sady “miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava.” “Mamitaka ny tany rehetra misy mponina” izy sy ny demoniany. (Jaona 8:44; 2 Korintianina 11:14; Apokalypsy 12:9) Izy, raha ny marina, no niavian’ilay lainga hoe tsy mety maty ny fanahy ary afaka manisy ratsy ny velona.

Tsy voafitak’ireny lainga ireny anefa ny olona mino ny Baiboly. Fantany kosa fa miezaka mamitaka ny olona i Satana, mba hinoan’izy ireo fa afaka mifandray amin’ny velona ny maty. Hoy mantsy ny Baiboly: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5) Tena manafaka antsika tokoa ny fahamarinana lazain’ny Baiboly momba ny maty!—Jaona 8:32.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Mahatsiaro tena ve ny maty?—Mpitoriteny 9:5; Isaia 26:14.

◼ Inona no mahatonga ny olona hino fa misy fanahy mandao ny vatana rehefa maty ny olona?—Jaona 8:44.

◼ Aiza no ahitantsika ny marina momba ny maty?—Jaona 8:32; 17:17.

[Teny notsongaina, pejy 23]

Ireo fanahy ratsy no faly mampijaly ny olombelona, fa tsy ny maty