Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampirisihina Hitory ny Tanora Katolika

Ampirisihina Hitory ny Tanora Katolika

Ampirisihina Hitory ny Tanora Katolika

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA

NIHAONA tao Sydney, Aostralia, ny mpino katolika avy any amin’ny tany maro tamin’ny Jolay lasa teo, mba hankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho An’ny Tanora 2008. Fotoan-dehibe karakarain’ny Fivavahana Katolika izy io.

Nanofahofa saina ireo mpitsidika avy any amin’ny tany 170, sady nihorakoraka, nihira, ka lasa naresaka be ny tanàna. Olona an’arivony no teo amin’ny seranan-tsambon’i Sydney, mba hijery ny Papa Benoît Faha-16, izay tonga tamin’ny sambo iray narahin’ny sambo mareva-doko 12. Olona 500 tapitrisa teo ho eo no nanaraka izany mivantana tamin’ny tele.

Natao tao amin’ny kianja iray ny Lamesa famaranana. Nahatratra 400 000 ny mpanatrika, ka mpitondra fivavahana ny 4 000 ary mpanao gazety ny 2 000. Io no fotoan-dehibe nahitana olona be indrindra teto Aostralia. Nihoarany ny isan’ny mpanatrika ny Lalao Olympika tao Sydney tamin’ny taona 2000.

Inona moa ny Andro Iraisam-pirenena ho An’ny Tanora? Nahoana izy io no atao? Inona avy no atao amin’izany? Inona no nahariharin’izy io momba ny finoan’ny tanora ao Sydney?

“Lasa tsy tia fivavahana ny olona”

Ankalazaina isan-taona ny Andro Iraisam-pirenena ho An’ny Tanora, mba hanatanjahana ny finoan’ny tanora katolika. Atao isam-paritra io fankalazana io mazàna. Atao any amin’ny tanàn-dehibe sasany anefa izy io, isaky ny roa na telo taona, ary asaina hanatrika izany ny tanora katolika eran-tany. Firenena folo ao amin’ny kontinanta dimy no efa nanaovana azy io, ary an-tapitrisany ny mpanatrika.

Milaza koa ireo mpitondra fivavahana, fa natao hanatanjahana ny finoana sy hisakanana ny fihenan’ny isan’ny mpino katolika io fankalazana io. Hoy i George Pell, kardinaly eto Aostralia: “Mihamaro izao ny olona tsy miangona intsony. Lasa tsy tia fivavahana ny olona. Natao hamahana an’izany olana izany ny Andro Iraisam-pirenena ho An’ny Tanora.”

Mihavitsy koa ny pretra eran-tany, araka ny tatitra nomen’i Vatikana. An’aliny no niala tsy ho pretra intsony tato anatin’ny folo taona, satria te hanambady. Nihena 70 isan-jato mahery koa ny isan’ireo miofana ho pretra eto Aostralia, tato anatin’ny 30 taona. Eo amin’ny 65 taona eo ho eo izao ny salanisan-taonan’ny pretra ao amin’ny diosezy lehibe indrindra eto Aostralia. Mihoatra 20 taona noho ny tamin’ny 1977 izany.

Mihavitsy koa ny mpiangona any amin’ny tany maro. Ny 25 isan-jaton’ny Aostralianina no milaza fa Katolika, nefa ny 14 isan-jatony ihany no miangona tsy tapaka. Latsaky ny 10 isan-jaton’ny tanora katolika aza no mba mandeha miangona. Maro koa no tsy manaraka ny fampianaran’ny Eglizy momba ny fitondran-tena, fanabeazana aizana ary fisaraham-panambadiana. Ny hafa kosa leo noho ireo fisehoan-javatra manala baraka ny Eglizy, toy ny fametavetana ankizy ataon’ny pretra.

Ny Andro Iraisam-pirenena ho An’ny Tanora no “vahaolana farany [hitan’ny Eglizy] mba hanarenana an’io fahavoazana io”, hoy ny gazety Mpanambara ny Marainan’i Sydney (anglisy). ‘Ny tanora izao no antenain’ireo mpitondra fivavahana hamerina ny finoan’ny olona amin’ny laoniny.’ Ahoana no handrisihan’izy ireo ny tanora hanao izany?

Fampirantiana sy fety

Nisy fiaraha-midinika, fivahiniana masina, fotoam-pivavahana, ary fampirantiana nataon’ny eglizy tao amin’ilay fankalazana. Nisy ihany ireo nihetsi-po tamin’ny fandaharana, fa tao koa ny tsy afa-po. Hoy i Alexandra, tanora avy any Etazonia: “Fety be fotsiny ilay izy.”

Naharitra enina andro ilay fankalazana ary nahitana fandaharana 450. Anisan’izany ny rindran-kira, filma, tantara an-tsehatra, fampirantiana, ary fety teny an-dalambe. Hita tao koa ny tantara an-kira sy ny hiram-pivavahana, ary na dia ny heavy metal sy ny rap aza. Nahasarika tanora maro tia lanonana feno filibana ny rindra-kira rock.

Nampanahy Katolika maro ireny fandaharana ireny. Hoy ny pretra Peter Scott tamin’ny mpanao gazety: “Fotoana mahafaly fotsiny ilay izy, herinandro nanaovana fety sy zavatra ara-nofo fa zara raha nisy zavatra ara-panahy.” Hoy koa ny Papa Benoît Faha-16 tamin’ny taona 2000, fony izy mbola Kardinaly Ratzinger: “Fomba anehoan’ny olona fihetseham-po mahery vaika ny ‘rock.’ Mivavaka amin’ilay mozika sy ny mpihira azy ny olona mpankafy rock. Karazana fivavahana àry izy io, ka tsy mifanaraka amin’ny fivavahana kristianina.”—Ny Fanaon’ny Eglizy (anglisy).

“Hanova ny fiainan’ny olona àry ve ny Andro Iraisam-pirenena ho An’ny Tanora?” Hoy i Paul Collins, pretra teo aloha: ‘Ho an’ny olom-bitsy angamba. Ny ankamaroany kosa mbola hanaraka ny fomba fiainany taloha ihany. Tsy ny fety mihitsy no hampiova ny olona, fa ny fisaintsainana sy ny fandaharana voalamina tsara, ary ny fahavononana hamaha ireo olana lehibe sy efa raiki-tampisaka.’

“Ho vavolombeloko”

Takatry ny mpitondra fivavahana tsara izany, ka nofidin’izy ireo ho foto-kevitry ny Andro Iraisam-pirenena ho An’ny Tanora 2008 ny hoe: “Rahefa hidinan’ny Fanahy Masina hianareo dia hahazo hery, ka ho vavolombeloko.” *

Nampirisihin’ny eveka ireo mpitsidika mba “hazoto hitory ny Filazantsara toy ireo apostoly.” Nentanin’ny Papa Benoît Faha-16 izy ireo mba ho lasa “andiana apostoly vaovao.” Nampirisihiny koa izy ireo mba hampiely ny “Vaovao Tsara amin’ny havana aman-tsakaiza sy amin’izay rehetra mihaona aminy.”

Nisy akony be teo amin’ny tanora tso-po sasany ilay fanentanana. Hoy i Ramido, tovolahy 20 taona avy any Etazonia: “Zava-dehibe amiko izany hoe hitory izany.” Hoy kosa i Beatrice, tovovavy 18 taona avy any Italia: “Tsy miresaka momba an’Andriamanitra mihitsy izao ny tanora. Sarotra be izany hitory izany amin’izao andro izao.” Maro kosa no miombon-kevitra amin’ny tovovavy roa avy any Etazonia, izay nilaza hoe: “Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no mitory any aminay!”

Tanora manao asa fitoriana

Malaza ho mazoto mitory tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah, na antitra na tanora. Nahoana izy ireo no manao izany? Satria “tia an’Andriamanitra sy ny olona ary ny Baiboly” izy ireo, hoy i Sotir, Vavolombelona 22 taona avy ao Sydney.

Tsy nanatrika an’ilay fankalazana ny tanora Vavolombelona. Efa ho 400 tamin’izy ireo anefa no nitory ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ireo Katolika tonga tao Sydney. Hoy i Travas, 25 taona: “Tiako ny nihaona tamin’ireo tanora katolika tia fivavahana ireo. Maro taminy no nametraka fanontaniana ara-baiboly mahaliana, ary faly aho nanome valiny mahafa-po.”

Hoy i Tarsha, 23 taona: “Tsy nihafahafa aho niresaka tamin’izy ireo. Te hiarahaba azy ireo tonga soa teto Sydney aho, ary te hahalala ny zavatra inoany.” Hoy i Frazer, 20 taona: “Nanolotra fanomezana ho an’ireo mpitsidika aho rehefa nety ny toe-javatra. Tsy inona izany fa ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? * Faly izay nomeko azy io.”

Tian’ny mpitsidika maro ny niresaka tamin’ireo tanora Vavolombelona. Nanontany ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy i Suzanne avy any Fidji. Niara-nijery ny valiny tao amin’ny boky Ampianarina izy sy Belinda, Vavolombelona 19 taona. Hoy i Suzanne avy eo: “Ny valin-teny azoko matetika dia hoe ‘tsy takatry ny saina ny fiasan’Andriamanitra.’ Tena voavaly anefa ny fanontaniako androany!” Rehefa nomen’i Belinda azy ilay boky dia hoy izy: “Niezaka nitadidy izay rehetra nolazainao aho. Tsy noeritreretiko mihitsy hoe homenao ahy ity boky ity!”

Niangavian’ny vehivavy iray avy any Philippines i Marina, Vavolombelona 27 taona, mba haka sary azy eo anoloan’ny toerana iray mampiavaka an’i Sydney. Afaka niresaka tsara izy ireo avy eo, ary nomen’i Marina boky Ampianarina izy. Hoy ilay vehivavy: “Vao nivavaka aho halina mba hahatakarako tsara izay lazain’ny Baiboly. Valim-bavaka angamba ity boky ity!”

Tafaresaka tamin’ny mpitsidika roa avy any Panama i Levi, Vavolombelona 27 taona. Tsy ela dia niresaka momba ny fampianaran’ny Baiboly izy ireo. Nandray boky Ampianarina ilay ramatoa sy ny zanany vavy. Nanontany azy ireo i Levi avy eo hoe: “Inona no zavatra tena tianareo tamin’izao dianareo izao?” Nandray an’ilay boky ilay tovovavy sady nilaza hoe: “Ny fihaonana taminao.”

Tanora katolika maro tokoa no naniry hahafantatra tsara ny Baiboly. Ary ianao? Te hahafantatra azy io bebe kokoa ve ianao? Nahoana raha manatona ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampianatra Baiboly anao maimaim-poana? Tena ho faly izy ireo hanampy anao!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Nalaina avy tao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:8, Fandikan-teny Katolika, io foto-kevitra io.

^ Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 27]

“Mihamaro izao ny olona tsy miangona intsony. Lasa tsy tia fivavahana ny olona.”—George Pell, kardinalin’ny Eglizy Katolika Romanina

[Efajoro/Sary, pejy 25]

FAMPIRANTIANA MOMBA NY ASAN-DRELIJIOZY

Tamin’ny Andro Iraisam-pirenena ho An’ny Tanora 2008 no nahitana fampirantiana goavana indrindra momba ny asan-drelijiozy, teto Aostralia. Fikambanana katolika maherin’ny 100 no nandrisika an’ireo mpitsidika 50 000 mahery, mba hieritreritra ny hanao pretra na masera na asa hafa mifandray amin’ny fivavahana.

[Sary, pejy 24, 25]

Mpitsidika manao akanjo mareva-doko nilahatra teny amin’ny arabe

[Sary, pejy 26]

Nitory tamin’ireo vahiny nitsidika ny tanànan’i Sydney ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Getty Images