Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampiofano Tsara ny Zanakao Dieny Mbola Kely

Ampiofano Tsara ny Zanakao Dieny Mbola Kely

Ampiofano Tsara ny Zanakao Dieny Mbola Kely

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY KANADA

◼ “Mety ho fitaovana tsara ianaran-javatra ny tele”, hoy Ny Gazetin’i New York (anglisy). “Hisy vokany ratsy eo amin’ny vatan’ny ankizy sy ny sainy, [anefa] ny mipetra-potsiny mijery tele mandritra ny ora maro.” Tsy hahavita hianatra na hamoron-javatra firy mantsy izy, ary tsy dia hahay hifandray aman’olona.

Nandinika ankizy 2 500 zatra mijery tele, ny mpikaroka ao amin’ny Hopitalin’ny Ankizy any Seattle, any Etazonia. Nilaza ilay gazety fa “atahorana hoe tsy hahay hifantoka ny ankizy rehefa fito taona, raha nijery tele be loatra tamin’izy herintaona ka hatramin’ny telo taona.” Mihamahery setra sy tsy mahandry tantana ilay ankizy, ary tsy dia mahay mifantoka. Nilaza ny manam-pahaizana iray antsoina hoe Jane Healy fa “maro tamin’ny ray aman-drenin’ireo ankizy nanaovana fandinihana, no nahita fa tena nihanahay nifantoka ny zanany rehefa tsy navela nijery tele firy.”

Inona àry no azon’ny ray aman-dreny atao mba tsy hijery tele be loatra ny zanany? Manoro hevitra toy izao ilay gazety: Fero hoe amin’ny firy ka hatramin’ny firy izy, isan’andro, no afaka mijery tele. Aza atao toy ny hoe mpitaiza ny zanakao ny tele. Asaivo manao raharaha arakarak’izay vitany kosa izy. Fanteno hoe inona no fandaharana azony jerena, ary vonoy ny tele rehefa tapitra ilay izy. Miaraha mijery an’ilay fandaharana aminy, raha azo atao, ary miresaha momba an’ilay izy. Mba fero koa ny fotoana ijerenao tele.

Te hampianatra ny zanakao hahay hamoron-javatra sy hifandray aman’olona ve ianao? Mila ezaka mafy sy fifehezan-tena izany ary mitaky fotoana. Hody ventiny anefa ny rano nantsakaina raha manao izany ianao. Hoy mantsy ny ohabolana fahiny iray: “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” (Ohabolana 22:6) Anisan’izany fanazarana izany ny fampianarana azy hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy.

Mahita vokatra tsara ny Vavolombelon’i Jehovah, satria mampiasa an’ilay bokiny hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, rehefa mampianatra ny zanany ho hendry. Handray soa maharitra ny ray aman-dreny raha mahay miresaka tsara amin-janany sy miahy azy ireo dieny mbola kely. Inona tokoa moa no mahasambatra ny ray aman-dreny, mihoatra noho ny mahita an-janany mihamatotra sy lasa olon-dehibe mahay mandray andraikitra?