Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Miatrika olana iray tena lehibe [olana ara-politika any Géorgie] isika. ... Marina fa momba antsika Andriamanitra ary miaro [antsika] i Maria Virjiny. Ny tena mampanahy anay anefa dia manenjika ny Ortodoksa eto Géorgie koa ny Ortodoksa Rosianina.”—ILLIA II, LEHIBEN’NY ORTODOKSA ANY GÉORGIE.

◼ “Nitombo avo telo heny, tato anatin’ny enim-bolana farany, ny olona manatona dokotera mba hangataka pilina manala zaza vao miforona. Nitombo be koa ny isan’ny pilina lafo, nanomboka tamin’ny 2004. ... Ny alatsinainy ny dokotera no tena be mpiantso, ary tanora ny ankamaroan’ireo miantso.”—CLARÍN, ARZANTINA.

◼ “Samy naharay na nandefa hafatra an-telefaonina 1 742 teo ho eo isam-bolana” ny ankizy amerikanina 13 ka hatramin’ny 17 taona, teo anelanelan’ny Aprily sy Jona 2008.—THE NEW YORK TIMES, ETAZONIA.

◼ “Efa ho ny 12 isan-jaton’ny mponina eran-tany no tsy salama saina.”—FOIBE IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY FAHASALAMAN’NY SAINA, ETAZONIA.

◼ “Ny ampahadiminy eo ho eo amin’ny olon-dehibe any Eoropa no efa nanandrana nifoka [rongony].”—FOIBE EOROPEANINA MIADY AMIN’NY ZAVA-MAHADOMELINA, PORTOGALY.

Anaran’olona ao Amin’ny Baiboly

Nanao fikarohana tany Jerosalema, Tanànan’i Davida fahiny, ireo mpikaroka ambanin’ny tany. Nahita ny anaran’i “Gedalia zanak’i Pasora”, teo amin’ny tombo-kase vita amin’ny tanimanga, izy ireo. Efa 2 600 taona izy io. Voaresaka ao amin’ny Jeremia 38:1 i Gedalia. Efa nahitana tombo-kase nisy ny anaran’i Yehokala koa teo amin’ilay toerana, tamin’ny 2005. Antsoina hoe “Jokala zanak’i Selemia” izy, ao amin’ny Jeremia 38:1. Samy tandapan’i Zedekia Mpanjaka i Gedalia sy Jokala. Hoy ny gazety The Jerusalem Post: “Sambany izao ireo mpikaroka ambanin’ny tany teto Israely, no nahita tombo-kase roa misy anaran’olona ao amin’ny Baiboly teo amin’ny toerana iray. Sady amin’izay ao amin’ny andinin-teny iray ihany no misy azy ireo.”

Teknolojia Iadiana Amin’ny Heloka Bevava

Ny telefaonina no tena ampiasain’ny ankamaroan’ny olona any New York, mba hiantsoana ny polisy. Mandroso ny teknolojia, ka azo atao ankehitriny ny mandefa hafatra amin’ny telefaonina ho an’ny polisy. Hoy ny gazety The New York Times: “Ampirisihina izao ny olona haka sary amin’ny findainy, rehefa mahita heloka bevava, ary handefa ny sary any amin’ny polisy.” Milaza ilay gazety fa efa misy teknolojia ‘ampiasain’ny polisy [avy eo], mba handefasana avy hatrany an’ireo sary any amin’ireo namany eny akaikin’ny toerana nitrangan’ilay heloka bevava.’

Mahay Mijery Fitaratra ny Fitatra

Hoy ny filazam-baovao Reuters: “Noheverina taloha fa ny rajako sy ny feso ary ny elefanta ihany no biby mahafantatra ny tenany rehefa mijery fitaratra.” Fantatra anefa izao fa sahala amin’izany koa ny fitatra avy any Eoropa sy Azia. Nasian’ny mpikaroka pentina ny vatan’ny fitatra vitsivitsy, ary tsy afaka mahita izany ireo vorona ireo raha tsy amin’ny fitaratra. Nilaza ilay filazam-baovao fa “nohaotraorin’ireo vorona tamin’ny tongony foana ilay pentina teo aminy. Hita amin’izany fa fantany hoe ny sariny no teo amin’ny fitaratra, fa tsy biby hafa.”