Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manan-jo Hisafidy ny Marary

Manan-jo Hisafidy ny Marary

Manan-jo Hisafidy ny Marary

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ITALIA

◼ Tsy manaiky hampidiran-dra ny Vavolombelon’i Jehovah, satria mankatò ny didy ao amin’ny Baiboly. Izao no didy voalohany momba ny ra: “Izao ihany no tsy azonareo hohanina: Ny nofo misy aina, izany hoe mbola misy ra.” Nilazana koa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany hoe: ‘Fadio ny ra.’—Genesisy 9:4; Asan’ny Apostoly 15:29; Levitikosy 17:14.

Nasaina nanao famelabelarana an-tsoratra momba ny maha zava-dehibe ny fanomezan-dra ny mpianatra tao amin’ny sekoly iray, any Monterenzio, Italia. Mpianatra ao i Benedetta, Vavolombelon’i Jehovah. Izao no nosoratany:

“Fantatry ny rehetra fa tsy manaiky fampidiran-dra ny Vavolombelon’i Jehovah, satria manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Tsy midika anefa izany hoe tsy manaiky karazana fitsaboana hafa izy ireo. Sarobidy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah mantsy ny fahasalamany. Mitady izay fitsaboana tsara indrindra ho an’ny tenany sy ny ankohonany izy ireo. Vonona hiara-miasa amin’ny dokotera izy ireo, raha hajaina ny fitsipika arahiny.”

Hoy ihany i Benedetta: “Manan-jo hifidy izay fitsaboana heveriny fa tena hahasoa azy ny marary rehetra. Manan-jo hohajaina sy hahalala ny voka-tsoa sy ny voka-dratsin’ny fitsaboana fidiny koa izy.”

Nanome loka an’ireo mpianatra tena nahay naneho ny heviny ny Fikambanan’ny Italianina Mpanome Ra. Hoy ny gazetiboky Monterenzio Vivace: “Noderaina manokana i Benedetta Barbi, na dia nifanohitra tamin’ny hevitry ny besinimaro aza ny famelabelarany, izany hoe tsy nitovy tamin’ny hevitra ijoroan’ny fikambanana mpanome ra. Nahay nandanjalanja sy nahalala fomba mantsy izy rehefa nanazava ny zavatra inoany.”

Ekena fa ‘mifanohitra amin’ny hevitry ny besinimaro’ ny hevitry ny Vavolombelon’i Jehovah momba ny ra. Maro anefa izao ny dokotera manaiky fa misy soa azo rehefa tsy mampidi-dra. Anisan’ny nandrisika ny dokotera hitady fomba hampihenana ny ra very mandritra ny fandidiana, ny hevitra ijoroan’ny Vavolombelona momba ny ra. Tsy ny Vavolombelona ihany no nandray soa tamin’izany, fa ny olon-kafa koa. Ny didin’ny Baiboly voalaza etsy ambony anefa no tena antony andavan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fampidiran-dra.

Nahoana raha anontaniana azy ireo ny hevitry ny Mpamorona momba ny ra, rehefa mitsidika anao izy ireo? Vonona hiara-midinika aminao “amim-panajana lalina” izy ireo.—1 Petera 3:15.

[Efajoro/Sary, pejy 30]

FANAZAVANA FANAMPINY

Manam-pahaizana maro no nanampy tamin’ny fanatontosana an’ilay DVD hoe Solon’ny Fampidiran-dra. Voaresaka ao ireo fitsipika samihafa mahakasika ny fitsaboana tsy ampiasana ra. Afaka mangataka azy io amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao.