Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Azo Itsaboana ny Olona Ketraka Lava?

Ahoana no Azo Itsaboana ny Olona Ketraka Lava?

Ahoana no Azo Itsaboana ny Olona Ketraka Lava?

HOY i Rova, izay ketraka nandritra ny taona maro: “Namonjy dokotera izahay mivady, ary nanova ny fomba fiainanay sy ny fahazaranay. Toa nandaitra ny fanafody nampiasaiko, ary efa mihatsara aho izao. Nanampy ahy tsy hilavo lefona ny fitiavana nasehon’ny vadiko sy ny namako, nandritra ireo fotoana toa tsy nahitana mangirana mihitsy.”

Hita avy amin’ny tantaran’i Rova, fa mila ampiana amin’ny lafiny rehetra ny olona ketraka lava. Tokony hoentina any amin’ny dokotera, ohatra, izy. Mety hampidi-doza na hahafaty mihitsy mantsy io aretina io raha tsy raharahaina. Niaiky i Jesosy Kristy, tokony ho 2 000 taona lasa izay, fa afaka manome fanampiana ny mpitsabo. Hoy izy: ‘Mila dokotera ny marary.’ (Marka 2:17) Afaka manamaivana ny fijalian’ny olona ketraka lava tokoa ny dokotera. *

Zavatra azo atao

Maro ny fomba azo itsaboana ny olona ketraka lava. Miankina amin’ny soritr’aretinao sy ny hamafin’ilay aretina ny fitsaboana mety aminao. (Jereo ilay efajoro eo amin’ny pejy 5 hoe  “Karazana Fahaketrahana.”) Dokotera tsotra dia efa mety ho afaka hitsabo ny olona sasany. Ny hafa kosa mety hila dokotera matihanina. Mety hasain’ny dokotera hihinana fanafody manamaivana ny fahaketrahana ilay olona, na hasainy hanao zavatra hafa. Nisy nahita vokatra tsara rehefa nampiasa raokandro, nanova ny sakafo fihinany, na nanao fanatanjahan-tena.

Olana fahita

1. Namana. Mety hanoro anao ny amin’ny fitsaboana tokony harahinao ny namana iray tsara fikasa, na dia tsy nahazo fampiofanana momba izany akory aza. Mety hanizingizina mihitsy izy hoe tokony hampiasa raokandro ianao, na hihinana fanafody avy amin’ny dokotera, na hijanona amin’izao fotsiny.

Tsara ho fantatra: Ataovy azo antoka fa avy amin’olona azo itokisana ny torohevitra arahinao. Ianao ihany no tsy maintsy manao safidy amin’ny farany, rehefa ampy tsara ny fanazavana azonao.

2. Hakiviana. Kivy ny marary sasany, ka mety tsy hanohy intsony ny fitsaboana nofidiny. Toa tsy mihatsara mantsy ny fahasalamany, na misy vokany ratsy eo aminy ilay fanafody.

Tsara ho fantatra: “Tsy tanteraka ny fikasana raha tsy misy resaka amim-pahatsorana, fa tanteraka kosa izany raha maro ny mpanolo-tsaina.” (Ohabolana 15:22) Mahomby kokoa ny fitsaboana, rehefa mifampiresaka tsara ny dokotera sy ny marary. Resaho amin’ilay dokotera mitsabo anao àry izay mampanahy anao. Azonao hazavaina aminy ilay soritr’aretina. Anontanio izy raha mila ovana ilay fanafody, na tohizina ihany fa elaela vao ho hita ny fiasany.

3. Matoky tena loatra. Mety hanajanona tampoka ny fanafodiny ilay marary rehefa afaka herinandro vitsivitsy, satria hitany hoe nihatsara izy. Toa hadinony sahady ny vokatr’ilay aretina teo aminy, talohan’ny nitsaboany tena.

Tsara ho fantatra: Mety hahita olana lehibe na hamoy ny ainy mihitsy ny olona iray, raha manajanona tampoka ny fanafodiny nefa tsy niera tamin’ny dokotera.

Tsy boky momba ny fitsaboana ny Baiboly, nefa ilay Mpamorona antsika, dia i Jehovah Andriamanitra, no nampanoratra azy io. Misy fampiononana sy tari-dalana ho an’ireo ketraka lava sy ho an’ireo olona mikarakara azy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hiresaka momba izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana ny Mifohaza! Ny tsirairay no hamantatra izay fitsaboana mety aminy.

 [Efajoro, pejy 5]

KARAZANA FAHAKETRAHANA

Arakaraka ny fomba isehoan’ilay fahaketrahana ny fitsaboana atao amin’ilay marary.

Ketraka be ny olona sasany, ary maharitra enim-bolana na mihoatra izany raha tsy voatsabo. Saika hita amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainan’ilay olona ny vokatr’izy io.

Misy lafiny roa indray ny fisehon’ilay aretina eo amin’ny olona sasany. Indraindray izy mazoto miasa loatra, ary indraindray tsy mahavita na inona na inona. Maharitra fotoana lavalava izany.

Ketraka lava ilay olona ka reraka, manamelo-tena, tsy mahita tory, ary tsy mazoto homana na mazoto homana loatra. Sarotra aminy ny mamita tsara ny zavatra fanaony andavanandro. Mety ho ketraka be izy indraindray.

◼ Ketraka be ny vehivavy sasany rehefa avy miteraka.—Jereo ilay lahatsoratra hoe “Fantaro ny Atao hoe Fahaketrahana Aorian’ny Fiterahana”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Jona 2003.

◼ Misy koa ketraka noho ny toetrandro manjombona. Tsy misy masoandro mantsy any amin’ny faritra sasany mandritra ny fararano sy ririnina. Mazàna no misinda ilay aretina rehefa tonga ny lohataona sy ny fahavaratra.