Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bibikamo Tokoa!

Bibikamo Tokoa!

Bibikamo Tokoa!

TANY an’ala izahay, indray andro. Iny fa nisy bibikamo teo alohanay. “Io alaivo sary haingana!”, hoy aho tamin’ny zandriko. Nihomehy anefa izahay avy eo, satria tadidinay tampoka hoe tsy nisy tokony hahamaika. Hay moa anisan’ny biby malai-mihetsika indrindra ny bibikamo!

Te hahalala bebe kokoa an’io biby io aho, ka nitsidika toeram-pijerem-biby any La Garita de Alajuela, eto Costa Rica. Tsy natao hotsidihina fotsiny ilay toerana, fa natao hamonjena sy hikarakarana ny bibidia koa, ary hanampiana azy ho zatra indray amin’ny fiainana any an’ala. Nihaona tamin’i Shirley Ramírez aho, tao amin’ilay toerana. Izy no lehiben’ny mpikaroka ao. Nasehony ahy ilay bibikamo ompian-dry zareo. Pelota no anarany, ary “baolina” no dikany. Mihorona kely mantsy ny bibikamo rehefa matory. Hoatran’ny alika kely ny haben’i Pelota. Roa ny rantsany, malefaka ny volony, boribory kely ny orony, ary volontsôkôlà ny masony baribary.

Tia mitoka-monina ny bibikamo. Iray monja ny zanany isan-taona. Vao teraka ilay izy, dia mifikitra amin-dreniny mandra-pisara-nono, iray volana eo ho eo atỳ aoriana. Misy anefa mbola mamikitra amin-dreniny ihany, mandritra ny dimy na valo volana. Fahanan-dreniny ravinkazo tanora àry izy, sady zariny entina any amin’izay faritra hisy azy rahatrizay lehibe. Efa mahay maka ravinkazo irery izy rehefa afaka elaela, nefa mbola tsy mety miala eny amin’ny reniny ihany.

Ny karazany

Karazany hafa ilay hitako tany an’ala satria telo ny rantsany, feno volo mainty manodidina ny masony, bory sy botabota ny rambony, henjana ny volony sady manopy maitso, lava noho ny tongony aoriana ny tongony aloha, ary mivolombolamena ny hatony. Afaka mihodina any aoriana ny lohany rehefa mitady sakafo, satria misy taolana sivy ahafahany manao izany ao amin’ny tendany. Ary nahoana izy no manopy maitso? Hoy i Shirley: “Misy ahidrano maniry eo amin’ny volony.”

Mitovitovy halava kosa ny tongotry ny bibikamo manana rantsana roa. Lava kokoa sady malefaka ny volony, ary mivolontsôkôlà somary manjelatra.

Tsy manao afa-tsy mitanina andro eny an-tendron-kazo ny bibikamo. Miovaova noho ny an’ny biby mampinono hafa ny hafanan’ny vatany, arakaraka ny hafanan’ny rivotra, ka 24 degre amin’ny alina, ary 33 degre amin’ny antoandro. Tsy dia misy hozatra izy, ka tsy afaka mihetsiketsika rehefa te hafana. Mihorona kely toy ny baolina àry izy rehefa matory, mba hitazonana hafanana. Soa ihany fa mitana hafanana ny volony anatiny mifanety kely. Ny tena mampiavaka ny bibikamo anefa, dia izy be torimaso. Matory adiny 20 isan’andro izy mazàna!

Ela vao mahalevon-kanina

Mila hafanana ny sakafo hanina vao levona. Tsy dia mafana anefa ny vatan’ny bibikamo, ka ela be vao levona ny sakafo haniny, na dia mizara ho kitapo maromaro aza ny vavoniny. Mety ho iray volana ilay izy vao potika tsara sy tafidina ao amin’ny tsinaikely! Misy bibikamo maty àry rehefa maharitraritra ny hatsiaka amin’ny fotoana be orana. Nahoana? Anarany fotsiny izy no voky, nefa miangona ao amin’ny vavoniny ilay sakafo, fa tsy lasa otrikaina! Hoy i Shirley: “Mila hafanan’ny masoandro ny bibikamo vao mahalevon-kanina.”

Hoy ihany i Shirley: ‘Misy zavatra tena itiavako ny bibikamo. Isan-kerinandro ihany izy no manao maloto sy mipipỳ! Manao lavaka eny amin’ny tany izy, dia ataony ao ny dikiny, ary totofany. Izay ihany no idinany avy eny ambony hazo. Tsy mila diovina be àry ny faritra misy azy.’

Mivadika ambony ambany!

Eny ambony hazo foana ny fiainan’ny bibikamo. Eny izy no misakafo, matory, manao firaisana, ary miteraka. Efa nataon’Andriamanitra hikirazorazo eny izy, ka ny tongony no ambony fa ny vatany ambany. Fito santimetatra ny hohony sady somary mifaraingo, ka iny no ihantonany, ary tena mahatana azy tokoa! Mivadika hatramin’ny fanirin’ny volony! Miainga eo amin’ny kibony ilay izy rehefa maniry, ary mihodina any an-damosiny, fa tsy toy ny an’ny biby hafa. Mitsororika fotsiny àry ny orana, ka tsy kotsa be izy! Mijaly be ny bibikamo rehefa mandeha amin’ny tany. Tsy sahirana mihitsy kosa izy eny ambony hazo, na dia mandeha miadana aza. Mahavariana koa fa tena mahay milomano izy!

Mbola misy zavatra hafa nianarako momba an’io biby io, fa ireto no tena miavaka: Voalohany, tsy mora maty toy ny biby hafa izy rehefa maratra na mihinana poizina. Mora sitrana izy na dia maratra be aza, ary mahalana ilay ratra vao manonitra. Tsara hianarana bebe kokoa àry ny hery fiarovana ao aminy, satria mety hanampy amin’ny fitsaboana. Faharoa, biby tony sy tsy mikorapaka izy, ka modely ho an’ny olona mihazakaza-dava sy miady saina.—Lahatsoratra nisy nanome.

[Efajoro/Sary, pejy 15]

TSY SAROTINY

Manopy maitso ny volo ivelan’ny bibikamo, satria misy ahidrano maniry. Tsy sarotiny anefa izy. Mba mamaly soa azy koa àry ireo ahidrano, ka manome azy zavatra mahavelona. Lelafin’ny bibikamo izany, na mitsofoka eo amin’ny mason-kodiny. Tsy tena maitso ny bibikamo fa somary mivolondavenona, ka toy ny ravinkazo maina maromaro mikiraviravy. Sarotra àry ny mahita azy. Vao mainka izy voaro rehefa mihalehibe, satria mihamaitso foana!

[Sary nahazoan-dalana]

Ambony ankavanana: © Michael and Patricia Fogden; ambany: © Jan Ševčík