Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Albarracín, “Akanim-boromahery” Hafakely

Albarracín, “Akanim-boromahery” Hafakely

Albarracín, “Akanim-boromahery” Hafakely

“Tsidiho i Albarracín, anisan’ny tanàna kanto indrindra eto Espaina.”—José Martínez Ruiz, na koa Azorín, mpanoratra espaniola, 1873-1967.

TANÀNA miavaka i Albarracín. Inona no maha hafa azy? Eo aloha ny bikabikany, eo koa ny tantarany, ary farany ny faritra manodidina azy tsara tarehy. Nambaran’ny fanjakana espaniola hoe harem-pirenena io tanàna kely ao amin’ny faritanin’i Teruel io noho izany, tamin’ny 1961. Nisy solontenan’ny mpizaha tany koa nifidy an’i Albarracín ho “tanàna tsara tarehy indrindra eto Espaina”, tamin’ny 2005.

Eny amin’ireo tendrombohitra ao afovoan’i Espaina no misy azy. Tanàna tranainy misy mponina 1 000 eo ho eo izy io. Lemaka maitso tondrahan’ny renirano maro no manodidina azy, ary eo koa ilay tandavan-tendrombohitra hoe Sierra de Albarracín, izay mitovy anarana aminy.

Be rano sy sakafo any

Be haza tany taloha, ka tian’ny mpiavy ny nankany. Hita tamin’ny sary hoso-doko nataon’izy ireo tao anaty lava-bato fa tena nahay zavakanto izy ireo, sady tia nandinika ny zavaboary. Nanao sarina omby sy biby hafa ngezabe izy ireo, ary nolokoany fotsy izany. Tany ihany no nisy an’io zavatra manome loko fotsy io. Misy manam-pahaizana mihevitra fa tao amin’ireny lava-bato ireny ireo mpiavy no nivavaka na niara-nikorana. Hita tamin’ireny sary ireny mantsy ny fiainana andavanandron’izy ireo.

Mbola be serfa sy lambo ary biby madinika azo hazaina ao amin’ilay tahirin-javaboary eo akaikin’i Albarracín. Anisan’ny renirano be trondro indrindra any Espaina ny Guadalaviar, na “Renirano Fotsy” amin’ny teny arabo.

Nandresy foko maromaro tany Albarracín ny Romanina, tamin’ny 133 Talohan’i Kristy (T.K.), ary nanao tanàna kely maromaro. Nisy injeniera romanina nanamboatra lakandrano (1) nahatratra 18 kilaometatra tany, tamin’ny taonjato voalohany. Io no anisan’ny asa vaventy sarotra indrindra nataon’ny Romanina tany Espaina. Nanaraka ny fivavahan’ny Romanina koa ny olona. Hita teo amin’ny sary sokitra tamin’ny vatom-pasana romanina, ohatra, fa nivavaka tamin’ny mpanjaka romanina izy ireo.

Nandroso be nandritra ny fitondrana silamo

Efa ny Arabo no nitondra tany, tamin’ny taonjato fahasivy. Avy tamin’ny anaran’ireo Silamo tonga nonina tany, hono, ilay hoe Albarracín. Taorian’izay, dia samy nipetraka tany ny Arabo sy ny Jiosy ary ireo nitonona ho Kristianina, ary nifanaja sy nifandefitra izy ireo. Nandritra io vanim-potoana io àry i Albarracín no nandroso be indrindra.

Nahay taozavatra tsara tarehy ny mpanao asa tanana tany. Nandroso be koa ny fitsaboana. Fantatra tamin’ireo fitaovana fandidiana hita tany ambanin’ny tany fa nahavita nandidy katarakta mihitsy ny dokotera tany. Ny Silamo no mpitondra tany hatramin’ny taonjato faha-12, ary ny Katolika no nandimby azy. Tsara homarihina fa toa tamin’izay ihany no tsy nitarika korontana ny fiovan’ny fitondrana, tany Espaina.

Hoatran’ny ahoana ny tanànan’i Albarracín ankehitriny? Mbola tanàna tranainy no hitan’ny mpizaha tany tonga any, satria tsy nitarina izy io.

Mahagaga ny bikabikany

“Tanàna miteronterona eny amin’ny avo, amin’izato bikabikany mahagaga” no nilazan’ny filozofa espaniola iray an’i Albarracín. Marina ny azy, satria milingilingy eny amin’ny harambato, any amin’ny 1 200 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina, tokoa ilay tanàna. Misy hadilanana lalina manodidina azy, ary toy ny hady vory niaro azy hatramin’izay taona maro izay izy io. Izany no antony niantsoana koa an’i Albarracín hoe Akanim-boromahery.

Tery ny arabe any Albarracín, ary vita rarivato. Rehefa mandehandeha eny ny mpitsidika, dia ho variana mahita trano taloha be sy hafakely. Isan-karazany ny rafitrano, ka ny tsara indrindra dia ny Lavarangana An-jorony, Trano Manga (2), ary Tranon’i Julianeta (3) izay toy ny manao izay tsy hampianjera azy, eo amin’ny kihon-dalana.

Sokay sy hazo no nanaovana trano tamin’izany. Maivana noho ny vato ireo, ary tena ilaina izany raha manorina eny an-tampon-kavoana. Kely ny varavarankelin’ny trano any. Manintona ny mpitsidika ny ridao dantelina sy ny makarakara vy (4) amin’izy ireny. Vao mainka mampiavaka an’ilay tanàna ny tafontrano misy sisiny mifampitaingina, ny lavarangana hazo vita sokitra, ary ny fitaovana kely misarintsarim-biby fandondonana eo amin’ny varavarana.

Tsy tokony hijerijery any ambany izay sarotim-panina, rehefa miditra an’ireny trano miteronterona ireny. Milingilingy eny amin’ny harambato mantsy ilay tanàna, sady kely ny faritra azo nanorenana trano. Noho izany, dia teny amoron’ny hantsana ny olona sasany no nanao trano.

Misy lapan’ny Arabo eny an-tampon-kavoana, eo ambonin’ilay tanàna. Teo amin’io lapa io tamin’ny voalohany no tena nisy an’ilay tanàna. Mbola anisan’ilay tamboho naorin’ny Arabo tamin’ny taonjato fahafolo ilay tilikambo hoe Torre del Andador. Vao naorina tatỳ aoriana ny katedraly sy ny lapan’ny tanàna. Mitovy bika amin’ny vy amin’ny kitron-tsoavaly io lapa io sady misy lala-mitafo.

Ny hakanton’ny zavaboary

Tena be zavatra ankafizin’ireo tia zavaboary, any Albarracín. Be dia be ny karazan-javamaniry sy biby hita eny amin’ilay tandavan-tendrombohitra manodidina an’ilay tanàna. Mandravaka ny ala eny an-tendrombohitra ny loharano sy riandrano maro. Finaritra koa ireo milasy any mijery ny lanitra feno kintana.

Misy fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah maromaro any. Rehefa mijery ny hakanton’ny manodidina izy ireo, dia mahatsiaro ilay fampanantenana ao amin’ny Baiboly hoe hiaina ao amin’ny paradisa eran-tany, eo ambany Fanjakan’Andriamanitra, ny olona mankatò. Izany no vaovao tsara iezahany torina amin’ny mpiara-belona aminy.—Salamo 98:7-9; Matio 24:14.

Mpizaha tany iray hetsy mahery, isan-taona, no mandehandeha eran’ny arabe tery any Albarracín. Raha hankany Espaina ianao, nahoana raha mba mitsidika an’ilay “akanim-boromahery” miafina eny an-tendrombohitra?

[Efajoro/Sary, pejy 18]

ZAVAKANTO SAROBIDY HITA TANY ALBARRACÍN

Siny kely volafotsy fitoera-menaka: I Abdelmelic, mpanjaka arabo, no nampanao azy io ho an’i Zahr (“Voninkazo”), vadiny. Misy soratra volamena toy izao teo amin’ilay izy: “Fitahiana mandrakizay, ..., fanampian’Andriamanitra, ary tari-dalana ahazoana hatsaran-toetra sy rariny.” Anisan’ny zavakanto volafotsy espaniola sy arabo tsara indrindra izy io.

Trondro kristaly vita sokitra: Misy kirany ilay trondro ary misy vava volafotsy sy vombo volamena. Voaravaka perla sy vatosoa mena koa izy io. Be tsipiriany izy io, ary misy manam-pahaizana mihevitra fa raha mpanao sokitra iray monja tsy hahavita azy io, na mandritra ny androm-piainany aza.

[Sary nahazoan-dalana]

Siny kely: Museo de Teruel. Foto Jorge Escudero; kristaly: Sta. Ma de Albarracín Foundation

[Sarintany, pejy 16]

(Jereo ny gazety)

PORTOGALY

ESPAINA

MADRID

Albarracín

[Sary, pejy 17]

1 lakandrano

[Sary, pejy 18]

2 Trano Manga

3 Tranon’i Julianeta

4 makarakara vy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

© Ioseba Egibar/age fotostock