Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Trondrovata

Ny Trondrovata

Nisy Namorona Ve?

Ny Trondrovata

Nitady fomba hanamboarana fiara mafy sy tsy dia mandany lasantsy ary tsy mandoto rivotra ny mpikaroka. Tany amin’ny toerana tsy nampoizina mihitsy no nahitany hevitra. Taiza hoy ianao? Tany an-dranomasina! Hitan’izy ireo fa azo alain-tahaka tsara ny trondrovata, raha te hanao fiara maivana sy misosa haingana. Fahita any akaikin’ny ranomasina be vato harana izy io.

Diniho izao: Mitsoriaka be io trondro io. Avo enina heny amin’ny halavany ny halaviran-dalana vitany isan-tsegondra. Matanjaka be izy, nefa tsy izay ihany no mampisosa haingana azy. Mahagaga fa manampy azy koa ilay bikany miendrika vata. Nanandrana nanamboatra zavatra miendrika trondrovata ny mpikaroka, ary nampandehaniny tamin’ny toerana be rivotra ilay izy. Hitan’izy ireo fa mbola misosa lavitra noho ny fiara kely ilay izy.

Feno taolana ao anatin’ny hoditry ny trondrovata, ka izany no mahatonga azy hahatohitra rano, na dia maivana aza ny lanjany. Izany koa no manampy azy tsy hitsingilahila na dia rehefa mahery aza ny ranomasina. Tsy sahirana mihitsy àry izy, ary tsy mora tratran’ny loza.

Milaza ny mpikaroka fa io trondro io no tena tsara halain-tahaka raha te hanao fiara azo antoka kokoa sy tsy dia mandany lasantsy, nefa maivana. Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Thomas Weber: “Tsorina fa tsy nino izahay tamin’ny voalohany hoe io trondro hafahafa io ve dia azo alain-tahaka. Lasa io anefa izao no ataonay modely mba hanamboarana fiara misosa haingana sy tsy dia mandany lasantsy.”

Ahoana ny hevitrao? Nisy ho azy ve ny trondrovata, sa nisy namorona?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Trondrovata: © Hal Beral/V&W/SeaPics.com; fiara: Mercedes-Benz USA