Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maninona Aho no Matahotra ny Hiresaka Momba ny Fivavahako?

Maninona Aho no Matahotra ny Hiresaka Momba ny Fivavahako?

Manontany ny Tanora Hoe

Maninona Aho no Matahotra ny Hiresaka Momba ny Fivavahako?

“Imbetsaka aho tany am-pianarana no afaka niresaka momba ny fivavahako, nefa nangina fotsiny.”—Mika. *

“Nanontany ny hevitray momba ny evolisiona ny mpampianatra. Fantatro fa afaka niresaka tsara momba ny zavatra inoako aho tamin’izay. Nangovitra be anefa aho ka tsy nahateny. Tena nanenina aho avy eo.”—Vero.

EFA nanjo anao koa angamba ireo zavatra nitranga tamin’i Mika sy Vero ireo, raha tanora kristianina ianao. Mety ho toa azy ireo ianao ka tia ny fahamarinana nianaranao tao amin’ny Baiboly. Te hiresaka momba an’izany àry ianao nefa matahotra. Inona no hanampy anao tsy hatahotra loatra, isaky ny tonga ny taom-pianarana vaovao? Araho ireto dingana ireto:

1. Fantaro izay mampatahotra anao. Izay tena mampatahotra anao no tonga ao an-tsainao voalohany, rehefa mieritreritra ianao hoe hiresaka momba ny fivavahanao. Mety hihena anefa ny tahotrao raha soratanao izany.

Fenoy ity fehezan-teny ity.

◼ Izao no mety hitranga, raha miresaka momba ny fivavahako aho any am-pianarana:

․․․․․

Hampahery anao angamba ny hahafantatra fa tanora kristianina maro no matahotra toa anao. Niaiky toy izao, ohatra, i Mahenina, 14 taona: “Matahotra aho sao hihomehezan’ny ankizy sy hataony hoe hafahafa.” Hoy koa i Mika, voalaza tetsy aloha: “Natahotra aho sao hisy hametraka fanontaniana nefa tsy ho haiko ny valiny.”

2. Aza matahotra izay olana mety hitranga. Diso ve ianao raha matahotra? Tsy voatery ho izany. Hoy i Baovola: “Nisy ankizy niseho ho liana tamin’ny zavatra inoako. Izay noteneniko tamin-dry zareo ihany anefa no naveriny teo imason’ny ankizy hafa mba hananihaniana ahy.” Nitantara koa i Fanja, 17 taona, hoe: “Nampitahain’ny ankizilahy iray ny andinin-teny tao amin’ny Baiboliko sy ny azy, dia tsy nitovy ny voalaza tao. Novana, hono, ny Baiboliko! Tsy hitako izay hotenenina, tamin’izay.” *

Mampatahotra tokoa ny zavatra toy izany, nefa tsy maintsy mitranga satria Kristianina ianao. Atreho àry izay olana mety hipoitra. (2 Timoty 3:12) Hoy i Marco, 13 taona: “Nilaza i Jesosy fa henjehina ny mpanara-dia azy. Tsy tokony hanantena àry isika hoe ho tia antsika daholo ny olona, na ho tia ny fivavahantsika.”—Jaona 15:20.

3. Eritrereto ny vokatra tsara. Mety hisy vokany tsara ve raha miezaka miatrika izay olana mitranga ianao? Izany tokoa, araka ny tenin’i Saholy, 21 taona. Hoy izy: “Marina fa sarotra be ny manazava ny finoanao amin’ny olona tsy manaja ny Baiboly. Vao mainka anefa izany hanamafy ny finoanao.”—Romanina 12:2.

Jereo indray izay nosoratanao teo amin’ny dingana voalohany. Mieritrereta zavatra tsara roa, fara fahakeliny, mety hiseho aorian’izay. Soraty eto izany.

1 ․․․․․

2 ․․․․․

Soso-kevitra: Eritrereto hoe miresaka momba ny finoanao ianao. Mety mbola hoteren’ny ankizy haditra ve ianao? Tsy hatoky tena kokoa ve ianao? Tsy ho tia kokoa an’i Jehovah ve ianao? Ary tsy ho lasa tiany kokoa ve ianao?—Ohabolana 23:15.

4. Miomàna. Hoy ny Ohabolana 15:28: “Ny fon’ny marina mieritreritra vao mamaly.” Eritrereto àry izay holazainao. Fantaro koa izay fanontaniana mety hapetraky ny olona, ary manaova fikarohana momba izany. Manomàna valiny hitanao hoe mora hazavaina.—Jereo ilay efajoro hoe  “Omano Izay Havalinao”, eo amin’ny pejy 25.

5. Miresaha amin’izay. Ahoana no anombohana an’ilay resaka rehefa vonona ianao? Azo oharina amin’ny mpilomano ianao, ka afaka miditra tsikelikely ao anaty rano, na mitsoraka avy hatrany. Toy ny hoe mitsapa an’ilay rano ianao raha atombokao amin’ny resaka tsy mifandray amin’ny fivavahana ilay izy. Raha manahy ny amin’izay mety ho fandehan’ilay resaka anefa ianao, dia aleo ‘mitsoraka avy hatrany.’ (Lioka 12:11, 12) Hoy i Andry, 17 taona: “Hoatran’ny hoe sarotra ny miresaka momba ny finoanao rehefa eritreretina. Tsy araka izany akory anefa ilay izy rehefa tena atao, fa ny anombohana azy fotsiny no ela.” *

6. Aoka ianao hahira-tsaina. Toy ny hoe mitsoraka amin’ny rano marivo kely ianao ka hidiran-doza, raha miditra amin’ny adihevitra efa fantatrao fa tsy hisy vokany. Tadidio fa misy fotoana itenenana ary misy fotoana anginana. (Mpitoriteny 3:1, 7) Nisy fotoana aza tsy namalian’i Jesosy rehefa nanontaniana izy. (Matio 26:62, 63) Tadidio koa ity toro lalana ity: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.”—Ohabolana 22:3, Fandikan-teny Protestanta.

Toy ny hoe “mandroso” ianao raha miditra amin’ilay resaka ihany, nefa hitanao fa hampiady ilay izy. Manomeza kosa valin-teny fohy sy voahevitra tsara. Raha misy mihantsy anao, ohatra, hoe ‘Maninona moa ianao no tsy mifoka sigara e?’, dia afaka miteny fotsiny ianao hoe ‘Satria tsy te handoto ny vatako aho!’ Ianao ihany, avy eo, no mahita raha tokony hiresaka bebe kokoa momba ny zavatra inoanao ianao na tsia.

Hanampy anao ho ‘vonona foana hilaza ny fiarovan-tenanao’ momba ny finoanao ireo dingana noresahina teo. (1 Petera 3:15) Marina fa mety hatahotra ihany ianao na dia efa vonona aza. Izao anefa no nomarihin’i Rindra, 18 taona: “Tsapanao hoe nahavita zavatra be ianao, raha nanazava ny zavatra inoanao nefa natahotra. Nieritreritra mantsy ianao hoe tsy ho tafavoakanao ilay izy, nefa nataonao ihany. Raha tafavoaka moa ilay izy, dia vao mainka ianao ho faly satria sahy niteny!”

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Novana ny anarana sasany.

^ Maro ny fandikan-tenin’ny Baiboly ary tsy mitovy daholo izy ireny. Mifanaraka kokoa amin’ny teny nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany anefa ny fandikan-teny sasany.

^ Jereo ilay efajoro hoe  “Fomba Azo Anombohan-dresaka”, eo amin’ny pejy 26.

ERITRERETO IZAO:

Mety hisy hieritreritra toy izao ve any am-pianaranareo?

‘Fantatro fa Vavolombelon’i Jehovah ianao. Heverinao fa hananihany anao angamba aho. Tena manaja anareo anefa aho. Maninona ianareo no tony foana na dia maro aza ny olana maneran-tany e? Izaho anefa matahotra hoe hisy ady indray ve ato ho ato. Hisaraka ve ny ray aman-dreniko? Hisy hitifitra na hanatsatoka antsy ahy ve atỳ am-pianarana androany? Be dia be ny fanontaniako. Ianao anefa hoatran’ny tony sady matoky tena be. Ny fivavahanareo ve no mahatonga an’izany? Te hiresaka momba an’izany aho, fa matahotra. Tsy maninona ve raha atombokao ny resaka?’

[Efajoro/Sary, pejy 26]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

“Misy ankizy mananihany ahy satria milaza ny zavatra inoako aho. Avelany ihany anefa aho rehefa hitany hoe tsy raharahaiko ry zareo.” —Francesca, Luxembourg.

“Raha tsy teneninao amin’ny olona hoe Kristianina ianao, dia mety hiova tsikelikely ny fitondran-tenanao ka hanaraka ny fanaon’ny besinimaro ianao. Aza manara-drian-drano anefa, fa mba manàna hazondamosina.”—Samantha, Etazonia.

“Tsy te hiavaka tamin’ny ankizy aho taloha. Lasa hitako anefa tatỳ aoriana hoe manatsara ny fiainako ny fivavahako. Nahatonga ahy hatoky tena tsara izany ka lasa ireharehako indray ny zavatra inoako.”—Jason, Nouvelle-Zélande.

 [Efajoro, pejy 26]

FOMBA AZO ANOMBOHAN-DRESAKA

“Inona no hataonao amin’ny vakansy?” [Rehefa avy mamaly izy, dia lazao izay zavatra kasainao hatao mifandray amin’ny fanompoana, ohatra hoe hanatrika fivoriambe na hanompo bebe kokoa.]

◼ Milazà vaovao iray, ary manontania hoe: “Henonao ve iny? Ahoana no hevitrao amin’iny?”

“Mety hihatsara ve ny toe-karena eran-tany [na olana hafa]? [Avelao izy hamaly.] Fa inona no mahatonga anao hiteny an’izany?”

“Inona kay no fivavahanareo?”

“Hanao ahoana ny fiainanao rehefa afaka dimy taona?” [Rehefa avy mamaly izy, dia lazao ny tanjonao mifandray amin’ny fanompoana.]

 [Tabilao, pejy 25]

(Jereo ny gazety)

Omano izay havalinao Hetezo ary tehirizo!

Soso-kevitra: Iaraho midinika amin’ny ray aman-dreninao sy ny namanao ity efajoro ity, ary fenoy. Eritrereto koa izay fanontaniana hafa mety hapetraky ny mpiara-mianatra aminao.

Fanontaniana Valiny

Ahoana ny hevitrao momba Tsy ilay olona manao

Fitondran- ny firaisan’ny samy an’izany no tsy tiako

tena lehilahy na samy vehivavy? fa ny fitondran-tenany.

Mampiaraka Maninona ianao Nanapa-kevitra ny

no tsy mampiaraka? tsy hampiaraka aloha

aho hatramin’izao.

Tsy manao Maninona ianao no tsy Manaja ny tany misy

politika manangan-tsaina? ahy aho, fa tsy

mivavaka aminy.

Ra Maninona ianareo no tsy Ekeko ny fomba

manaiky hampidiran-dra? fitsaboana hafa, izay

azo antoka fa tsy

hitondra aretina toy

ny SIDA. Milaza anefa

ny Baiboly hoe fadio

ny ra, dia izay

mihitsy no mahatonga

ahy tsy hanaiky

hampidiran-dra.

Nahoana ianao no tsy Ampianarina anay

mahazo manao an’izao ny zavatra takin’

sy izao nefa i Andriamanitra, nefa

Safidy [anarana], tsy terena hankatò

mpiara-mivavaka an’izany izahay.

aminareo manao? Anjaran’ny tsirairay

ny manapa-kevitra ny

amin’izay hataony.

Maninona ianao Nahoana moa aho no

Famoronana no tsy mino tokony hino ny

ny evolisiona? evolisiona?

Ny mpahay siansa aza

tsy mitovy hevitra

momba an’ilay izy

akory, nefa ry zareo

no lazaina fa tena

mahay!

Fanontaniana Fikarohana Valiny

hafa

Tsy manava- 1 Korintianina 6:9, Tsia, satria

Fitondran- kavaka ve 10; tsy tiako

tena ianao Manontany ny daholo

amin’ Tanora izay mety ho

izany? —Torohevitra fitondran-tena

Mahasoa, maloto, na

Boky Faha-2, firaisan’ny

toko 28. * samy lehilahy

izany na

zavatra hafa.

Ny fivava- Tononkiran’ Eny. Tsy

hanareo i Solomona 8:4; mampiaraka

ve no Manontany ny izahay raha

Mampiaraka mahatonga Tanora, tsy rehefa

an’ Boky Faha-2, vonona ny

izany? toko 1. hanambady,

nefa fantatro

fa mbola tsy

vonona ho

amin’izany

aho.

→ Ka tsy Isaia 2:4; Tsia, ary tsy

hiady Jaona 13:35; hiady amin’ity

Tsy ho an’ny Inona Marina firenena ity

manao firenenao no Ampianarin’ny koa ny Vavo-

politika izany Baiboly? lombelon’i

ianao? pejy 148- Jehovah an-

151. * tapitrisany avy

any an-tany hafa.

→ Dia Asan’ny Apostoly 5:28, 29; ․․․․․

ahoana Hebreo 11:6;

raha boky Ampianarina,

Ra efa pejy 129-131.

ho faty

ianao? Mbola

hanameloka

anao ihany

ve Andriamanitra?

→ Ka tsy misy ․․․․․ ․․․․․

Safidy fitsipika

samy hafa

ve izany ao

amin’ny

fivavahanareo?

Famoronana ․․․․․ ․․․․․ ․․․․․

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 26]

Toy ny ataon’ny mpilomano ny ataonao rehefa hiresaka momba ny finoanao. Afaka mitsoraka avy hatrany ianao na miditra tsikelikely