Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sao dia Hitaingina Posy?

Sao dia Hitaingina Posy?

Sao dia Hitaingina Posy?

HAHITA zavatra mahavariana ny mpizaha tany raha vao tonga any Dacca, renivohitr’i Bangladesy. Feno olona sy posy bisikileta hatraiza hatraiza! Ahitana an’io karazana posy io na eny amin’ny arabe, na eny amin’ny lalankely. Mpitondra olona sy entana izy ireny.

Ny posy bisikileta no fitaovam-pitaterana tena fampiasa any Dacca hatramin’izao. Misy 80 000 eo ho eo ny isan’izy ireo voasoratra any amin’ny fanjakana. Betsaka lavitra noho izany anefa no fahitan’ny olona azy. Voalaza fa i Dacca no be posy bisikileta indrindra eran-tany!

Ny niandohan’ny posiposy

Tamin’ny andron’ilay mpanjaka frantsay antsoina hoe Louis Faha-14 (1638-1715), no nisian’ny karazana seza nisy kodiarana voalohany. I Jonathan Gable, misionera amerikanina niasa tany Japon anefa no namorona ny posiposy voalohany taritin’olona, teo anelanelan’ny 1870 sy 1880. Nataony ho an’ny vadiny tsy salama, hono, ilay izy. Antsoina amin’ny teny japoney hoe jinrikisha izy io, ary midika hoe fiara taritin’olona. Lasa “rickshaw” ilay izy amin’ny teny anglisy. Nahitana karazany maro tamin’izy io nanerana an’i Azia, tatỳ aoriana, ary tsy lafo ny mitaingina azy. Tonga nitsidika an’i Japon i Charles Russell (ankavanana), tamin’ny 1912. Izy no nitarika ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly (anarana niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany). Nitaingina an’ireny posiposy ireny izy sy ireo niaraka taminy, rehefa nivezivezy nanerana ny tanàna.

Nanomboka nampiasa posy misy kodiarana telo ny tany Dacca, taloha kelin’ny 1940. Toy ny bisikileta lehibe misy kodiarana telo ilay izy, fa tsy toy ny posy misy hazo lava roa taritin’olona. Mivoy an’ilay bisikileta avy eo aloha ilay mpitarika posy. Mahavita mandeha lavitra kokoa izy amin’izay, rehefa mitondra olona na entana, ary afaka mitsofotsofoka any amin’ny lalana be olona na be fiara.

Fampihaingoana posiposy

Feno haingony ny posiposy any Dacca, ary mahazatra ny olona ny manao izany. Ahoana no niantombohan’io fanao io? Efa nisy ny kalesy taritin-tsoavaly, antsoina hoe tomtoms, izay mpitondra olona sy entana tany Dacca, rehefa nivoaka ny posy bisikileta. Nampihaingo ny posiposiny àry ny olona, angamba mba hisarihana ny mpandeha. Lasa zavakanto manokana ny fahaizana mampihaingo posy bisikileta amin’ny hoso-doko sy soratra.

Tena ho variana ianao mijery an’ireo posiposy, raha sambany vao nahita azy ireny. Mpitsikera zavakanto i Syed Islam, avy any Bangladesy, ary nolazainy fa “fampirantiana sary hoso-doko mifindrafindra toerana” ny posiposy any Dacca. Feno sary mareva-doko mantsy ny vatan’ilay izy. Mikirazorazo eny amin’ny sisin’ilay posiposy koa na eny amin’ny tafony azo aforitra, ireo haingony boribory na miolanolana sy ireo vakana mamirapiratra.

Samy manana ny karazana sary tiany ny mpampihaingo posiposy. Mitovitovy amin’ny takela-by misy dokam-barotra ny sary hoso-doko sasany. Ahitana sary nalaina tamin’ny horonan-tsary fahiny sy ankehitriny, avy tany Inde sy Bangladesy, izy ireny. Mampanembona ny fiainana any ambanivohitra kosa ny sary sasany, ary ny hafa indray mampiseho olana ara-politika na ara-tsosialy. Fahita koa ny sarina biby, vorona, mpihaza, ary toerana maitso mavana.

Vitsy kely ny mpampihaingo posiposy talohan’ny 1960. Eo amin’ny 200 ka hatramin’ny 300 eo ho eo anefa izao no manao an’io asa hafakely io. Zavatra efa nampiasaina no akambakambana mba hanamboarana posiposy matetika, ary efa misy trano fiasana manokana ho amin’izany. Maka tapaka barìka na zavatra hafa efa nampiasaina, ohatra, ilay mpampihaingo posy ary hosorany vernia mba hanaovana sary mareva-doko miavaka. Mampiavaka an’i Bangladesy ireny sary amin’ny posiposy ireny sady tena manintona.

Mpitarika posy

Mety ho azonao an-tsaina fa mafy be ny fiainan’ny mpitarika posy. Eritrereto hoe mivoy bisikileta mandritra ny andro ianao, ary mitondra olona na entana mavesatra be. Mety ho vehivavy mpikarakara tokantrano no entinao, na mpianatra, na mpandraharaha, na olona avy niantsena. Olona roa na telo, na mihoatra aza matetika, no mifanety ao amin’ilay posy. Azo itondrana entana hamidy eny an-tsena koa ny posy, toy ny lasaka feno vary, ovy, tongolo, na zavatra mampahatsiro sakafo. Miteronterona eny ambonin’ny entany indraindray ny mpandeha. Toa sarotra amin’ny mpitazana ny hino hoe ho vitan’ny mpitarika posy ny hitondra entana mavesatra be toy izany. Miasa mafy anefa izy ary tsy mitaraina, na migaingaina aza ny andro, ary na avy be aza ny orana.

Tantsaha mahantra mila ravinahitra ny ankamaroan’ny mpitarika posy. Tsy mahavelona ny ankohonany ny vola azony amin’ny fambolena sy fiompiana, ka maro no mandao ny fianakaviany mba hitarika posy any an-tanàn-dehibe. Mampiasa ny herim-batany àry izy ireo ka mba mahazo vola kely isan’andro.

Fitaovam-pitaterana miavaka

Mbola be mpampiasa ny posiposy any Dacca. Tsy misy fiakarana mantsy any, ary maro be ireo lalana tery tsy tongan’ny fitateram-bahoaka hafa. Hitan’ny olona maro fa tsy mandoto ny tontolo iainana ny posiposy ary mahafinaritra ny mitaingina azy.

Tsy dia tian’ny olona intsony anefa ny posy bisikileta any amin’ny ankamaroan’ny tanàn-dehibe any Azia. Efa tsy be mpampiasa izy ireny, satria te ho araka ny toetrandro ny olona ka aleony fitaovam-pitaterana mahazaka olona maro. Na izany aza, dia miezaka manatsara ny endriky ny posy ny mpanao azy ireny, mba hisy olona ho tia mampiasa azy foana.

Maro ny fitaovam-pitaterana azonao isafidianana, raha mankany Dacca ianao. Eo ny bisy, taxi, môtô, posy misy maotera, na ilay posy bisikileta mareva-doko. Mandehana ange posy bisikileta rehefa mitsangantsangana eny amin’ny arabe tomefy olona any Dacca e! Tsy hohadinoinao mihitsy izany.

[Sary, pejy 23]