Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahatalanjona Izao Rehetra Izao!

Mahatalanjona Izao Rehetra Izao!

Mahatalanjona Izao Rehetra Izao!

NIHEVITRA ny mpahay siansa, zato taona lasa izay, fa ny vahindanitra misy antsika ihany no atao hoe izao rehetra izao. Tsy inona izany fa ny Vahindanitra Mivolondronono, na Voie lactée. Nandroso be anefa ny astronomia * sy ny fizika ary ny teknolojia, nandritra ny taonjato faha-20, ka hita fa tsy marina izany. Hita kosa fa midadasika be izao rehetra izao. Nanetry tena àry ny mpahay siansa ka niaiky fa mbola latsaka ny 10 isan-jaton’izao rehetra izao no fantany. Nanjary nisalasala koa izy ireo raha tena mitombina ireo lalàna fizika efa fantany, ka nodinihiny indray izany. Efa nisalasala toy izany koa ny mpahay siansa taloha.

Hitan’ireo mpahay fizika, ohatra, tamin’ny 1890 tany ho any, fa mitovy foana ny hafainganam-pandehan’ny hazavana tazan’ny olona iray, na mandeha haingana ilay olona na mandeha miadana. Toa hafahafa ilay izy, nefa voaporofo ny fahamarinan’izany tamin’ny 1905. Noforonin’i Albert Einstein tamin’io ny teoria momba ny fiovaovan’ny halavana sy ny fotoana ary ny lanjan’ny zavatra iray, arakaraka ny hafainganam-pandehan’ilay zavatra sy miankina amin’ilay mijery azy. Rehefa nampiasaina io teoria io, dia hita fa tsy miova tokoa ny hafainganam-pandehan’ny hazavana. Nahita zavatra hafa tena nahafaly azy koa i Einstein tamin’ny 1907, ka nanitatra an’ilay teoria teo aloha. Nampahafantariny ny besinimaro izany tamin’ny 1916. Nanatsara ny vokatry ny fikarohana efa nataon’ilay mpahay fizika atao hoe Isaac Newton izany.

Mitatra izao rehetra izao

Noho ny zavatra fantatra tamin’ny andron’i Einstein, dia nino izy fa sady tsy mitatra izao rehetra izao no tsy mihakely. Noporofoin’ilay astronoma amerikanina atao hoe Edwin Hubble tamin’ny 1929 anefa, fa tena mitatra izao rehetra izao.

Hitany aloha hoe inona marina ny zavon-kintana, izay hazavana manjavozavo tazana eny amin’ny lanitra amin’ny alina. Novaliany koa ny fanontaniana hoe: Ao anatin’ny vahindanitra misy antsika ve izy ireny? Sa kosa any ivelany, araka ny tenin’ilay astronoma anglisy William Herschel (1738-1822), zato taona talohan’izay?

Nandinika zavon-kintana iray, ao amin’ny antokon-kintana Andromède, i Hubble, ka fantany fa vahindanitra ilay zavon-kintana. Hitany koa fa lavitra be izy io, satria impolon’ny savaivon’ny vahindanitra misy antsika ny elanelan’izy io sy ny tany. Midika izany fa tsy ao anatin’ny vahindanitra misy antsika izy io. Nandrefy ny elanelan’ny tany sy ny zavon-kintana hafa koa i Hubble, ka hitany fa midadasika be izao rehetra izao. Dingana lehibe teo amin’ny astronomia izany.

Tsikaritr’i Hubble, tsy ela taorian’izay, fa misy vahindanitra maromaro mihamanalavitra ny tany. Teo no nahitany fa mitatra izao rehetra izao. Hitany koa fa izay vahindanitra lavitra indrindra no mihamanalavitra haingana indrindra. Midika izany fa kely kokoa izao rehetra izao taloha. Namoaka ny voka-pikarohana nataony i Hubble tamin’ny 1929. Avy amin’izany no nahatonga an’ilay fiheverana hoe nisy zavatra nipoaka be tampoka 13 000 tapitrisa taona lasa izay, ka izany no nampisy an’izao rehetra izao. Mbola betsaka anefa ny zavatra mila fantarina momba an’izao rehetra izao.

Ny hafainganan’ilay fitarana

Taorian’ny fikarohan’i Hubble, dia niezaka namantatra ny tena hafainganan’ny fitaran’izao rehetra izao ny astronoma. Fa nahoana? Satria hanampy azy ireo izany hahafantatra hoe oviana no nanomboka nisy izao rehetra izao. Ankoatra izany, dia mety hisy vokany lehibe amin’ny hoavy ny hafainganan’ilay fitarana. Heverina mantsy fa raha miadana be izany, dia ho lasa mahery be ny hery misintona, ka hifintina tsikelikely izao rehetra izao, ary ho lasa toy ny teboka kely amin’ny farany. Raha haingana loatra kosa ilay fitarana, dia mety hitatra foana izao rehetra izao ka hanjavona amin’ny farany.

Namaly ny fanontaniana sasany ny vokatry ny fikarohana natao momba ny hafainganan’ny fitaran’izao rehetra izao. Nampipoitra fanontaniana hafa indray anefa izany, ka mahatonga antsika hisalasala raha fantatsika tsara ireo zavatra mahaforona an’izao rehetra izao sy ireo hery samihafa mifehy azy io.

Angovo tsy fantatra sy zavatra tsy fantatra

Misy karazan-kintana antsoina hoe kintana mipoaka. Nandinika ny hazavana vokatry ny fipoahan’ny iray amin’izy ireny ny mpikaroka, tamin’ny 1998, ka nahita porofo fa mitatra haingana kokoa izao rehetra izao. * Tsy tena azony antoka izany tamin’ny voalohany, nefa nihabetsaka ny porofo hitan’izy ireo tatỳ aoriana. Fantatr’izy ireo fa misy angovo manafaingana an’ilay fitarana, ka niriny ho fantatra hoe inona izy io. Toa manohitra ny hery misintona izy io, ary tsy misy teoria ahafahana mamantatra ny fisiany. Io angovo tsy fantatra io anefa no heverina fa mahaforona ny 74 isan-jaton’izao rehetra izao!

Mbola misy zavatra hafa tsy fantatra anefa, ankoatra an’io angovo io. Nahita an’izany ireo astronoma, rehefa nandinika vahindanitra maromaro, tamin’ny 1985 tany ho any. Mihodina haingana be ireo vahindanitra ireo, anisan’izany ny vahindanitra misy antsika, nefa mahagaga fa tsy mipitika izy ireo. Midika izany fa tsy maintsy misy zavatra mahatonga azy ireo hiraikitra tsara. Inona io zavatra io? Tsy fantatry ny mpahay siansa ilay izy, satria sady tsy mandefa taratra, no tsy misy taratra raisiny. * Tombanana ho ny 22 isan-jaton’izao rehetra izao anefa io zavatra tsy fantatra io, na mety hihoatra an’izany mihitsy aza.

Mba eritrereto ange e! Ny 4 isan-jaton’izao rehetra izao ihany no fantatra, araka ny tombantombana natao vao haingana. Angovo tsy fantatra sy zavatra tsy fantatra kosa ny ambiny, izany hoe ny 96 isan-jaton’izao rehetra izao! *

Tsy ho tapitra mihitsy ny fikarohana

Natao hitadiavana valim-panontaniana ny siansa. Miteraka fanontaniana hafa indray anefa matetika izay valiny azo. Mampahatsiahy an’ireto teny misy heviny lalina ao amin’ny Baiboly ireto izany: ‘Ny zavatra rehetra samy nataony ho miendrika amin’ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataon’Andriamanitra tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.’—Mpitoriteny 3:11, Fandikan-teny Protestanta.

Voafetra tokoa ny zavatra azontsika fantarina amin’izao fotoana izao, satria fohy ny androm-piainantsika. Na ny fahalalana efa ananantsika aza dia azo lazaina ho tombantombana fotsiny, sady mbola mety hasiana fanitsiana. Tsy ho toy izany foana anefa no izy, satria havelan’Andriamanitra hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany ny olona tsy mivadika aminy. Ho afaka handinika mandrakizay ny asa tanan’Andriamanitra izy ireo, ka hahazo fahalalana marina.—Salamo 37:11, 29; Lioka 23:43.

Tsy tokony hatahotra àry isika rehefa mandre an’ireo tombantombana ataon’ny olona momba ny fifaranan’izao rehetra izao. Ampahany kely fotsiny amin’ny zava-misy mantsy no voazavan’ny siansa, fa ny Mpamorona no tena mahalala ny zava-drehetra.—Apokalypsy 4:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Fandinihana ny zavatra any ambony tsy taka-maso any no atao hoe astronomia. Dinihina amin’izany ny niandohan’izao rehetra izao. Dinihina koa ny fivoaran’izao rehetra izao sy izay mbola mety hitranga eo aminy.

^ Mamirapiratra be vetivety ny kintana mipoaka, ary toy ny hazavana avy amin’ny masoandro arivo tapitrisa ny hazavany amin’izay. Mandinika an’ireny kintana ireny ny mpikaroka, mba hahafahany mandrefy ny zavatra sasany.

^ Tamin’ny 1935 tany ho any no nisy resaka voalohany momba an’io zavatra tsy fantatra io, ary tamin’ny 1985 tany ho any no voamarina fa tena misy izy io. Mba hamantarana ny habetsahan’izy io ao anatin’ny antokona vahindanitra iray, dia dinihin’ny astronoma hoe manao ahoana ny fivilin’ny tara-pahazavana rehefa mandalo eo amin’ilay antokona vahindanitra.

^ Natokana ho “Taona Iraisam-pirenena ho An’ny Astronomia” ny taona 2009. Feno 400 taona amin’ity taona ity ny nampiasana voalohany ny teleskaopy fijerena ny any ambony tsy taka-maso any, noforonin’i Galilée.

[Efajoro, pejy 17]

DINIHO NY LANITRA KA AOKA IANAO HANETRY TENA

Rehefa nandinika ny lanitra tsy semban-drahona ny mpanompon’Andriamanitra iray, dia niaiky fa lehibe tokoa i Jehovah. Nihira toy izao mihitsy izy noho izany: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantananao, ary ny volana aman-kintana noforoninao, dia inona moa izay olombelona mety maty no tsaroanao? Ary inona moa izay zanak’olombelona no karakarainao?” (Salamo 8:3, 4) Koa raha izy aza niaiky toy izany, nefa tsy nanana fitaovana fijerena ny lanitra, tsy mainka ve fa isika?

[Kisary, pejy 18]

(Jereo ny gazety)

74% angovo tsy fantatra

22% zavatra tsy fantatra

4% zavatra efa fantatra

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Sary eo amin’ny sisiny: Based on NASA photo

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Sary eo amin’ny sisiny: Based on NASA photo