Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahay Miara-miasa Izy Roa Kely

Mahay Miara-miasa Izy Roa Kely

Mahay Miara-miasa Izy Roa Kely

◼ Ririnina ny andro ka mangatsiaka be atỳ afovoan-tanin’i Afrika Atsimo. Mafana kosa ato amin’ny biraoko, atỳ ambony rihana. Mitazantazana ny eny ivelany aho, ary manahy satria mitsoka mafy ny rivotra ka mila hianjera ny hazo iray efa tsisy ravina intsony. Misy domohina manafana ny zanany kely roa mantsy eo amin’ny sampan’ilay hazo. Vao foy telo andro ireo domohina kely ireo.

Mbola tsy nanatody ilay domohina vavy dia efa niara-niasa nanao akany izy sy ny vadiny. Ny lahy no nitatitra ny rantsankazo madinika, fa ny vavy kosa nandahadahatra izany. Tena vita tsara ilay akany, izay efa nisy atody roa, satria tsy nihintsana mihitsy ilay izy na teo aza ny rivo-mahery. Ilay domohina vavy no nikotrika azy ireo isaky ny alina, fa ilay lahy kosa rehefa antoandro. Foy ireo atody rehefa afaka tapa-bolana teo ho eo. Ho afaka hanidina ireo domohina kely ireo, ao anatin’ny tapa-bolana.

Injay misy feom-borona toa mikakakaka! Fa iza izany? Ilay domohina vavy no mampandre fa tonga eo amin’ny rantsankazo eo akaiky eo izy, ary vonona handimby ny vadiny. Efa feno sakafo ilay kitapo kely ao amin’ny lalan-kaniny mba homeny an’ireo zanany efa noana. Na dia efa mandao ny akany aza ireo domohina kely, dia mbola itondran’izy mivady sakafo foana, mandra-pahavitany mamelon-tena.

Imbetsaka aho no variana mahita ny fahaizan’ireo vorona ireo miara-miasa sy mikarakara tsara ny zanany. Lovain’ny taranany fara aman-dimby io fahaizana voajanahary io. Nahatsiaro an’izao voalazan’ny Salamo 86:8 izao aho nahita izany: “Tsy misy ... toa anao, Jehovah ô! Ary tsy misy mahavita asa sahala amin’izay vitanao.”

Manome tari-dalana ho an’ny ray aman-dreny olombelona koa i Jehovah Andriamanitra ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly Masina. Azo ianteherana ny tari-dalana omeny, toy ilay fahaizana nomeny ny domohina. Ampirisihin’ny Baiboly ‘ho tia zanaka’, ohatra, ny reny. (Titosy 2:4) Hoy koa ny Baiboly amin’ny ray: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.” (Efesianina 6:4; 1 Timoty 5:8) Sarobidy eo imason’Andriamanitra tokoa ny ray aman-dreny manao izany!