Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanao Trano Tena Nahay i Heroda Lehibe

Mpanao Trano Tena Nahay i Heroda Lehibe

Mpanao Trano Tena Nahay i Heroda Lehibe

NANJAKA nandritra ny 30 taona teo ho eo izy, 2 000 taona mahery lasa izay. Tao Jodia sy ny faritra sasany nanodidina izy no nanjaka. Heroda Lehibe no nahalalana azy.

Nalaza ho mpamono olona sy be fialonana i Heroda. Vitany ny namono ny havany. Namono ankizilahikely maro be tsy nanan-tsiny koa izy. Nilaza taminy mantsy ny mpanandro vitsivitsy fa nisy mpanjaka teraka. Mody nilaza i Heroda fa te hanome voninahitra an’ilay zaza, ka nirahiny ireo mpanandro mba hitady azy io, ary hiverina any aminy. Tsy niverina anefa izy ireo, satria nampitandreman’Andriamanitra. Nasain’i Heroda novonoina daholo àry ny ankizilahy roa taona no ho midina tao Betlehema sy ny manodidina.—Matio 2:1-18.

Tian’ny olona anefa i Heroda, tamin’izy mbola tanora kokoa. Nanorina zavatra niavaka mantsy izy, toy ny tempoly, toerana fanaovana hazakaza-tsoavaly, kianja filalaovana, lakandrano, ary lapa lehibe nisy toerana fandroana tsara tarehy. Tena nampitolagaga ny zavatra naoriny. Variana ny injeniera ankehitriny mandinika ny sisa tsy rava amin’izy ireny.

Nifidy toerana niavaka i Heroda, ary nataony nifanaraka tamin’ny endrik’ilay toerana ny zavatra naoriny. Nisy sary hoso-doko tsara tarehy sy sary vita tamin’ny platra ny lapany. Hafakely ny gorodona, satria vita tamin’ny vakivakin-javatra madinika natambatambatra mba hanome sary. Nanamboatra toerana fandroana toy ny an’ny Romanina koa izy, tany Jodia. Nisy efitra mafana tao amin’izy ireny, ary avy tao ambanin’ny tany no nivoahan’ny hafanana. Nanangana tanàna maromaro mihitsy aza i Heroda, ka nasiany seranan-tsambo ny iray.

Tanàna nisy seranana

Nanorina seranan-tsambo tao Kaisaria i Heroda. Anisan’ny lehibe indrindra tao amin’ny fanjakana romanina izy io. Nampitolagaga an’ireo mpikaroka ny habeny, satria antonona sambo zato. Porofo izany fa foibe ara-barotra iraisam-pirenena i Kaisaria taloha.

Nanamboatra fefy vita tamin’ny bolongam-bato lehibe i Heroda mba ho voaro amin’ny onja ilay seranana, ary teknika avo lenta no nampiasainy. Tsy fantatry ny manam-pahaizana hoe ahoana no nitaterana ireny bolongam-bato ireny. Nilaza mantsy i Flavius Josèphe, mpahay tantara jiosy, fa nirefy 15 metatra ny lavan’ny vato iray, ary 3 metatra ny sakany sy ny haavony. Vao haingana, dia hita fa vita tamin’ny rihitra simenitra ireny vato ireny. Nararaka tao anaty vata hazo aloha ny rihitra. Nalatsaka tany an-dranomasina ilay izy rehefa maina, ary natao izay tsy hihetsiketsehany.

Tena vita tsara ilay tanàna. Nisy zavatra hafa koa tao, toy ny lapa, tempoly ho an’i Aogosto Kaisara, toerana fanaovana hazakaza-tsoavaly, toerana fanaovana tantara an-tsehatra antonona olona 4 000, ary lakandrano fandehanan’ny rano maloto. Nanao lakandrano koa i Heroda hitarihana rano madio avy any amin’ny Tendrombohitra Karmela, izay enina kilaometatra avy tao Kaisaria.

Jerosalema sy ny tempolin’i Heroda

Ny tempoly tao Jerosalema no trano lehibe indrindra naorin’i Heroda. I Solomona Mpanjaka no nanorina tempoly voalohany teo amin’ny toerana nisy azy io. Ny planina nomen’Andriamanitra an’i Davida rainy no narahiny. (1 Mpanjaka 6:1; 1 Tantara 28:11, 12) Noravan’ny Babylonianina anefa izy io, 420 taona tatỳ aoriana, ary nanorina tempoly tsotsotra teo i Zerobabela Governora, 90 taona taorian’izay.

Hoy i Josèphe momba ilay tempolin’i Heroda: “Nisy takela-bolamena matevina avokoa ny rindrina. Vao niposaka ny masoandro dia nanjelatra aoka izany ilay tempoly, ka tsy maintsy nampivily ny masony izay olona nijery azy. Toy ny tendrombohitra rakotra lanezy kosa ilay izy, rehefa tazana avy lavitra. Izay faritra tsy rakotra volamena mantsy, dia fotsy mangatsakatsaka.”

Rindrim-bato no nanohana ny tany malalaka nanorenana ny tempoly. Lehilahy an’arivony no nanao ilay rindrina. Nirefy 500 metatra teo ho eo ny ilany andrefana. Nalahatra fotsiny ireo vato fa tsy naraikitra tamin’ny rihitra. Ngezabe izy ireo, ary nisy iray aza efa ho 400 taonina. “Tsy nisy nitovy habe taminy tamin’ny andro fahiny”, hoy ny manam-pahaizana iray. Tsy mahagaga raha talanjona ny mpianatr’i Jesosy! (Marka 13:1) Natao nitovy tantana ilay tany malalaka, izay nantsoina hoe Tendrombohitra Misy ny Tempoly. Mitovy habe amin’ny kianja filalaovam-baolina 35 izy io. Mbola tsy nisy nahavita nampitovy tantana tany midadasika toy izany mihitsy fahiny.

Nanao trano lehibe hafa tao Jerosalema koa i Heroda. Iray tamin’ireny ny lapan’i Antonia, teo akaikin’ny tempoly. Nanamboatra lapa iray hafa koa izy, ary nanorina tilikambo telo hafakely teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna.

Samaria sy Jeriko

Nomen’i Aogosto Kaisara an’i Heroda i Samaria. Novan’i Heroda hoe Sébaste ny anaran’izy io. Nohatsarainy ilay tanàna, ka nanorenany kianja voahodidina andry, sy trano lehibe maro voaravaka sary hoso-doko tsara tarehy.

Any amin’ny Lohasahan’i Jordana no misy an’i Jeriko. Mafana any satria 250 metatra ambany haabon’ny ranomasina. Arivo hektara eo ho eo ny velaran’i Jeriko, ary feno zaridaina. Nanangana lapa tany i Heroda mba hipetrahany rehefa ririnina. Lapa telo no naoriny fa nataony nifandray, ary samy nasiany efitra fandraisana olona, efitra fandroana, zaridaina, ary dobo filomanosana. Tena tiany ny nijanona tany nandritra ny ririnina!

Tanàna mimanda hafakely

Nisy toeran-kafa azon’i Heroda naleha koa anefa rehefa ririnina. Nanao tanàna mimanda teo amin’ilay harambato avo be atao hoe Masada izy. Efajato metatra ambonin’ny Ranomasina Maty io toerana io. Lapa telo tsara tarehy nanao kitohatohatra no nataony tao. Nisy dobo fandroana sy lavarangana nalalaka izy ireo. Nanorina lapa hafa koa izy. Toy ny an’ny Romanina ny efitra fandroana tao amin’izy io, ary fantsona tao anaty rindrina no nanafana azy. Efa nisy fandefasana rano koa ny kabine tao.

Karakaina i Masada, nefa vitan’i Heroda ny nanamboatra ireo toerana tena raitra ireo, izay nataony hialana sasatra sy hikarakarana fahasalamana. Nasiany lavaka 12 fanangonan-drano tao, ary nahazaka rano 40 tapitrisa litatra izy ireo. Nahita hevitra hanangonana ranonorana koa izy, ka nisy rano ampy tsara mba handroana sy hilomanosana ary hambolena.

Nanorina tanàna mimanda atao hoe Herodioma koa i Heroda. Eo an-tampon’ny havoana iray izy io, ary dimy kilaometatra eo ho eo any atsimoatsinanan’i Betlehema. Nizara ho Herodioma Ambony sy Herodioma Ambany izy io. Nisy lapa lehibe tao Herodioma Ambony. Nahitana tilikambo avo be nisy rihana efatra teo amin’ny faritra atsinanan’io lapa io, saingy efa rava. Nilaza ny gazety, roa taona lasa izay, fa marina ny fitantaran’i Josèphe hoe nalevina tao Herodioma Ambony i Heroda, satria hita tao ny sisa tsy rava tamin’ny fasany.

Nisy trano sy birao maromaro kosa tao Herodioma Ambany. Ny zaridaina anefa no tena niavaka. Toy ny zaridaina romanina izy io, ka nahitana andry maromaro. Nisy dobo teo afovoany, 100 metatra teo ho eo ny lavany ary 50 metatra ny sakany. Nasiana nosy kely tsara tarehy teo afovoan’ilay dobo. Nanangonan-drano izy io sady nilomanosana, ary nilalaovana lakana mihitsy aza. Rano tany amin’ny dimy kilaometatra no notarihina nankao.

Hoy ny olona iray nitsidika an’i Herodioma: “Nahatazana hatrany amin’ny Ranomasina Maty izahay, rehefa nitodika niantsinanana. Tazanay koa ny tany efitr’i Jodia, izay nandosiran’i Davida rehefa nenjehin’i Saoly. Be harambato ilay faritra ka azon’i Davida niafenana tsara. Efa hainy tsianjery rahateo ilay toerana, hatramin’izy mbola kely. Matetika koa angamba i Davida no niakatra teo amin’ilay havoana nisy anay, rehefa niandry ondry, ka nahita an’ilay faritra mahafinaritra tazanay.”

Maro ny boky miresaka momba ny zavatra naorin’i Heroda. Betsaka ny tombantombana momba ny antony nanorenany zavatra maro toy izany. Te halaza, hono, izy na te ho tiam-bahoaka. Na izany na tsy izany, dia hita fa mpanao trano tena nahay izy, na dia mpitondra mafy fo aza.

[Sary, pejy 25]

KAISARIA

Sary nataon-tanana

[Sary, pejy 25]

LAPA TAO JEROSALEMA

[Sary, pejy 25]

TEMPOLIN’I HERODA

[Sary, pejy 26]

MASADA

Sisa tsy rava tamin’ireo lapa telo

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary, pejy 26]

HERODIOMA

Sary nataon-tanana

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Kaisaria: Hiram Henriquez/National Geographic Stock; Lapa: Courtesy of Israel Museum, Jerusalem, and Todd Bolen/Bible Places.com