Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Mahavita Mitia ny Fahavalony Ve?

Misy Mahavita Mitia ny Fahavalony Ve?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Misy Mahavita Mitia ny Fahavalony Ve?

Hoy i Jesosy Kristy: ‘Izaho milaza aminareo hoe: Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Izy mantsy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mandatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.’—Matio 5:44, 45.

AHOANA no fahitanao ny fivavahana misy ankehitriny? Mahatonga ny olona ho be fitiavana sy ho tia fihavanana ve? Maro no mahita fa mahatonga ny olona hahery setra sy hankahala ny hafa izy ireny, satria mitsabaka amin’ny politika, na mampirisika ny olona hanavakavaka, na ho tia tanindrazana tafahoatra. Nilaza anefa i Jesosy fa manahaka an’Andriamanitra ny tena ‘zanany’, ka tia ny olon-drehetra, na dia ny fahavalony aza.

Hoy koa ny Baiboly: ‘Raha noana ny fahavalonao dia omeo sakafo, ary raha mangetaheta izy, omeo zavatra hosotroiny. Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.’ (Romanina 12:20, 21) Misy mahavita an’izany ve anefa eto amin’ity tontolo feno fankahalana ity? Afaka milaza aminao izahay Vavolombelon’i Jehovah hoe eny! Jereo izay nataon’i Jesosy sy ny mpianany.

Tia ny fahavalony izy ireo

Nampianatra momba an’Andriamanitra i Jesosy, ary maro no nihaino azy. Nisy koa anefa nanohitra, satria diso hevitra momba azy. (Jaona 7:12, 13; Asan’ny Apostoly 2:36-38; 3:15, 17) Na izany aza, dia mbola nampianatra ny olona foana i Jesosy, anisan’izany ireo fahavalony. (Marka 12:13-34) Fantany mantsy fa mety hiova ny sasany, ka hanaiky azy ho Mesia, ary hino ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.—Jaona 7:1, 37-46; 17:17.

Nosamborin’ny fahavalony i Jesosy tatỳ aoriana, nefa mbola nampiseho fitiavana ihany. Nositraniny, ohatra, ny sofin’ny iray tamin’izy ireo, rehefa nokapain’ny apostoly Petera tamin’ny sabatra. Nanome toro lalana miavaka izy tamin’izay, ary mbola manaraka izany ny tena Kristianina. Hoy izy: “Ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.” (Matio 26:48-52; Jaona 18:10, 11) Hoy i Petera, 30 taona teo ho eo tatỳ aoriana: ‘Nijaly ho anareo i Kristy, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo akaiky ny diany. Tsy mba nandrahona izy rehefa nijaly, fa nanankina foana ny fiainany [tamin’Andriamanitra].’ (1 Petera 2:21, 23) Nianaran’i Petera àry fa tsy tokony hamaly faty ny tena Kristianina, fa ho be fitiavana kosa.—Matio 5:9.

Be fitiavana sy tsara fanahy toa an’i Jesosy izay ‘manaraka akaiky ny diany.’ Hoy ny 2 Timoty 2:24: ‘Tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa, sy hahafehy tena rehefa misy mahasosotra.’ Manana an’ireo toetra ireo ny tena Kristianina, ka lasa tia fihavanana.

“Ambasadaoro” tia fihavanana

Hoy ny apostoly Paoly: ‘Ambasadaoro solon’i Kristy àry izahay, ka miangavy hoe: “Mba mihavàna amin’Andriamanitra re ianareo e!” ’ (2 Korintianina 5:20) Tsy miditra amin’ny politika sy ny adin’ny tany anirahana azy ny ambasadaoro. Solontenan’ny fireneny fotsiny izy, ary manohana ny fitondrana naniraka azy.

Toy izany koa ny ambasadaoro na irak’i Kristy. I Jesosy no Mpanjakan’izy ireo. Manohana ny Fanjakany any an-danitra àry izy ireo, ka mitory momba azy io, ary tsy mila ady rehefa manao izany. (Matio 24:14; Jaona 18:36) Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina fahiny: ‘Tsy mba miady araka ny fironan’ny nofonay izahay. Fa tsy araka ny nofo ny fitaovam-piadianay, nefa mahery, satria Andriamanitra no nanao azy ho mahery mba handravana fisainana mbamin’ny zavatra avo rehetra atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra.’—2 Korintianina 10:3-5; Efesianina 6:13-20.

Nenjehina ny Kristianina tany amin’ny firenena maro, tamin’i Paoly nanoratra an’ireo. Azon’izy ireo natao ny namaly faty. Notiaviny foana anefa ny fahavalony. Mbola nampirisihiny hihavana tamin’Andriamanitra koa ireo vonona hihaino. Hoy Ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana sy ny Ady (anglisy): ‘Tsy nety nandeha niady sy nanao miaramila ny mpianatr’i Jesosy voalohany, satria nampianariny hifankatia sy ho tia ny fahavalony.’ *

Manahaka ny Kristianina voalohany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka i Jesosy ihany no ekeny ho Mpanjakany. Mino izy ireo fa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra i Jesosy, ary hampisy fiadanana sy filaminana eto an-tany, tsy ho ela. (Daniela 2:44; Matio 6:9, 10) Mitory momba an’io Fanjakana io àry izy ireo, toy ny ataon’ny ambasadaoro sy iraka. Miezaka ny ho olom-pirenena modely koa anefa izy ireo any amin’izay tany misy azy, ka mandoa hetra, sy mankatò lalàna raha mbola tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra izany.—Asan’ny Apostoly 5:29; Romanina 13:1, 7.

Mampalahelo anefa fa misy diso hevitra momba azy ireo, ka manaratsy sy manenjika azy. Tsy mamaly faty anefa izy ireo, fa miezaka ‘mihavana amin’ny olona rehetra’ kosa. Manantena mantsy izy ireo fa mety mbola ‘hihavana amin’Andriamanitra’ ireny olona ireny, ka ho afaka hiaina mandrakizay. *Romanina 12:18; Jaona 17:3.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Hoy koa ilay rakipahalalana: “Nanameloka ny ady daholo ny mpanoratra kristianina talohan’ny andron’i Constantin [mpanjaka romanina tamin’ny taona 306-337].” Niova anefa izany rehefa nihamaro ny mpivadi-pinoana, araka ny efa voalazan’ny Baiboly.—Asan’ny Apostoly 20:29, 30; 1 Timoty 4:1.

^ Manahaka ny Kristianina voalohany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mitory any amin’ny fitsarana, rehefa tsy avela hanaraka ny fivavahany.—Asan’ny Apostoly 25:11; Filipianina 1:7.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Inona no tokony hataon’ny Kristianina amin’ny fahavalony?—Matio 5:43-45; Romanina 12:20, 21.

◼ Inona no nataon’i Jesosy, rehefa nenjehina izy?—1 Petera 2:21, 23.

◼ Nahoana ny Kristianina voalohany no tsy nety nandeha niady?—2 Korintianina 5:20; 10:3-5.