Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miferinaina Amin’ny Asa ve Ianao?

Miferinaina Amin’ny Asa ve Ianao?

Miferinaina Amin’ny Asa ve Ianao?

TSY mahay mampifandanja ny asany sy ny tokantranony ny olona, ary fahita hatraiza hatraiza izany. Taloha dia niavaka tsara ny asa sy ny tokantrano, hoy ny boky iray, kanefa niova izany noho ny ‘fanatontoloana sy ny teknolojia ary ny fanerena hiasa tsy an-kiato isan’andro.’ Lasa nanan-karena be àry ny olona. Tsy azoazo foana anefa izany. Hoy ny mpanoratra iray: “Olona an-tapitrisany no be asa loatra, be atao loatra, ka tsy misy tany iainany intsony. Tena mampiferinaina izany!”

Manampy trotraka an’izany ny fitotongan’ny toe-karena niseho vao haingana. Very asa sy trano ny olona eran-tany, na ireo miasa vatana na ireo miasa birao. Naleon’izy ireo ihany angamba niasa be.

Diniho ireto manaraka ireto:

▶ Eoropeanina 6 isaky ny 10 no miferinaina noho ny asa.

▶ Ny ampahatelon’ny Amerikanina miasa no mahatsapa ho tototry ny asa foana.

▶ Efa ho ny Kanadianina rehetra no tsy mahay mampifandanja ny fiainany ao an-tokantrano sy ny asany.

▶ Tombanana ho mpiasa 600 tapitrisa mahery, izany hoe ny 22 isan-jaton’ny mpiasa eran-tany, no miasa adiny 48 mahery isan-kerinandro.

Miatrika olana lehibe àry ny olombelona. Asehon’ny fandinihana sasany fa raha miasa ela be amin’ny fotoana miovaova ny olona, dia hiharatsy ny fahasalamany sy ny fifandraisany amin’ny hafa ary ny fitaizany ny zanany, sady ho mora misintaka sy misara-panambadiana izy.

Ahoana ny aminao? Miasa be loatra ve ianao? Sa ianao anisan’ireo olona an-tapitrisany tsy an’asa? Tena tianao hifandanja tsara ve ny asanao sy ny fiainam-pianakavianao? Ahoana no hanaovanao izany?

[Efajoro/Sary, pejy 3]

“ASA FANAMPINY”

Hoy ny vehivavy iray: “Rehefa avy miasa aho, dia mbola tsy maintsy mahandro, manadio, manasa lamba, maka ny ankizy, manampy azy manao devoara, ary mijery raha efa nisasa izy ireo ka matory. Trotraka tanteraka aho vao vita izany.” Tombanana ho 1 200 tapitrisa ny vehivavy miasa eran-tany, ka an-tapitrisany amin’izy ireo no manao an’io “asa fanampiny” io. Maro koa ny lehilahy toy izany. Asehon’ny fanadihadiana anefa fa mazàna no tsy mety manao raharaha ny lehilahy. Ny vehivavy matetika no manao izany, na miasa any ivelany izy na tsia.