Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lanjalanjao ny Fotoana Iasanao

Lanjalanjao ny Fotoana Iasanao

Lanjalanjao ny Fotoana Iasanao

TENA manahy ny olona hoe hanana asa azo antoka hamelomany ny ankohonany ve izy, amin’izao fotoanan’ny krizy ara-bola izao. Tsy mora foana izany satria mpiasa an’arivony aza no esorin’ny mpampiasa azy, noho ny tsy fisian’ny asa. Tena sarotra ny mitady asa raha tsy an’asa tampoka ianao.—Jereo ny efajoro, pejy 8 sy 9.

Tsy ny asa mafy ihany anefa no zava-dehibe eo amin’ny fiainana. Hoy i Glenn, raim-pianakaviana any Aostralia: “Tsy hisy mihitsy olona efa ho faty ka hiteny hoe: ‘Tahaka izay aho niasa bebe kokoa.’ ” Marina fa tsy maintsy miasa isika raha te ho afa-po amin’ny fiainana. Mila miaraka amin’ny fianakaviana sy miala voly ary manao zavatra mifandray amin’ny fivavahana koa anefa isika. Ahoana no hampifandanjana an’ireo rehetra ireo?

Fotoana hiasana sy fotoana hakana aina

Asain’ny Baiboly miasa mafy isika mba hamelomana fianakaviana. (Efesianina 4:28) Ampirisihiny koa anefa isika mba ‘hihinana sy hisotro ary hifaly noho ny asa mafy nisasarantsika.’ (Mpitoriteny 3:13) Maty antoka ny olona miasa be foana nefa tsy miala sasatra tsara na miala voly. Tena mankarary koa izany.

Hita fa ny olona miasa be tsy misy farany dia mora matavy, miboboka toaka, marary fo, tratran’ny loza any am-piasana, mampiasa zava-mahadomelina, kivy, reraka, ketraka, tratran’ny aretina hafa, ary mety ho faty mihitsy. Lazain’ny tatitra iray fa Japoney 10 000 eo ho eo isan-taona no maty satria miasa be loatra. Mitovy amin’ny isan’ireo matin’ny lozam-piarakodia any Japon izany. Tsy any ihany no misy an’izany olana izany.

Mariho izao torohevitry ny Baiboly izao: “Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.” (Mpitoriteny 4:6) Tena ilaina àry ny fahaiza-mandanjalanja. Aza manaiky handevozin’ny asa. Makà fotoana hialana sasatra sy hankafizana ny asan’ny tananao. Hahasoa ny sainao sy ny vatanao ary ny fonao izany.

Hoy i Andrew, manambady ary manan-janaka telo: “Tokony hiasa isika mba ho velona, fa tsy hoe velona mba hiasa.” Ho afaka hikarakara izay ilain’ny ankohonanao ianao raha ampifandanjainao tsara ny asa sy ny fialan-tsasatra ary ny fialam-boly. Tsy mora anefa izany, indrindra raha betsaka ny zavatra tsy maintsy andoavam-bola.

Ny asa sy ny fianakaviana

Be atao loatra ny fianakaviana maro, ka zara raha miaraka. Hoy ny vehivavy iray any Angletera: “Reraka be aho rehefa avy miasa, ka zara raha voakarakarako ny zanako.” Ny ampahadimin’ny ankizy nadinadinina tany Etazonia no nilaza fa tena mampanahy azy ny ‘tsy fahampian’ny fotoana iarahany amin’ny ray aman-dreniny.’ Asehon’ny fandinihana hafa tany Etazonia fa 12 minitra isan’andro eo ho eo no mba ifampiresahan’ny mpivady, raha samy miasa izy ireo.

Leon’ny miasa be loatra ny olona maro, ka jereny tsara izay tena zava-dehibe aminy, ary manao fanovana izy. Hoy i Timothy, manan-janaka kely roa: “Mbola niasa aho taorian’ny ora fiasana, ary niasa nandritra ny faran’ny herinandro ny vadiko. Zara raha nihaona izahay. Nodinihinay tsara anefa ny fiainanay ary nanao fanovana teo amin’ny asanay izahay, ka sambatra kokoa izao.” Hoy i Brian, mpitantana fivarotana iray: “Nitady asa nety kokoa taminay aho, rehefa bevohoka fanindroany ny vadiko. Latsaka 10 000 dolara tamin’ny teo aloha ny karamako isan-taona, nefa nanam-potoana bebe kokoa aho. Tsy nanenenako izany.” Tsy niasa intsony i Melina rehefa niteraka ny zanany voalohany izy. Hoy izy: “Ny vadiko irery sisa no niasa, ary sarotra ny nizatra tamin’ny vola kely kokoa. Hitanay mivady anefa hoe aleo i Emily miaraka amiko ao an-trano, toy izay hapetraka any amin’ny akanin-jaza.”

Fianakaviana maro anefa no mitrongy vao homana. Misy olona manao asa roa mba hahazoany izay tena ilainy. Samy miasa ny mpivady sasany ary apetrany any amin’ny ray aman-dreniny na any amin’ny akanin-jaza ny zanany.

Mety hahita fomba hafa hampifandanjana ny andraikitra ara-pianakaviana sy ny asa ianao. Izao fotsiny tadidina: Aza avela haka ny fotoana mamy tokony hiarahanao amin’ny ankohonanao ny asa.

Matokia fa handray soa maro ianao raha mahay mampifandanja ny asa sy ny fialam-boly ary ny fianakaviana. Resahin’ny lahatsoratra manaraka ny zavatra iray tena lehibe, izay hanampy antsika hanana fiainana tsotra sy voalanjalanja.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Aza manaiky handevozin’ny asa

[Teny notsongaina, pejy 5]

Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.”—Mpitoriteny 4:6

[Teny notsongaina, pejy 6]

Aza avela haka ny fotoana mamy tokony hiarahanao amin’ny ankohonanao ny asa

[Efajoro/Sary, pejy 6]

VOLA SA FOTOANA?

Nino ny manam-pahaizana sasany tamin’ny taonjato faha-20 fa tsy ho dridralava intsony ny asa noho ny fandrosoan’ny teknolojia, ka “tena hanam-potoana malalaka be ny olona.”

Taoriana kelin’ny 1930, dia nilaza i Julian Huxley, mpampianatra, fa tsy voatery hiasa mihoatra ny roa andro isan-kerinandro ny olona amin’ny hoavy. Nilaza ny mpandraharaha iray atao hoe Walter Gifford fa “ho afaka hanao izay tiany ny olona” noho ny teknolojia, ary “hanam-potoana hanatsarana ny fomba fiainany” sady “hanam-potoana kokoa mba hanaovan-javatra mahafalifaly ny fo sy ny sainy.”

Ahoana kosa ny momba ny faniriana hanan-javatra? Nirehareha erỳ i Henry Fairchild, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina, rehefa nilaza fa ‘hahavita hamokatra zavatra betsaka lavitra noho izay ilaintsika’ ny orinasa, nefa ‘latsaka ny adiny efatra isan’andro monja no hiasany.’

Marina ve izany rehetra izany? Nandroso be tokoa ny toe-karena nandritra ny taonjato faha-20 sy faha-21. Tokony ho nampihena ny habetsahan’ny asa izany. Inona anefa no nitranga? Hoy i John de Graaf: “Ampiasain’ny olona hahazoam-bola sy fananana bebe kokoa ny fahaizany mamokatra zavatra haingana sy betsaka, fa tsy ampiasainy mba hananana fotoana bebe kokoa. Raha tsorina dia izao: Aleontsika vola toy izay fotoana.”