Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manàna Fiainana Tsotra sy Voalanjalanja

Manàna Fiainana Tsotra sy Voalanjalanja

Manàna Fiainana Tsotra sy Voalanjalanja

TENA handray soa ianao raha manana fiainana tsotra sy voalanjalanja. Inona no tafiditra amin’izany? Mila dinihinao aloha izay zava-dehibe aminao.

Eritrereto izao: ‘Inona no efa vitako hatreto? Inona no mbola tokony hataoko?’ Soraty eto ambany izay tanjona tianao hotratrarina:

1. ․․․․․

2. ․․․․․

3. ․․․․․

Tia vola loatra sy tsy mitsinjo lavitra ny olona maro ankehitriny, ka toy ny milaza hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.” (1 Korintianina 15:32) Mino izy ireo fa ny tena tsara dia ny miasa mba hahazoam-bola hividianan-javatra. Tsy izany anefa no lazain’ny Baiboly.

Niresaka momba ny lehilahy iray nanangon-karena i Jesosy tao amin’ny fanoharany. Maty anefa io lehilahy io ka tsy afaka nifaly tamin’ny harenany akory. “Izany koa no hanjo ny olona mihary harena ho an’ny tenany, nefa tsy mba manankarena eo imason’Andriamanitra.” (Lioka 12:16-21) Tsy diso ilay lehilahy raha nisasatra mba hahazoana izay nilainy. Inona anefa no olana? Tia harena loatra izy, fa tsy mba nahatsiaro an’Andriamanitra. Tsy tena nitondra soa maharitra ho azy àry ny fananany, izany hoe izay rehetra nisasarany. Voa mafy tokoa izy!—Mpitoriteny 2:17-21; Matio 16:26.

Asa hahazoana valisoa mandrakizay kosa no asain’i Jesosy hataontsika. Hoy izy: “Aza miasa hahazoana sakafo mety simba, fa miasà kosa hahazoana sakafo maharitra izay mitondra fiainana mandrakizay.” (Jaona 6:27) Hoy izy talohan’izay: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Valisoa tena tsara tokoa izany!

Ahoana no handresenao fanahiana?

Fantatr’i Jesosy fa mora manahy ny amin’izay ilaintsika isika. Hoy àry izy tamin’ny mpianany: “Aza mitady intsony izay hohaninareo na izay hosotroinareo, ary aza be fanahiana intsony. Izany rehetra izany mantsy no katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra, nefa ny Rainareo mahalala fa mila izany ianareo. Fa aza mitsahatra mikatsaka ny fanjakany, dia homena anareo koa izany zavatra izany.”—Lioka 12:29-31.

Nanatsotra ny fiainany ny Kristianina maro noho io fanomezan-toky io. Hoy i Juliet, any Malezia: “Nandreraka sy nahakivy ny asako. Nangataka tamin’i Jehovah àry izahay mivady mba hanampy anay hanana fiainana tsotra. Nivaly haingana ny vavakay. Tsy ampy iray volana dia nahazo asa tapa-potoana aho. Nampianatra ankizy manan-kilema aho.” Mpanao tafontrano i Steve, any Aostralia. Nanitsy ny fotoana iasany izy, mba hananany fotoana bebe kokoa hanompoana an’Andriamanitra miaraka amin’ny ankohonany. Hoy i Maureen vadiny: “Sambatra kokoa izy izao. Faly erỳ ny ankizy ary faly koa aho! Tsory ny fiainana, dia hihamifankatia ny mpianakavy.”

Mila finoana matanjaka ianao mba hanarahana ny torohevitr’i Jesosy, raha tsy an’asa ary efa hamoy ny tranonao. Afaka ny hanana fiainana tsotra sy voalanjalanja ihany anefa ianao, raha mitoky amin’Andriamanitra sy manao ny fanompoana azy ho loha laharana. Hanampy anao izany mba hahazo ny “tena fiainana”, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra hanjakan’ny fahamarinana. Hahafinaritra avokoa ny asa amin’izay, ary tsy ho very maina ny fisasaran’ny olona.—1 Timoty 6:17-19; Isaia 65:21-23.

Te hahafantatra bebe kokoa momba an’io “tena fiainana” ampanantenain’ny Baiboly io ve ianao? Anontanio àry ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo, na manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy eo amin’ny pejy 5.

[Teny notsongaina, pejy 9]

Hahafinaritra sy hahasoa daholo ny asa ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra

[Efajoro, pejy 8]

INONA NO ASA AZONAO ATAO ANY IVELAN’NY TRANO?

Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy mety hanampy ny olona tsy an’asa, any amin’ny tany sasany:

● Miandry tranon’olona (rehefa tsy eo ny tompony fa nandeha lavitra noho ny asa na vakansy, ary tiany hokarakaraina ny tranony)

● Manadio fivarotana, birao, trano sy tranobe vao naorina na may, na trano nialan’olona. Miasa an-trano, manadio varavarankely (birao sy tranon’olona)

● Manamboatra bisikileta na fitaovana elektrika (misy boky momba ny fanamboarana zavatra simba, any amin’ny tranomboky)

● Asa madinidinika: Fandokoana, fanamboarana arimoara kely na varavarana na fefy na tafo

● Mamboly, mioty voankazo, manetsa, mijinja

● Mandravaka sy mikarakara voninkazo any amin’ny birao, banky, efitrano fiandrasana, tokotanin’ny fivarotana

● Miambina tranobe, miasa ao an-tranon’olona (omen’ny mpampiasa trano ipetrahana, indraindray)

● Mametaka môkety sy gorodona ary manadio

● Manatitra gazety (azon’ny olon-dehibe sy ankizy atao), na taratasy misy dokam-barotra, na taratasim-panjakana

● Mitaona entan’olona, mitahiry entan’olona

● Manatsara ny endriky ny tokotany, mandrantsana hazo, mikarakara bozaka, mikapa hazo

● Mikarama maka sy manatitra mpianatra

● Maka sary tapaka na sary lava, maka sary amin’ny fotoana manokana

● Mivarotra jono ho an’ny mpanjono

● Mifanakalo asa: Fanamboarana fiara ho takalon’ny fanamboarana fitaovana elektrika, na fanjairana ho takalon’ny fanamboarana fantson-drano

Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny Mifohaza! 8 Martsa 1996, pejy 3-11.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

INONA NO ASA AZONAO ATAO AO AN-TRANO?

Diniho izay ilain’ny olona eny akaikinareo. Anontanio izy ireo, ary mahaiza mitady hevitra.

● Mitaiza zaza, mikarakara ankizy

● Mivarotra legioma na voninkazo nambolena, mivarotra ranom-boankazo

● Manjaitra, manamboatra izay tsy mety amin’ny akanjo

● Mitondra asa any an-trano ary mandray karama arakaraka izay vita

● Manao mofo na mivarotra hani-masaka

● Manjaitra rako-pandriana, manao ba krôse, manenona, manefy tanimanga, manao asa tanana hafa

● Manao fonon-tseza

● Mitendry masinina, manao asa samihafa amin’ny ordinatera

● Manao volo

● Mampiantrano olona sy mikarakara azy

● Mampiditra taratasy misy dokam-barotra ao anaty valopy ary mametraka adiresy

● Manadio fiara (aterin’ny tompony ao an-tranonao ny fiarany)

● Manamboatra hidim-baravarana simba na lakile (miasa ao an-trano)

Azo apetaka eny amin’ny fivarotana lehibe na eny an-toeran-kafa ny filazana momba ny ankamaroan’ireo asa ireo. Maimaim-poana na tsy dia lafo ny manao izany.