Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maninona Aho no Tsy Tian’ny Ankizilahy?

Maninona Aho no Tsy Tian’ny Ankizilahy?

Manontany ny Tanora Hoe...

Maninona Aho no Tsy Tian’ny Ankizilahy?

Fantany fa be mpitia aho, satria notantaraiko hoe tara amiko daholo ny ankizilahy. Nihomehy izy tamin’izaho nilaza hoe sain-jaza ny namako sasany. Hitany koa hoe mba mahay ihany aho, satria nisy nahitsiko ny teniny. Fa maninona àry izy no mbola tsy taitra amiko foana?

Izy aloha manja, fa hoatran’ny maivan-doha e! Tsy misy andaharana mihitsy! Rehefa mba miteny aho, dia ahitsiny foana! Tsy tiako mihitsy ny mifanena aminy.

MANAHY ve ianao sao tsy tian’ny ankizilahy? Miasa saina momba izany ny ankizivavy maro, na dia toa be mpitia aza. Iray amin’ireny i Joanne. Tsara tarehy izy, marani-tsaina, ary mahay maneho hevitra. Hoy anefa izy: “Mieritreritra aho matetika hoe tsy tian’ny ankizilahy. Nisy ihany mba tia ahy sady tiako, nefa vetivety dia tsy niraharaha ahy intsony.”

Inona no toetran’ny ankizivavy tian’ny ankizilahy, ary inona no tsy tiany? Inona no zavatra tsara azonao atao mba hisy ankizilahy tsara toetra ho tia anao?

Inona no azo atao?

Miezaha ho matotra. Lasa tia ankizilahy ve ianao izao, satria efa tovovavy kely? Mety ho ankizilahy maromaro mihitsy aza no tianao. Ara-dalàna izany. Mety tsy hihamatotra ara-pihetseham-po sy ara-panahy anefa ianao, raha tonga dia miaraka amin’ny ankizilahy mahatara anao. Mbola mila miezaka ho tsara toetra sy hanatratra ny tanjonao sasany mantsy ianao, ary ‘hanavao ny sainao’ mba hahay hamantatra izay zava-dehibe.—Romanina 12:2; 1 Korintianina 7:36; Kolosianina 3:9, 10.

Marina aloha fa betsaka ny ankizilahy tia ankizivavy tsotra loatra na mbola tsy dia matotra. Tsy ny toetran’ilay ankizivavy anefa no tena manintona azy fa ny vatany. Ny ankizilahy hendry kosa tia ankizivavy matotra sy afaka ny hifanaraka aminy.—Matio 19:6.

Ny hevitry ny ankizilahy: “Tiako ny ankizivavy manana ny heviny, fa tsy manaraka be fahatany izay lazain’ny olona.”—James.

“Tsy tia ankizivavy manaiky be fahatany izay lazaiko aho. Tiako kosa izy raha milaza izay tena ao am-pony, nefa mahay manaja. Tsy azoazoko ny ankizivavy milaza izay tiako ho re fotsiny, na dia tsara tarehy toy inona aza izy. Tonga aho dia mailo!”—Darren.

“Ekeko fa mora taitra amin’ny ankizivavy tsara tarehy aho. Tsy mahataitra ahy intsony anefa izy rehefa hitako fa tsy manana tanjona tsara. Manintona ahy kosa izy raha efa mahafantatra izay hataony rehefa lehibe, indrindra moa raha efa tratrany ny tanjony sasany.”—Damien.

Miezaha hanaja. Maniry hotiavina ny ankizivavy, fa ny ankizilahy kosa maniry hohajaina. Tsy mahagaga raha mampirisika ny lehilahy ho tia ny vadiny ny Baiboly, fa mandidy ny vehivavy kosa mba “hanaja fatratra” ny lehilahy. (Efesianina 5:33) Maherin’ny 60 isan-jaton’ny tovolahy nadinadinina no nilaza fa zava-dehibe kokoa aminy ny fanajana noho ny fitiavana. Maherin’ny 70 isan-jato kosa ny lehilahy lehibe nilaza izany.

Ny hoe manaja anefa tsy midika hoe tsy afaka manana ny hevitrao sy maneho izany ianao. (Genesisy 21:10-12) Mila tandremanao fotsiny ny fomba ilazanao an’ilay izy, satria miankina amin’izany no hitiavan’ny ankizilahy anao. Mety hieritreritra izy fa tsy manaja azy ianao, raha toherinao na ahitsinao foana izay lazainy. Raha henoinao kosa ny heviny ary derainao rehefa hitanao hoe tsara, dia mety hanaiky sy hanaja ny hevitrao koa izy. Hajao koa anefa ny fianakavianao sy ny olon-kafa, satria hahamarika izany ny tovolahy mahay mandinika. *

Ny hevitry ny ankizilahy: “Faly ny ankizilahy rehefa hajaina ny heviny, indrindra fa raha ankizivavy tiany no manao izany.”—Anthony.

“Raha te hiaraka amin’ny olona iray ianao, dia mila hajainao aloha izy. Mety ho tiany ianao avy eo.”—Adrian.

“Manaja anao ny ankizivavy tena tia anao.”—Mark.

Manaova akanjo maotina ary aoka ianao hadio foana. Ahalalana ny ao an-tsainao ny fitafiana sy taovolonao. Mbola tsy miresaka aminao akory ny ankizilahy, dia efa ahafantarany zavatra betsaka momba anao izany. Ho fantany avy hatrany fa ankizivavy hendry ianao, raha milamina sy mendrika ny akanjonao. (1 Timoty 2:9) Raha tsy maotina na misavoritaka kosa izany, dia hieritreritra izy fa maditra ianao.

Ny hevitry ny ankizilahy: “Ahalalana ny toe-tsain’ny ankizivavy ny akanjony. Te hojeren’ny lehilahy izy matoa tia manao akanjo mampihanjahanja na misavoritaka.”—Adrian.

“Tiako ny ankizivavy mikarakara tsara ny volony, manimanitra, ary malefaka fiteny. Nisy ankizivavy tsara tarehy tiako taloha, saingy voretra ka lasa tsy tiako intsony.”—Ryan.

“Tsy tiako mihitsy ny ankizivavy manao makiazy be sy manao akanjo tery kely na mampihanjahanja mba hisarihana ankizilahy.”—Ethan.

“Marina fa taitra kely ihany aho rehefa mahita ankizivavy manao akanjo tsy maotina. Tsy ankizivavy hoatr’ireny mihitsy anefa no tiako.”—Nicholas.

Inona no tsy tokony hatao?

Aza manadala ankizilahy. Tena mahay misarika lehilahy ny vehivavy. Mety hisy vokany tsara izany na ratsy. (Genesisy 29:17, 18; Ohabolana 7:6-23) Halaza ho mpanadala lehilahy anefa ianao raha ataonao foana izay hahasarika ny lehilahy aminao.

Ny hevitry ny ankizilahy: “Raha vao mipetraka eo akaikin’ny ankizivavy tsara tarehy fotsiny ny ankizilahy ka mifampikasoka aminy dia efa taitaitra. Mpanadala lehilahy àry amiko ny ankizivavy tia mikasika ahy rehefa miresaka.”—Nicholas.

“Misy ankizivavy mikasikasika ny sandrin’izay ankizilahy rehetra miresaka aminy, na mijerijery an’izay ankizilahy mandalo. Mpanadala lehilahy ny ankizivavy hoatr’izany, ka tsy tiako.”—José.

“Mpanadala lehilahy ny ankizivavy iray amiko, raha kasikasihiny daholo izay ankizilahy miresaka aminy, ary izay hitany hoe tena tara aminy no ifikirany.”—Ethan.

Aza fehezina izy. Milaza ny Baiboly fa rehefa mpivady ny olon-droa vao lasa “nofo iray.” (Genesisy 2:24) Tsy afaka manao izay tiany toy ny tamin’izy mpitovo intsony, na ilay lehilahy na ilay vehivavy. Mila mifampiera foana izy roa. (1 Korintianina 7:32-34) Mbola tsy manana zo hitaky izany amin’ny tovolahy iray anefa ianao raha vao mifankahalala ianareo, ary izy koa tsy afaka mitaky izany aminao. Mety tsy hinamana aminao intsony izy raha fehifehezinao. *

Ny hevitry ny ankizilahy: “Mifehifehy be loatra ny fiainako ny ankizivavy iray raha te hahalala izay rehetra ataoko, sady hoatran’ny tsy mahita olona hifaneraserana afa-tsy izaho.”—Darren.

“Efa mailo aho raha misy ankizivavy vao mifankahalala amiko nefa manontany ahy amin’ny telefaonina foana hoe iza avy no eo akaikiko eo, ary ny ankizivavy no tena tiany ho fantatra.”—Ryan.

“Tsy tiako ny ankizivavy rehefa tsy mamela ahy hiaraka amin’ny ankizilahy namako, sady sosotra rehefa tsy asaiko miaraka amiko.”—Adrian.

Hajao ny tenanao

Angamba ianao mahalala ankizivavy manao izay fomba rehetra hisarihana ankizilahy. Misy koa mampandefitra ny fitsipika arahiny mba hahazoana ankizilahy iarahana na vady. Tsy maintsy ‘hijinja izay afafiny’ anefa izy ireny. (Galatianina 6:7-9) Raha tsy manaja ny tenanao sy ny fitsipika arahinao ianao, dia ankizilahy tsy manaja anao sy ny fitsipika arahinao koa no mety ho azonao.

Fantaro fa tsy ny ankizilahy rehetra no ho tia anao, ary tsara ihany izany. Miezaha foana anefa hanatsara ny toetranao sy tsy hanao tsirambina ny bika aman’endrikao. Ho “tena sarobidy eo imason’Andriamanitra” ianao amin’izay, ary hahazo ny tovolahy sahaza anao.—1 Petera 3:4.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Raha efa tapa-kevitra ny hivady kosa anefa ianareo, dia manan-jo hahalala izay ataon’ny andaniny ny ankilany.

ERITRERETO IZAO:

● Ahoana no hampisehoanao fa manaja ny hevitry ny ankizilahy iray ianao?

● Ahoana no hampisehoanao fa manaja tena ianao?

[Sary, pejy 27]

Samy ilaina toy ny kodiarana roa amin’ny bisikileta ny fitiavana sy ny fanajana