Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nalaina Tahaka ny Zavaboary

Nalaina Tahaka ny Zavaboary

Nalaina Tahaka ny Zavaboary

“Samy nataon’i Jehovah na ny sofina mandre na ny maso mahita.”—Ohabolana 20:12.

TOY ny kamerà kely ny maso. Avadiny ho famantarana elektrika ny sary, ary ampitainy any amin’ny hozatra fitatijery. Tonga ao amin’ny faritra ao aoriana amin’ny atidoha izany avy eo. Io faritra io no tena mahita raha ny marina.

Milanja 7,5 grama ny maso, ary 24 milimetatra monja ny savaivony. Mahavariana anefa ny fomba nanamboarana azy io. Tsy mitovy, ohatra, ny fomba fiasany amin’ny toerana mazava sy maizina. Tsy hahatanty hazavana kokoa ny masonao, rehefa avy nitsofoka tao amin’ny efitra maizina nandritra ny 30 minitra ianao.

Inona no manampy anao hahita tsara, rehefa amin’ny toerana mazava? Avo 100 heny mahery noho ny zava-bitan’ny ankamaroan’ny kamerà ny zava-bitan’ny maso. Maro kokoa mantsy ny teboka hitany. Miangona ao amin’ilay pentina vony ao afovoan’ny temimaso ny ankamaroan’ireny teboka ireny. Io pentina io no manampy anao hahita tsara. Ovaovanao imbetsaka ny zavatra jerenao isan-tsegondra, ary hitanao tsara daholo. Bitika toy ny teboka anefa io pentina vony io.

Miampitampita amin’ireo selam-pitatitra ny famantarana elektrika avy amin’ireo sela mpamantatra hazavana, mandra-pahatongany any amin’ny hozatra fitatijery. Tsy mampita famantarana fotsiny anefa ny selam-pitatitra. Fakafakainy mialoha izy ireny. Ataony misongadina kokoa izay fanazavana tena ilaina, fa esoriny izay tsy ilaina.

Ilay faritra ao aoriana amin’ny atidohanao no mandray an’ireo famantarana elektrika. Ataony mazava tsara ireo sary. Ampitahainy amin’izy samy izy ireo famantarana avy amin’ireo sela mpamantatra ny loko mena sy maitso ary manga, ka afaka manavaka loko an-tapitrisany ianao. Ampitahain’ny atidohanao koa ny tsy fitoviana bitika amin’ny zavatra hitan’ireo masonao roa, ka afaka mahita ny halaviran-toerana ianao.

Afaka mandinika endrik’olona maro ao anaty vahoaka ny masonao. Mandefa famantarana elektrika any amin’ny atidohanao izy ireo. Ny atidoha indray no mamadika an’ireo famantarana ho sary mazava. Ampitahainy amin’ireo sary voatahiry ao amin’ny fitadidianao koa ny tsipiriany madinika amin’ireo endrik’olona hitanao, ka tonga dia fantatrao ny namanao. Tsy hitanao hoe mahatalanjona ve izany?

[Sary, pejy 7]

Mahavariana ny fahaizan’ny maso mamakafaka an’izay jereny