Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mirotoroto Lava ve ny Fiainanao?

Mirotoroto Lava ve ny Fiainanao?

Mirotoroto Lava ve ny Fiainanao?

TENA mirotoroto ny fiainanao, raha ny faharoa na ny fahatelo no nasianao marika, tamin’ny ankamaroan’ireo valim-panontaniana etsy ampita. Tsy ianao irery no toy izany. Saika ny olon-drehetra no voatery mamita zavatra tsy maintsy atao, na dia mety tsy ho zava-dehibe aminy aza ilay izy. Mety ho asa maika izany, toy ny manamboatra tafo mitete, manatanteraka baikon’ny mpampiasa, ary mamita zavatra tsy ampoizina. Raha manao zavatra toy ireny foana ianao, dia mety ho hitanao fa lanilany fotsiny ny fotoananao. Tsapanao mihitsy aza fa hoatran’ny mihazakaza-dava ianao, fa tsy mba mankafy fiainana.

Tsy haharitra izany rehetra izany, hoy ianao. Mino ianao fa mbola hilamindamina ny fiainanao, ka hanam-potoana hanaovana an’izay tena zava-dehibe ianao, dia ireo zavatra hanatsara ny fiainanao sy ny an’ny fianakavianao ary ny an’ny hafa. Rahoviana anefa? Hanam-potoana ve ianao androany, na amin’ity herinandro ity, na amin’ny volana ambony?

Toa tsy hilamindamina mihitsy ny fiainana, raha ny zava-misy no jerena. Afaka manao zavatra anefa ianao, mba hanam-potoana bebe kokoa. Inona no azo atao?

[Efajoro, pejy 3]

Isaky ny inona ianao no manam-potoana hanaovana izay tena zava-dehibe aminao?

Isan’andro

Amin’ny faran’ny herinandro

Tsy misy fotoana mihitsy

Isan’andro,

Vitanao ve izay nokasainao hatao?

Tsy tanteraka ve izay nokasainao satria misy zavatra asain’ny hafa ataonao foana?

Tonga dia ataonao ve izay zavatra angatahina aminao?

Isan’andro, tsapanao ve hoe

Voafehinao ny fiainanao?

Sahirana ianao, satria mangataka zavatra sarotra tanterahina ny hafa?

Tsy afa-manoatra ianao fa tsy maintsy mamita izay zavatra mila atao fotsiny?

Rehefa mifarana ny andro,

Vitanao ve ireo zava-dehibe?

Nahavita izay tokony ho natao fotsiny ve ianao, na dia zara raha vita aza?

Tsy vitanao ve izay tena zava-dehibe?

Inona matetika no tsapanao rehefa mifarana ny andro?

Afa-po sy faly

Lany andro sy vizana ary sorena

Tezitra fa tsy nahavita zavatra