Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manokàna Fotoana ho An’izay Zava-dehibe

Manokàna Fotoana ho An’izay Zava-dehibe

Manokàna Fotoana ho An’izay Zava-dehibe

“Efa kely sisa ny fotoana tavela.”—1 Korintianina 7:29.

HOY i Michael LeBoeuf ao amin’ilay bokiny hoe Kinga Amin’ny Asa (anglisy): “Tsy hoe milomano ianao, raha mitsambikimbikina sy mikorofodrofoka ao anaty rano fotsiny.”

Raha tsorina, dia tsy mitovy ny hoe manao zavatra be dia be sy ny hoe mahavita zavatra tsara. Diniho ny zavatra nataonao tamin’ny herinandro. Inona no niezahanao nanokanana fotoana? Inona no tena nandany ny fotoananao? Hitanao ve hoe mila manokana fotoana betsaka kokoa amin’ireo zavatra tena lehibe ianao?

Naminany i Jesosy fa hirotoroto ny fiainantsika ankehitriny. Nilaza izy fa ho be atao ny mpianany alohan’ny faran’ity tontolo ity sy ny ahatongavan’ny tontolo vaovao anjakan’ny fahamarinana. Hitory ny ‘vaovao tsaran’ny’ Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Nilaza koa i Jesosy fa ho be atao ny ankamaroan’ny olona, ka tsy ho afaka hihaino. Ho sahirana amin’ny fiainana andavanandro mantsy izy ireo. Ho ringana izy ireo satria tsy miraharaha ny hafatra momba ilay Fanjakana.—Matio 24:14, 37-39; Lioka 17:28-30.

Mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tany 230 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Araka ny faminanian’i Jesosy, dia maro no milaza fa “sahirana be” ka tsy afaka mihaino. Asainay anefa ianao, na dia sahirana aza, mba hanokana fotoana handinihana izay ampianarin’ny Baiboly momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Mino izahay fa rehefa ho fantatrao ny fitahiana ampanantenain’Andriamanitra, dia hiaiky ianao fa tena ilaina ny manokana fotoana hihainoana sy hitandremana izay voalazan’ny Baiboly, satria tena zava-dehibe izany. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Manatòna ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny faritra misy anao na manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy eo amin’ny pejy 5.