Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nifidy ny Asa Tsara Kokoa Aho

Nifidy ny Asa Tsara Kokoa Aho

Nifidy ny Asa Tsara Kokoa Aho

Notantarain’i Plamen Kostadinov

EFA tena antoandrobe aho tamin’izay vao nifoha. Feno tavoahangin-toaka avy nisotroanay ny trano. Feno be ny fasiana tain-tsigara sady namofona. Tsy sambatsambatra toy ny tamin’ny fety nataonay ny omalin’iny intsony aho. Kivy sy nahatsiaro tena ho irery tsy nisy hoatr’izany aho. Toa tsy nisy dikany ny zava-drehetra. Aleo hotantaraiko anareo ny nahatonga izany.

Te ho lasa mpahay zavakanto aho, tamin’izaho 14 taona. Teo antenatenan’ny taona 1980, dia nilaza tamiko i Dada fa voaray tao amin’ny sekoly fianarana zavakanto tany Troyan, eto Boligaria, aho. Faly be aho. Niala teto Lovech àry aho, tamin’ny faramparan’ny taona, ary nankany Troyan.

Tiako ny nipetraka lavitra ny ray aman-dreniko sy nanao ny sitrapoko. Lasa nifoka sigara aho, ary matetika no nimamo niaraka tamin’ny mpiara-mianatra. Voarara ny nifoka sy nisotro toaka tany am-pianarana. Ny nandika izany mihitsy anefa no nahafinaritra ahy.

Nihatia zavakanto aho. Tena nahay nanao sary aho, ary naniry halaza. Nianatra nandritra ny dimy taona tany Troyan aho. Te hanohy fianarana tany amin’ny Oniversite Fianarana Zavakanto tany Sofia renivohitr’i Boligaria, aho, taorian’izay. Io no anisan’ny sekoly nalaza indrindra nanerana an’i Boligaria. Ankizy valo nahay indrindra ihany no voaray tao tamin’ny 1988, ary anisany aho. Nirehareha erỳ aho! Nijery fitaratra aho indray andro, sady niteny hoe: ‘Ho lasa mpanao hoso-doko malaza amin’izay ialahy ry Plamen!’

Lasa naditra

Niova ny fomba fiainako. Nanomboka nanao akanjo mainty aho, ary nanalava volo sy nampaniry volombava. Tsy maintsy nanao toy izany, hono, ny mpanakanto. Nanofa efitra iray tao amin’ny faritra fonenan’ny mpanakanto koa aho. Nataoko nisavoritaka sy nofenoiko entana araka izay azo natao ilay izy. Niompy alika kely iray sy saka niaraka tamin’ny zanany kely telo aho. Fanaoko koa ny nandanilany vola.

Nitombo foana ny fitiavako zavakanto. Tsy nitsahatra nanao hoso-doko aho. Nanao kisarisary tsy tena mazava aho, mba hanehoako ny tao an-tsaiko. Nasiako sary hatramin’ny rindrina tao an-trano. Nihevitra aho fa izany no dingana voalohany hahatongavana ho olo-malaza.

Nanao fety matetika niaraka tamin’ny mpiara-mianatra aho. Mazàna izany no natao tao amiko. Nihaino mozika izahay sady nisotro toaka be, eny fa na dia talohan’ny fanadinana aza. Ny mozika sy ny zavakanto ary ny antony iainan’ny olona no tena noresahinay. Niresaka momba ny hery ambony noho ny olombelona sy ny zavamananaina avy any amin’ny planeta hafa koa izahay. Nanaitra ny saiko ireny resaka ireny, ka nahafahako namorona sary vaovao. Sambatsambatra erỳ aho tamin’ireny, satria mamo. Tiako haharitra izany fahasambarana izany, nefa tsy nisy fifaliana kely akory hita tamiko ny ampitson’iny.

Toy izany foana ny fiainako nandritra ny folo taona, nefa tsy afa-po aho. Nifanohitra tamin’ny sary nataoko ny fihetseham-poko. Mazava ny loko nampiasaiko, nefa nihananjombona foana ny tao anatiko. Nahatsiaro ho nanirery aho. Nihalefy ny fanantenako ho lasa mpanao hoso-doko malaza. Kivy be aho ary tsy haiko intsony izay itondrana ny fiainako. Tamin’izany no nitranga ilay zavatra notantaraiko tetsy am-piandohana.

Nanavotra ahy ny fahamarinana

Nanao fampirantiana teto Lovech aho, tamin’ny 1990, ary nanasa an’i Yanita mba handray anjara tamin’ilay izy. Mpiara-mianatra tamiko tany amin’ny oniversite tany Sofia izy, sady avy eto Lovech koa. Niara-nisakafo tany amin’ny hotely iray tsy lavitra teo izahay, rehefa vita ilay fampirantiana. Noresahin’i Yanita tamiko ny zavatra nampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah azy avy tao amin’ny Baiboly. Nilaza izy fa mampanantena tontolo vaovao ny Baiboly. Nahaliana ahy izany.

Nanohy ny fianarany Baiboly tany Sofia i Yanita. Nanome boky ara-baiboly ahy izy indraindray. Tena nahaliana ahy ny namaky ilay bokikely hoe “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra.” Andro vitsivitsy koa dia voavakiko ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. * Tsy sarotra tamiko ny nino fa misy Andriamanitra, ary naniry hianatra hivavaka avy hatrany aho. Tadidiko ny vavaka voalohany nataoko. Nandohalika aho, ary namboraka ny fanahiako tamin’i Jehovah. Nino tanteraka aho fa nihaino ahy izy. Lasa faly sy niadan-tsaina aho, fa tsy nanirery intsony.

Nampifankahalala ahy tamin’ny mpivady Vavolombelon’i Jehovah iray i Yanita, tany Sofia. Nasain’izy mivady hianatra Baiboly sy hamonjy ny fivorian’izy ireo aho. Tamin’ny Jona 1991 aho no nivory voalohany. Tonga adiny roa mialoha aho tamin’izay, ary niandry tao amin’ny zaridaina iray. Nitebiteby aho sady niasa saina hoe: ‘Handray ahy tsara ve ry zareo?’ Gaga aho fa nandray tsara ahy izy rehetra, na dia hafahafa aza ny paoziko. Nivory tsy tapaka aho nanomboka teo, ary nianatra Baiboly indroa isan-kerinandro.

Faly erỳ aho rehefa nahazo ny Baiboliko voalohany. Mbola tsy namaky boky tsara sy mahavariana toy izany aho! Tena mampiaiky ny fahendrena hita ao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra! Nandroso ny fianarako, ary tena tsapako fa afaka manova olona ny Tenin’Andriamanitra. Hoy mantsy ny Efesianina 4:23: ‘Mba hohavaozina hatrany ianareo eo amin’ny hery mibaiko ny sainareo.’ Tsy nifoka intsony aho, ary nanova ny paoziko. Niova be aho ka tsy nahalala ahy mihitsy ny raiko rehefa nifanao fotoana teny amin’ny garan’ny lamasinina eto Lovech, izahay. Nandalovany fotsiny aho.

Hitako koa fa nila nanova ny tao an-tranoko aho. Tsy nanome aingam-panahy ahy intsony ny korontana tao an-trano sy ny sary teo amin’ny rindrina ary ny fofon-tsigara. Nodioviko ny zava-drehetra. Nolokoako fotsy ny rindrina, ka voafafa ilay sarina zavaboary hafahafa manana maso telo nataoko.

Tsy ela dia nandao ahy ireo namako. Vetivety anefa dia nahazo namana maro tany amin’ny fivoriana kristianina aho. Mbola namako foana izy ireo. Nandroso haingana aho, noho ny fiarahako tamin’izy ireo. Natao batisa tao Plovdiv aho, tamin’ny 22 Martsa 1992. Tamin’io no nisy fivoriambe voalohany nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Boligaria.

Niverina teto Lovech

Fantatro fa tsy mora amin’ny mpanakanto ny mivelona any amin’ny tanàna kely. Nanapa-kevitra ihany anefa aho fa hiverina teto Lovech rehefa vita ny fianarako. Takatro fa tsy afaka ny hoe sady hahomby amin’ny zavakanto aho no hanao loha laharana ny Fanjakan’Andriamanitra. Nifidy asa hafa àry aho, ka nirotsaka an-tsitrapo ho mpampianatra Baiboly. Efa mpampianatra Baiboly teto Lovech i Yanita, tamin’izaho mbola tany amin’ny oniversite. Nahavita fianarana telo taona talohako izy. Izy irery no Vavolombelona teto.

Rehefa niverina teto Lovech aho, dia efa nisy olona vitsivitsy nianatra Baiboly teto. Tena nahafinaritra ahy ny nitory isan-trano sy niresaka tamin’ny olona momba ny fanantenako. Nanapa-kevitra àry aho fa hanao izany ho anton’asa.

Nisy olana anefa tatỳ aoriana. Noraran’ny fanjakana ny asan’ny Vavolombelona teto, tamin’ny 1994. Nanely lainga be koa ny fampitam-baovao. * Matetika no voantso tany amin’ny polisy ny Vavolombelona, ary nalaina an-keriny ny bokin’izy ireo. Tsy nahazo alalana hivory tany amin’ny efitrano fivoriana izahay tamin’ireny fotoana ireny. Na izany aza, dia nivory tsy tapaka tao amin’ny efitra kely iray tao amin’ny tranon’i Yanita izahay. Olona 42 no nifanizina tao, indray mandeha. Nakatonay ny varavarankely rehefa nihira izahay, mba tsy hanelingelina ny manodidina. Nahamay be tao an-trano, rehefa nafana ny andro. Nahafinaritra anefa ny fiarahanay.

Fitahiana avy amin’i Jehovah

Tena nampiaiky ahy ny zotom-pon’i Yanita tamin’ny fivavahana marina. Lasa nifankatia izahay tatỳ aoriana, ary nivady tamin’ny 11 Mey 1996. Mifameno tsara izahay, na dia tsy mitovy toetra aza. Izy no namako akaiky indrindra sady mpanohana ahy. Misaotra an’i Jehovah aho satria nomeny vady “sarobidy lavitra noho ny haran-dranomasina.”—Ohabolana 31:10.

Lasa mpanakanto ny sasany tamin’ireo namako taloha. Izany no nofinofiko, kanefa faly aho izao satria nifidy asa tsara kokoa. Nanampy olona maro hanana tanjona eo amin’ny fiainana aho, ary lasa rahalahiko sy anabaviko kristianina izy ireny. Marina fa nety ho nalaza aho. Tsy misy dikany anefa izany raha oharina amin’ny fitahiana azoko avy amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Faly aho satria mahalala tsara an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanakanto lehibe indrindra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo, fa tsy atao pirinty intsony.

^ feh. 22 Nekena ho ara-dalàna indray ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Boligaria tamin’ny 1998, araka ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona any Strasbourg.

[Sary, pejy 12]

Izaho sy Yanita vadiko