Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vitanao Io!

Vitanao Io!

Vitanao Io!

HANAO zavatra ianao izao. “Mahereza” àry! (1 Tantara 28:10) Inona ireo dingana farany tokony hatao mba ho azo antoka kokoa fa ho afaka amin’ny sigara ianao?

Mamera daty. Milaza ny Minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Fanasoavam-bahoaka any Etazonia fa raha vao tapa-kevitra hiala amin’ny sigara ianao, dia tsara raha miala, ao anatin’ny tapa-bolana aorian’ny nanapahanao hevitra. Mbola vonona tsara ianao amin’izay. Mariho eo amin’ny kalandrienao ilay daty, ilazao ny namanao, ary aza ovana intsony izany, na inona na inona mitranga.

Manaova “karatra kely.” Azonao soratana ao ireto manaraka ireto, sy izay zavatra hafa handrisika anao hiala:

● Ny antony hialanao

● Ny nomeraon-telefaonina azonao antsoina raha vao mitady hifoka ianao

● Hevitra hanampy anao hiala. Angamba izany andinin-teny ao amin’ny Baiboly, toy ny Galatianina 5:22, 23

Ento eny aminao foana ilay karatra kely ary vakio matetika isan’andro. Vakio indray ilay izy raha vao mitady hifoka ianao, na dia efa afaka amin’ny sigara aza ianao.

Ialao tsikelikely ny fahazarana mifoka amin’ny toe-javatra sasany. Ataovy izany, dieny mbola tsy tonga ilay daty. Raha zatra mifoka, ohatra, ianao raha vao mifoha maraina, dia ahemory adiny iray eo ho eo izany. Aza mifoka intsony rehefa misakafo na raha vao avy misakafo, raha zatra nanao izany ianao. Halaviro ny toerana misy mpifoka. Rehefa irery ianao, dia averimbereno amin’ny feo avo ny hoe: “Efa tsy mifoka intsony aho fa misaotra.” Hanampy anao ho vonona hiala ireo, sady hampahatsiahy anao fa ho afaka amin’ny sigara tsy ho ela ianao.

Miomàna. Manangòna zavatra azo tsakotsakoina, toy ny karaoty sy siligaoma ary voanjo, rehefa mihamanakaiky ilay daty. Ampahatsiahivo an’ireo namanao sy fianakavianao ilay daty. Lazao azy ireo izay azony anampiana anao. Ny andro alohan’ilay daty, dia esory koa ny fasiana tain-tsigara sy birike ary izay mety haka fanahy anao, toy ny sigara ao an-trano na any anaty fiara na any am-paosy na any am-piasana. Mora kokoa mantsy ny mandray azy ireny avy hatrany, noho ny mangataka amin’ny namana na mividy. Angataho foana koa ny fanampian’Andriamanitra, indrindra fa aorian’ny nifohanao farany.—Lioka 11:13.

Olona maro no “nisaraka” tamin’ny sigara, ilay namany sandoka sy ratsy toetra. Afaka manao toy izany koa ianao. Ho salama ianao amin’izay ary tena ho maivamaivana.

[Sary, pejy 9]

Ento eny aminao foana ilay karatra kely ary vakio matetika isan’andro